Toko faha 5

1 Fa ny mpisorognabe daôly, vôfidy avy tamin'ny ôla, de notindrena mba hiasa amin'ny agnaran'ny ôla am'reo ra makasika an'Andriamanitra, ka mba agnolorana fagnomezana sy fagnatitra ho an'ny ota. 2 Izy de afaka mifagnaraka tsara amin'ny tsy mahalala sy ny maniasia satria izy tegnany kô de vôdidin'ny falemena. 3 No zany, izy kô de takena hanolotra sorogna ho an'reo otany manokana, salan'ny nataony ho an'reo otan'ôla. 4 Tsy ho an'ny tegnany no handraisan'ny ôla an'zany voninaitra zany. Fa kosany, izy de nantsovin'Andriamanitra, salan'i Arona. 5 De ôtr'zany, Kristy tsy mba nagnome haja ny tegnany miintsy tamin'ny fagnanoovany ny tegnany ho mpisorogna be. Fa kosany, le raika ze niresaka tamin'azy niteny hoe: "Zanako Enao; ngiany de tonga Rainao Za." 6 De ôtran'zany ko no nolazainy taigny amin'ny toeran-kafa hoe: "Enao de mpisorogna mandrakizay araka ny fomban'i Melkizedeka." 7 Tam'reo andron'ny nofony, Kristy nagnolotra vavaka sy fangatana niaraka tamin'ny fitaraignana mafy sy ranomaso tamin'Andriamanitra, de raika ze afaka mamonjy an'Azy amin'ny fafatesana. Reigniny Izy non'ny fangorany. 8 Na de zanaka aza Izy, de nianatra fankatoavana tam'reo ra niaretany. 9 Natao ho tonga lafatra Izy ka tonga, ho an'ny ôla daôly ze mankatô an'Azy, le loharanon'ny famonjena mandrakizay. 10 De notendren'Andriamanitra salan'ny mpisorogna Izy araka ny fomban'i Melkizedeka. 11 Managna ra koragnina betsaka momban'i Jesosy zahay, fa sarotra ny manazava an'zany hatramin'ny naha gognona ny sofignareo. 12 Fa am'zao fotôna zao de tokony ho mpampianatra anareo, nareo de mbola mila ôla hampianatra an'nareo reo fitsipika fototry ny hafatr'Andriamanitra. Ronono no ilainareo, fa tsy ventin-kanina! 13 Fa ny ôla ze misotro ronono fotsiny de tsy ampy traikefa amin'ny hafatry ny famarinana, satria izy de mbola zaza kely. 14 Fa ny ventin-kanina de ho an'reo leibe. Reo de ze vôhofagna tamin'ny fagnavana ny tsara amin'ny ratsy ny fatakarany no ny famatoran-jareo.