Toko faha 2

1 No zany tsika de tsy maintsy mitandrina bebe kokô am'ze reignintsika, mba tsy hagnara-drenirano am'zany tsika. 2 Fa raha marina ny hafatra ze notaravina tam'alalan'reo anjely, ary ny fandrikan-dalàna daôly sy ny tsy fankatoavana de mandray sazy ara-drariny, 3 de ahôna ary no hafantsika milefa raha tsy miraharaha an'zany famonjena ze nambaran'ny Tompo vôlôny sy namafisin'reo ze nareigny an'zany tamintsika. 4 Tam'io fotôna io iany Andriamanitra de nagnaporofo an'zany tam'famantarana, fahagagana, ary asa mahery samihafa, ary tam'fizarana reo fagnomezam-pasoavan'ny Fanahy Masina araka ny sitrapôny. 5 Fa tsy tam'anjely no nampagneken'Andriamanitra an'zao tontolo zao ho avy, momba an'ze resantsika. 6 Fa kosa, nisy ôla nitsangana vavolombelona an'zany taigny ho aigny, magnano hoe: "Ino ny ôla, no misaigna an'azy enao? Na ny zanak'ôla, no mikarakara an'azy enao? 7 Enao de nagnano ny ôla ambany kely no reo anjely; nosatrônao satro-boninahitra tam'voninahitra sy dera izy. [Fanamarihana: Ny dikan-teny sasagny talô de miampy hoe: "Ary enao nametraka an'azy ambonin'reo asan'ny tagnanao."] 8 Ny ra daôly de nampagnikenao akeo ambanin'ny tongony. Fa ho an'azy no nampagniken'Andriamanitra ny ra daôly. Tsy namela na ino na ino izy ka tsy nampagnikeny an'azy. Fa am'zao tsika de tsy mbola mahita ny ra daôly nampagnikena an'azy. 9 Fa tsika mahita le tokona ze nataony ambany no reo anjely nandritry ny fotôna fohy: Jesosy, ze, non'ny fijaleny sy ny fafatesany, de nosatrôna satro-boninahitra tam'voninahitra sy dera. Ka am'zao tam'alalan'ny fasoavan'Andriamanitra, no nagnandramany ny fafatesana ho an'ny ôla daôly. 10 Fa mety am'Andriamanitra zany, satria ny ra daôly de misy ho an'Azy ary am'alalany, mba hitondra zanaka betsaka ho aigny am'voninahitra. Mety aminazy ny hatonga ny mpitarika ny famonjena an'azy reo ho feno am'alalan'ny fijaleny. 11 Fa na ny ôla ze magnamasina na reo re vômasina de managna lôrano raika. No zany de tsy menatra an'azy reo hoe rahalà Izy. 12 Ozy Izy hoe: "Hagnambara ny agnaranao am'reo rahalàko Za, hihira ny momba an'nao avy akao agnatin'ny fivondrognana Za." 13 Ary kô, "Hatoky an'azy za." Ary kô: "Indro, aketo za sy reo zanaka ze nomen'Andriamanitra Anà." 14 No zany, satria nofo aman-drà reo zanak'Andriamanitra, de nizara ra salan'zany niaraka tam-jareo iany kô Jesosy, mba ho am'alalan'ny fafatesana no hagnafoagnany ny tôkana ze managna ny herin'ny fafatesana, de ny devoly zany. 15 Zany de mba hagnafahany reo daôly ze non'ny tatra ny fafatesana de niaigna ny fiaignan'izy daôly reo takao am'fagnadevozana. 16 Fa mazava ho an'azy fa tsy reo anjely no vonjeny; fa kosany, ny taranak'i Abrahama. 17 No zany de mendrika an'Azy ny atao ôtran'reo rahalàny am'fomba daôly, mba ho mpisoronabe feno famindram-po sy fatokisana Izy am'fifandraisana am'reo ran'Andriamanitra, ary mba hitondra momban'ny fambilana reo fahotan'ny ôla. 18 Satria Jesosy miintsy no nijaly sy nalaigna fagna, de afaka magnampy reo ze alaim-pagna Izy.