Toko faha 17

1 Jesosy nitare tam'reo mpianany hoe: "Azo antoka fa hisy ra afaka hanosika an-tsika hagnota, fa lozan'ze ôla hiaven'zany! 2 Tsara ho an'zany ôla zany raha asena vatobe akao amin'ny vozogny ka atsipy aigny agnaty ranomasina, non'ny hatafitona ny raika am'reo madinika reo. 3 Mitandrema anareo. Raha magnota ny ralànareo, tineno mafy izy, ary raha mibebaka izy, mamelà an'azy. 4 Raha magnota aminao impito akao agnatin'ny indray andro izy, ka impito miverigna aminao izy, mitare hoe: "Mibebaka za," de tsy maintsy mamela an'azy anao!" 5 Reo Apostoly nitare tamin'ny Tompo hoe: "Ampitomboy ny finoanay." 6 Ny Tompo nitare hoe: "Raha managna finoana salan'ny vôtsinampy anareo, de afaka mitare amin'io vôroihazo io hoe: "Miongota, ary maniria aigny an-dranomasina," de hagneky an'nareo izy. 7 Fa iza aminareo, no managna mpanompo miasa tany na miambin'ondry, ka hitare amin'azy rafa tonga avy aigny an-tsaha izy hoe: "Ave malaky ka mipitrà mbô hihinana?" 8 Fa tsy hitare amin'azy ma izy hoe: "Hikarakarao ra hohaniko za, ka aseo fekibo magnodidigna ny ankajonao de manompoa anà mandrapahalanin'ny ahaniko sy fisotroako. De avekeo anao mihinana sy misotro?" 9 Tsy misaotra an'le mpanompo izy satria nagnano reo ze nibaikona an'azy izy, se misaotra ma izy? 10 Na de anareo kô aza, rafa navita an'reo ra daôly ze nandidena an'nareo anareo, de tokony hitare hoe: "Zahay de mpanompo tsy mendrika. Ze tokony nataonay fôgna no nataonay." 11 Ary raha nande ho aigny Jerosalema Izy, de nande takeo amin'ny sisin-tany takeo agnelagnelan'i Samaria sy Galilia. 12 Rafa niditra takao amin'ny tanàna raika izy, de nisy boka folo lahy nifanena tamin'Azy tao. Nitsangana lavitra an'Azy zareo 13 ary nanandratra agnambo ny feon-jareo, nitare hoe: "Jesosy, Tompo ô, mamindrà fo aminay." 14 Rafa natazagna an-jareo Izy, de nitare tamin-jareo hoe: "Mandiana de atoroy an'reo mpisorogna ny tegnanareo." Raha igny lasa igny zareo de nadio. 15 Rafa natazagna ny raika tamin-jareo da sitragna izy, de niverina, niaraka tamin'ny feo avo nankalaza an'Andriamanitra. 16 Nenkoka takeo an-tongotr'i Jesosy izy, nagnome fisaorana ho an'Azy. Izy de Samaritana. 17 Ary Jesosy nitare hoe: "Tsy efa vôdio ma izy folo? Fa aiza ny sivy? 18 Tsisy hafa niverigna hagnome voninatra an'Andriamanitra ma, afa-tsy ty vahiny ty?" 19 Ary ozy tamin'azy: "Mitsangàna, ka mandiana. Ny finoana no nahasitragna an'nao." 20 Raha nagnontanen'reo Fariseo hoe ôvena ny fanjakan'Andriamanitra no ho tonga, de namaly an-jareo Jesosy ka nikoragna hoe: "Tsy taza-maso ny fiaven'ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Tsy hitare kô zareo hoe: "Jerevo, ty le izy!" na hoe: "Iry le izy!" Fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra de akao agnatinareo."" 22 Ozy tam'reo mpianatra: "Avy ny andro hagnirinareo ny hahita ny raika amin'ny andron'ny Zanak'Ôla, fa tsy hahita an'zany anareo. 23 Ary zareo de hitare aminareo hoe: "Jerevo, ery! Jerevo, ety!" Fa aza mivôka na magnenjika an-jareo. 24 Fa salan'ny tselatra mamiratra mazava rafa mitaratra avy aigny amin'ny ilany ny lagnitra ka hatraigny amin'ny ilany raika, de ôtran'zany ny Zanak'ôla amin'ny androny. 25 Fa vôlôny de tsy maintsy hijaly am'ra maro Izy ary ho lavin'ty taranaka ty. 26 Salan'ze nitranga tamin'ny andron'i Noa, no hibôgna kô amin'ny andron'ny Zanak'Ôla. 27 Nihinana zareo, nisotro, nanambady, natolotra ho ampakarina, mandra-peven'ny andro ze nidiran'i Noa takao amin'ny sambofiara - ary tonga ny safo-dragno ka nandringana an'azy daôly. 28 Salan'ze nitranga tamin'ny andron'i Lota - nihinana sady nisotro zareo, nividy sy nivarotra, namboly sy nagnano tragno. 29 Fa tamin'ny andro ze nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, de afo sy solifara no nilatsaka avy taigny an-dagnitra ka nandringana an'azy daôly. 30 De ôtran'zany kô ny amin'ny andro hibôgnan'ny Zanak'Ôla. 31 Am'zany andro zany, aza avela hiditra hiaka reo entany ho aigny avelan'ny tragno ze aigny amin'ny tampon-tragno; ary aza avela hiverigna ze aigny an-tsaha. 32 Tadidio ny vadin'i Lota. 33 N'iza n'iza mikaraka hamonjy ny aignany de hahavery an'azy, fa n'iza n'iza hahavery ny aignany de hamonjy an'azy. 34 Milaza aminareo Za, fa am'zany alina zany de hisy ôla roey akeo ambonin'ny fandrena raika. Ny raika de horaisina, ary ny raika ho avela. 35 Ary hisy roa vavy miara-mitoto vary. Ny raika ho raisina, ary ny raika ho avela." 36 [Fagnamarihana: reo fandikan-teny talô tsara ndrindraka de magnala ny andininy faha 36 hoe: "Hisy roa lahy aigny an-tsaha; ny raika ho raisina, ary ny raika ho avela."] 37 Nagnontany an'Azy zareo hoe: "Aiza, Tompo?" ary Izy nitare tamin-jareo hoe: "Ze hitôran'ny faty, de aigny kô no hisy vototo hiara-miangona."