Toko faha 4

1 Noho zany, ôka hitandrina tsara tsika mbô tsisy aminareo ny tsy afaka hatratra ny teny fampanatenana navela ho an'nareo mbô hidiranareo akao amin'ny fitsaran'Andriamanitra. 2 Fa tsika de nagnambarana ny vaovao mafaly salan-jareo. Fa zany hafatra zany de tsisy tombony ho an'reo ze tsy nitambatra takao amin'ny finoana niaraka tam'reo ze nankatoa. (Fagnamarihana: ny dikanteny sasagny de mivaky ôtran'zao: "Fa zany hafatra zany de tsisy tombony ho an'reo ze nandregny an'azy tamin'ny tsy finoana.") 3 Fa tsika ze nino de reo ze hiditra am'zany fitsaharana zany, araka ze efa nolazainy hoe: "Salan'ny nianianako tamin'ny fatezerako, de tsy hiditra velively akao amin'ny fitsaharako zareo." Fa na zany kô aza, ny asa famoronany de vita tamin'ny fanorenana an'zao tontolo zao. 4 Fa izy nitare taigny ho azy momban'ny andro fafito hoe: "Andriamanitra nitsahatra tamin'ny andro fafito tamin'ny asany daôly." 5 Ary mbô nitare ndre izy hoe: "Zareo de tsy hiditra velively akao amin'ny fitsaharako." 6 Noho zany, satria mbôla vôtokana ho an'ny sasagny ny fidirana akao amin'ny fitsarany, ary satria betsaka reo Israelita nandregny ny vaovao mafaly tsy niditra takao nohon'ny tsy fankatoavana, 7 de nametraka andro raika ndre nantsovigna hoe: "Gniany " Andriamanitra. Tafaran'ny andro betsaka, de niresaka tamin'ny alalan'i Davida Izy, ôtran'ze vôlaza melô hoe: "Gniany raha mandregny ny feony anareo, de aza manamafy ny fonareo." 8 Fa raha Josoa no nanome fitsaharana azy ireo, dia tsy niresaka momban'ny andro iray hafa Andriamanitra. 9 Noho izany dia mbola misy sabata fitsaharana voatokana ho an'ny vahoakan' Andriamanitra. 10 Fa izay miditra ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra dia nitsahatra tamin'ny asany ihany koa, tahaka ny nataon'Andriamanitra tamin'ny Azy. 11 Noho izany aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, mba tsy hisy na iray aza ho tafalatsaka amin'ny karazana tsy fankatoavana izay nataon'izy ireo. 12 Fa ny tenin'Andriamanitra de velona sy mandaitra ary maranitra nohon'ny sabatra roa lela. Zany de magnidrona hatramin'ny fagnasarahana ny aigna amin'ny fagnahy, sy ny tonona amin'ny tsoka mihitsy aza. Ka afaka fantarina ny eritreritry ny fo sy reo fikasana. 13 Tsisy famoronana niafina takeo agnatrehan'Andriamanitra. Fa kosa, ny ra daôly de miharihary sy misokatra akeo amason'le raika ze tsy maintsy hampamoahintsika. 14 Noho zany, satria tsika de managna mpisoronabe geda ze lasa namaky ny lagnitra, Jesosy Zanak'Andriamanitra, de ande tsika hifikitra mafy amin'ny finoantsika. 15 Fa tsika de tsy managna mpisoronabe ze tsy matsapa fangoràna amin'ny falementsika. Fa kosa, tsika de managna ôla raika ze efa nalaim-pagnahy tamin'ny fomba daôly salan'ny antsika, saingy Izy tsisy ôta. 16 Ôka ary tsika ande amin'ny fatokina ho aigny amin'ny seza fendrianan'ny fahasoavana, mbô handraisantsika ny famindram-po sy hahita fasoavana hagnampy amin'ny fotôna ilàna an'zany.