Toko faha 15

1 Ary reo mpamory hetra sy ny mpanota sasagny de tonga teo amin'i Jesosy mba hitaino an'Azy. 2 Nigonongonogna reo Fariseo sy reo mpanora-dalàna, nitare hoe: "Io leila io de mandray mpanota, ary miara-minana am'jareo mitsy aza." 3 Jesosy nagnano an'zao fagnoharana zao tam'jareo, ary nitare hoe: 4 "Iza aminareo, raha managna ondry zato, ary avy akeo de very ny tokana am'jareo, no tsy handôsa ny sivy am'sivifolo aigny an-tany efitra, ary hande hikaraka le raika very mandra-pahitany an'azy? 5 Ary rafa hitany zany, de lanjainy akeo an-tsorogny ary mifaly izy. 6 Rafa tonga akao an-tragno izy, de antsoviny daôly ny namany sy reo mpiara monina am'azy, mitare an'azy hoe: "Mifale miaraka aminà, fa hitako le ondriko very." 7 Salan'zany kô, de mitare amainareo Za, fa hisy fifalena aigny an-dagnitra non'ny mpanota raika ze mibebaka, mihôtra no reo olo-marina sivy am'sivy folo ze tsy mibebaka. 8 Iza no vevavy ze managna farantsa kely folo, raha very ny farantsa raika, no tsy andreitra ny jiro, hamafa ny tragno, ary hikaraka amim-pazotôgna mandra-pahitany an'zany? 9 Rafa hitany zany, de antsoviny daôly reo namany sy reo mpiara-monina amin'azy, ka hitare hoe: "Mifale mairaka aminà, fa hitako le farantsa kely raika ze very." 10 Salan'zany kô, Za milaza aminareo, misy fifalena akeo agnatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota raika ze mibebaka." 11 Avy akeo Jesosy nitare hoe: "Nisy leilà raika nanan-janaka rôy là, 12 ary ny faralà tam'jareo nitare tamin'ny rainy hoe: "Ray ô! omeo anà ny anjara fanagnako ze tokony ho anà. Ka de nozarain'ny tam'jareo ny fanagnany. 13 Tsy ela tafaran'zay, de nangorogna ny anjarany daôly le faralà ary nande tamin'ny firenena hafa lavitra takeo, ary taigny izy no nandany reo anjarany daôly tamin'ny fiaignan-dratsy. 14 Ary rafa laniny daôly reo, de nisy silaona mafy be tam'io firenena io, ka nanomboka sahirana izy. 15 Nande izy ka nikarama tamin'ny raika tam'reo mponina tao amin'io firenena io, ze nandefa an'azy taigny amin'ny tanim-boliny mba hiambina kisoa. 16 Te hinana mafy reo ahanin'reo kisoa izy, satria tsisy ôla nagnome an'azy na ino na ino. 17 Fa rafa tonga saigna le faralà, de nitare izy hoe: "Firy am'reo mpanompon'ny raiko no managna ahanina betsaka sy ampy ary ty za, matin-tsilaona. 18 Ialako aketo ka ho aigny amin'ny raiko za, ary za hitare am'azy hoe: Ray ô! efa nanota tamin'ny lagnitra za, sy teo amasonao. 19 Tsy mendrika antsovina hoe: zanakao intsony za; ataovo salan'ny raika am'reo mpiasanao za." 20 No zany de nande le faralà ka nankaigny amin'ny rainy. Raha mbola lavitra izy, de hitan'le rainy ary tohina nangoraka, ka niazakazaka, ary namina sy nagnoroka an'azy. 21 Le zanany nitare hoe: Ray ô! efa nanota tamin'ny lagnitra sy teo amasonao za. Tsy mendrika antsovina hoe: zanakao intsony." 22 Le rainy nitare tamin'ny mpanompony hoe: "Alao malaky reo akanjo tsara, ka ampekanjo an'azy, ary aseo peratra ny tagnany, sy kiraro ny tongony. 23 Avy akeo alao le zanak'omby matavy ka vonoy zany. Andao tsika hifaly amin'ny fatongavany. 24 Satria ty zanako là ty de efa maty, ary de velona ndre. Very izy ary de hita ndre." Avy teo de nanomboka nikoragna zareo. 25 Ary le lahimatoany de taigny an-tsaha. Nony avy ary nagnatogna an'le tragno izy, de nareigny zava-magneno sy dihy. 26 Nagnantso raika tam'reo mpanompo izy ary nagnonatany an'azy hoe: Ino zany raha akao zany. 27 Le mpanompo nitare tam'azy hoe: Nody akao an-dragno ny ralanao ka novonoin'ny rainareo le zanak'omby matavy, satria tafaverigna sômantsara izy.' 28 Sosy le lahimatoa, ary tsy nety niditra, de nivôka ny rainy, ary nengavy an'azy. 29 De namaly le lahimatoa ary nitare tamin'ny rainy hoe: Zahao efa an-taonany maro no nanompoako an'nao, ary mbola tsy nandika ny fifihezanao za, ary enao tsy mbola nagnome na de zanak'osy nafako nikoragna niaraka tam'reo namako, 30 kanefa rafa tonga ny zanakao là, ze nandany ny fanagnanao tamin'ny mpivaro-tegna, de novononao ho an'azy le zanak'omby nifahy." 31 Ozy le rainy tamin'azy hoe: "Anaka, anao de miaraka aminà fôgna, ary ze anà daôly de an'nao. 32 Kanefa mety amintsika ny mikoragna sy mifaly, satria ty zandrinao ty de efa maty ary am'zao fotôna zao de velona ndre, ary efa very, ary am'zao fotôna zao de hita ndre."