Toko faha 3

1 "Indro, efa mby handefa ny irako Aho, ary i de hanomana ny lalana eo alohako. Ka de ho avy tampoka ao amin'ny tempoliny ny Tompo izay tadiavinareo. Ilay iraky ny fanekena izay hankasitrahanareo, indro, ho avy i," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 2 Fa ia moa ro hahavita hiaritsa ny andro hahatongavany? Ia ro hahavita hijoro sy hiseho I?Fa i de ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy savony fanasan-damba. 3 Hitoatsa toy ny mpandrendrika ny mpanadio volafosty I, ary hanadio ireo zanaka lahin'i Levy. Handrendrika andreo tahaka ny volamena sy volafotsy I, ary hitondra fanatitsy ny fahamarinana ho an'i Yaveh reo. 4 ary ny fanatits'i Joda sy Jerosalema de ho hankasitrahan'i Yaveh, tahaka ny andro taloha, sy tahaka ny taona taloha. 5 De ho avy Aho hitsara agnareo. Vetivety Aho de ho tonga vavolombelogna hanohitsa ireo mpisikidy, mpijangajanga, vavolombelogna sandoka, ary hanohitsa izay mampahory ny mpiasa amin'ny karamany, ireo izay mampijaly ny mpitondratena sy reo kamboty, hanohitsa izay nandà ny vahiny, ary hanohitsa ireo ze tsa nanome voninahitsa Anahy," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 6 "Fa Iaho, Yaveh, de vana tsa niova; noho izay agnareo, zanaka lahin'i Jakoba, de tsa ho tratsa farany. 7 Hatramin'ny andron'ireo razambenareo de nandà ny didiko agnareo ary tsa nitandrina izay. Mipidiana aminahy, de hipody aminareo Aho," hoy Yaveh Tompon'ny maro. "Fa hoy agnareo hoe:'Amin'ny manao akory ro hipodiananay?' 8 Misy ona handromba an'Andriamagnitsa ve? Saingy mandroba Anahy Agnareo. Fa hoy agnareo hoe:'Tamin'ny fomba manao akory ro nandrobanay Agnao? Tamin'ireo ampahafolon-karena sy ireo fanatitsa. 9 Agnareo de voaozona, satria nandroba Anahy, ry firenena manontolo. 10 Fero ao amin'ny trano fitehirizana ny ampahafolon-karena feno, mba hisy sakafo ao an-dranoko, ary tsapao amin'izao Aho,' hoy Yaveh Tompon'ny maro, 'lehe tsa manokatsa ny varavarav'ny lagnitsa aminareo Aho ary mandraraka fahasoavana eo aminare, mandra-paha tsa misy eitsa ho amin'izay aby iza koa. 11 Hitarogna manohitsa izay manimba ny masom-bolinareo Aho, mba tsa hanimbandrei ny vokatsy ny taninareo. Ireo voalobokareo eny an-tsaha de ho vanona, 'hoy Yaveh Tompon'ny maro. 12 "Ny firenena aby de hikaika agnareo hoe sambatsa, satria ho tany mahafinaritsa agnareo," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 13 "Nahery taminahy ny tarognreo," hoy Yaveh." Saingy hoy agnareo hoe:'Inona ro nifampitaronanay manohitsa Agnao?' 14 Hoy agnareo hoe:'Tsa ilaina ny mpanompo an'Andriamagnitsa. Ina ny tombontsoantsika lehe nitandrigna ireo fangatahiny tsika na nandeha tam-pisaonana teo anatrehan'i Yaveh Tompon'ny maro? 15 Koa zao tsika miantso ny mpirehareha hoe sambatsa. Tsa mahomby foana ireo mpanao ratsy, fa mitsapa an'Andriamagnitsa ary milefa mihintsy."' 16 Sy ateo de nifampitarogna reo izay natahotsa an'i Yaveh. Nifantoka soa Yaveh de nitaigno, ary nosoratana teo anoloany ny boky fahatsiarovana mombandreo izay natahotsa an'i Yaveh sy nanome voninahitsa ny agnarany. 17 "Ho Anahy reo" hoy Yaveh Tompon'ny maro, "fananako sarobidy, amin'ny andro izay hiasako. Hiantra andreo Aho, sahala ny ona raika miantra ny zanany lahy izay manompo anazy. 18 De hanavaka ny ina-marina sy ny ratsy fagnahy ndraika agnareo, eo amin'izay manompo an'Andriamagnitsa sy izay tsa manompo Anazy.