Toko faha 9

1 Tamin'ny andro fahavalo de nakehin'i Mosesy i Arona sy ny zanany lahy de reo loholon'i Israely. 2 Nitarogna tamin'i Arona i nanao hoe: "Mangalà zanak'ômby hatao fagnatitsa nohon'ny ota, de zanak'ondry tsa misy kilema hatao fagnatitsa doroana, de hatolotsa eo alohan'i Yaveh reo. 3 De agnao mba hitarogna amin'ny vahoakan' Israely ko hanao hoe: 'Mangalà osy lahy hatao fagnatitsa nohon'ny ota de zanak'ômby sy zanak'ondry, samy heritaogna sady tsa misy kilema, ho an'ny fagnatitsa doroana; 4 mangalà koa ômby sy ondry lahy ho an'ny fagnati-pihavagnana mba ho sorogna eo alohan'i Yaveh, de fagnatitsa voamifangaro amin'ny diloilo, satria hiboaka aminao androany i Yaveh. " ' 5 Ko nitondra anireo aby ze nandidian'i Mosesy ho ao amin'ny tragno-lay fihaognana reo, de nagnatogna ny fiangonan'Israely aby de nitsangagna teo alohan'i Yaveh. 6 De nitarogna i Mosesy hoe: "Izao ro nandidian'i Yaveh anaoreo mba hatao, mba hahafan'ny voninahiny miseho minareo." 7 Nitarogna tamin'i Arona i Mosesy hoe: "mandihiana eo agnilan'ny alitara de atoloro ny fagnatitsa nohon'ny otanao sy ny fagnatitsa doroan, de manaova fagnoregnana ho an'ny tegnanao sy ho an'ny vahoaka, de atoloro ho an'ny vahoaka mba hanaovana fagnoregnana ho an-dreo ny sorogna, araka ze nandidian'i Yaveh. " 8 Ko nandeha ndriny ny alitara i Arona de namono ny zanak'ômby hatao fagnatitsa nohon'ny ota, ze ho an'ny tegnany. 9 Natoron'ny zanaka lahin'i Arona tamin'ny rà, de nandroboka ny ratsan-tagnany tagnatiny zay i sady nametraka anizay eo ambonin'ny tandroky ny alitara; avy eo de nagnisy ny rá teo amin'ny fagnambanin'ny alitara i. 10 Neko zay aza, nandoro ny sabora, ny voa, de reo sarak'aty teo ambony alitara hatao fagnatitsa nohon'ny ota araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy i. 11 Ny hena sy ny hoditsa de nodoroany teo ivelan'ny toby. 12 Novonoan'i Arona ny fagnatitsa doroana, de namen'ny zanany lahy anazy ny ràny, ze nahosony tegny amin'ny lafin'ny alitara aby. 13 De namen-dreo anazy isaky ny apahany ny fagnatitsa doroana, miaraka amin'ny lohany, de nandoro anizay teo ambony alitara i. 14 Nanasa ny tao agnatiny sy ny tao amin'ny tongony i de nodoroany teo ambony alitra reo. 20 Nangalaka ny zara zay voarasa reo de nametraka zany teo ambonin'ny tratrany , de nandoro ny sabora teo ambonin'ny alitara i Arona. 21 De Arona nagnevaheva reo tratra sy ny feny havanana ho fagnatitsa ahevaheva teo alohan'i Yaveh , araka ny efa nandidian'i Mosesy. 22 De nanandratsa ny tagnany teo amin'ny vahoaka i Arona de nitso-drano an-dreo; de nidigna avy amin'ny fagnaterana ny fagnatitsa noho ny ota y , ny fagnatitsa dorana , de ny fagnati-pivavahagna . 23 Niditsa tao amin'ny tragno-lay fihaonana i Mosesy sy Arona, avy eo de nienga koa reo ko nitso-dr ano ny vahoaka , de niseho tamin'ny ona aby ny voninahitr'i Yaveh. 24 Nisy afo nienga avy any amin'i Yaveh ko nandevogna ny fagnatitsa dorana sy ny sabora teo ambony alitara. Rehefa nahita zany ny ona aby, de nihiaka reo de nampihohoka ny tavany.