Toko faha 2

1 Ary agnareo mpisorona, ho agnareo ity didy ity. 2 "Lehe tsa hitaigno agnareo, ary lehe tsa hametraka izay ao am-ponareo mba hanomezana voninahitsa ny agnarako agnareo,' hoy Yaveh Tompon'ny maro, 'de handefa ozona aminareo Aho, ary hanozona ny fahasoavanareo Aho. Eny tokoa, efa nanozona andreo Aho, satria tsa nataonareo tam-ponareo ny didiko. 3 Indro, hitarogna mafy ny taranakareo Aho, ary hanaparitaka zezika eny amin'ny tavanareo Aho, zezika hatagny amin'ny firavoravoanareo, ary hagnaisotra agnareo hiaraka amin'izay I. 4 De ho fantatsareo fa efa nandefa io didy io taminareo Aho, ary ny fifanekeko de hitohy amin'ireo Levi," hoy i Yaveh Tompon'ny maro. 5 Ny fifanekeko taminy de fiainana sy fiadanana, ary nomeko andreo i; nomeko tahotsa i, ary natahotsa Anahy i, ary nijoro tamin'ny tahotsy ny agnarako i. 6 Fampianarana marina ro tao am-bavany, ary tsa nisy diso teo amin'ny somony. Niaraka tamim-piadanana sy tamim-pahamarinana taminahy i ary niamboho tamin'ny fomba maro tamin'ny ota. 7 Fa ny somotsy ny mpisorona de tokony hanam-pahalalana ary ny vahoaka de tokony hitadia fampianarana hatagny am-bavany, satria mpitondra hafats'i Yaveh Tompon'ny maro i. 8 a agnareo de niala tamin'ny lalana marina. Nahatonga ny maro ho tafintohina amin'ny fanajana ny lalàna agnareo. Nandika ny fanekem-pihavanan'i Levy agnareo," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 9 "Noho izay Iaho koa, de efa nanao agnareo ho tsinontsinona sy ratsy teo alohan'ny vahoaka aby, satria tsa nitandrina ny lalako agnareo, fa koa nampiseho fanavakavahagna tamin'ny fampianarana." 10 Tsa aba tokana ihany ve ro antsika aby? Tsa Andriamagnitsa raika ihany ve ro nahary antsika? Nanina ro isika ona tsiraidraika aby ro kely finoana amin'ny rahalahiny, maniratsira ny faneken'ireo razambentsika? 11 Joda de kely finoana. Raha maharikoriko ro nisy tao Israely sy tao Jerosalema. Fa naniratsira ny fitoerana masin'Yaveh izay teany i Joda, ka nanambady ny zanaka vavin'andriamanin-kafa. 12 Aoka Yaveh hagnalaka andreo lain'i Jokoba ilay liaka izay nanao izay, ilay nifoha sy ilay namaly, na de nitondra fanatitsa ho an'Yaveh Tompon'ny maro ara i. 13 Ataovinareo koa izao: Rakofanareo amin'ny ranomaso ny alitaran'i Yaveh, amin'ny fitomaniana sy fisentoana, satria i de tsa vana mitodika amin'ilay fanatitsa na mandray izay amim-pankasitrahana hatengy an-tananareo. 14 Fa hoy agnareo hoe:" Nanina I ro tsa manao an'izay?" Satria Yaveh de vavolombelogna teo aminareo sy ny vady tamin'ny fahatanoranareo, tamin'izay naha bitika finoana agnareo, na de mpiara-dia aminareo sy vadinareo tamin'ny alalan'ny fifanekena ara i. 15 Tsa natambny ho raika ve reo, miaraka amin'ny silaky ny fagnahiny? Koa nanina agnareo ro nataony ho raika? Satria i de nitadia taranaka avy Andriamagnitsa. Koa ambeno ao amin'ny fagnahinareo ny tenanareo, ary aza tsa mahatoky ny vadin'ny fahatanoranareo. 16 "Fa mankahala ny fitsarahana Aho," hoy Yaveh, Andriamagnits'Israely, "ary ilay manarona ny fitafiany amin'ny herisetra," hoy Yaveh Tompon'ny maro. "Koa ambeno ao amin'ny fagnahinareo ny tenanareo ary aza kely finoana." 17 Nandreraka an'i Yaveh tamin'ny teninareo agnareo. Fa hoy agnareo hoe: "Nanina ro nandrerahanay Anazy?" Tamin'ny fitenenana hoe:" Izay aby manao ratsy de soa eo imasoni Yaveh, ary mankasitraka andreo I," na hoe:" Aia ny Andriamagnitsy ny fahamarinana?"