Toko faha 3

1 No zany, ry rahalà masina, nizara ny fagnatsovan' ny lagnitra nareo. Saigno ny momban'i Jesosy, ny apostoly sy ny mpisorombe ze eketsika. 2 Izy de natoky an'Andriamanitra, ze nanendry an'azy, ôtran'i Mosesy ze natoky tao andragnon'Andriamanitra fôgna kô. 3 Fa Jesosy de fa natao mendrika ny hanamboninahitra gedabe mihôtra an'i Mosesy, satria ze magnorina ny tragno no manan-kaja bebe koko no le tragno nataony. 4 Fa ny tragno daôly de nisy ôla nagnorina, fa ny tokana ze nagnorina ny ra daôly de Andriamanitra. 5 Amin'ny lafiny raika, de natokisana salan'ny mpanompo takao andragnon'Andriamanitra irai-manontolo i Mosesy. Izy no vavolombelona momba an'reo ra ze tokony efa nolazaina amin'ny ho avy. 6 Fa Kristy no Zanaka miandraikitra ny tragnon'Andriamanitra. Tsika no tragnony raha tô ka mitana mafy ny herim-po sy ny fatokintsika ntsika. 7 Zany de salan'ny lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Ngiany raha mareigny ny feony anareo 8 de aza magnamafy ny fonareo ôtran'ny ditra nataonareo taigny agnefitra tamin'ny fotônan'ny fitsapana. 9 Ôtran'zany ny razambenareo rafa nanohitra Anà tamin'ny fitsapana, nandritry ny efapolo taona ary de tazagny zareo ny asako. 10 Tam'zany de tsy faly tamin'io taranaka io Za. 11 Vôfitaka mandrakariva ho aigny amin'ny lalandiso tao ampony zareo. Tsy nafantatra ny lalako izy. Ary zany no nifantàko tamin'ny fasosorana hoe: "Tsy hiditra akao amin'ny fitsaharako velively miitsy zareo. 12 Mitandrema, ry rahala, mba tsisy aminareo no de raika aza ka hanagna fo ratsin'ny tsy finona, fo ze miala amin'Andriamanitra velona. 13 Fa mifagnanara, sy mifampahereza isan'andro, raha mbola misy ny antsovina hoe: "Ngiany," mba tsy hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny fetaky ny fahotana. 14 Fa ntsika de efa tonga mpiara-miasa am'i Kristy raha tô ka mitana mafy ny fahatokisantsika an'Azy hatraigny ampendohana ko hatraigny amin'ny fefarana. 15 Fa ny momba an'zany de efa vôlaza hoe: "Ngiany, raha mareigny ny feony anareo, de aza magnamafy ny fonareo salan'ny amin'ny fanoherana." 16 Fa iza ma no efa nareigny an'Andriamanitra ka mbola naditra? Fa tsy reo ze nivôka avy taigny Egypta niaraka tamin'i Mosesy ma zany? 17 Iza no nampahasosy an'azy nandritry ny efapolo taona? Tsy reo ze nagnota ihany ma? ka niampatrampatra taigny agnefitra ny fatin-jareo? 18 Hoan'iza no nefantàny fa tsy hiditra akao amin'ny fitsaharany zareo, raha tsy ho an'reo ze tsy nagneiky an'Azy? 19 Tazantsika fa tsy afaka niditra takao amin'ny fitsaharana zareo noho ny tsy finona.