Toko faha 4

1 Fa indro, ho avy ny andro, mandoro sahala ny fatana, sy roso mololo aby reo mpirehareha sy mpanao ratsy. Ho avy ny andro handoro andreo, "hoy Yaveh Tompon'ny maro, "ka hamela izay ho tsa hisy faka sy rantsany izay. 2 Fa ho agnareo izay matahotsa ny agnarako, ny masoandron'ny fahamarinana de hiposaka miaraka amin'ny fanasitranana eny amin'ireo elany. Hivoaka agnareo, ary hitsambikina toa ny zanak'omby hatagny amin'ny fihinanam-bilogna. 3 Amin'izay andro izay de hanitsakitsaka ny ratsy agnareo, satria ho lavnona ambanin'ny faadian-tongotsareo reo amin'ny andro izay hiasako," hoy Yaveh Tompn'ny maro. 4 Tadidio ny fampianaran'i Mosesy mpanompoko izay nomeko anazy tany Horeba ho an'Israely aby, ireo didy sy fitsipika. 5 Indro, haniraka an'i Elia mpaminany Aho mialohan'ny fiavian'ilay andro lihibe sy mampiatahots'i Yaveh. 6 Hamerina ny fon'ny aba ho amin'ny zanaka I, ary ny fon'ny zanaka ho amindreo abany, mba tsa hiaviko ka hamelezako ny tany amin'ny fahavaratsa tanteraka."