Takilaka faha 10

1 adaba sy Abiho , zanaka lahin'i Arona, de samy nangnalaka ny fitondran'afony, nagnisy afo teo amin'izay, de avy eo didin-kazo magnitsa. Avy eo reo nanolotsa afo tsa nikena teo agnatrehan'i Yaveh, ze tsa nandidiana an-dreo mba hatolotsa. 2 Ko nisy afo nivoaka teo agnatrehan'i Yaveh de nandevogna an-dreo, de maty teo agnatrehan'i Yaveh eo. 3 Sy avy eo i Mosesy nitarogna tamin'i Arona hoe: "Izao ro nirisahan'i Yaveh sy efa nitarogna i hoe: 'Hilaza ny fahamasinako amin'ny ze avy mandriny Anahy Aho. Homem-boninahitsa eo agnatrehan'ny vahoaka aby Aho. ' " Tsa nitarogna na ina na ina i Arona. 4 Nangaika an'i Misaela sy Elzafana, zanaka lahin'i Oziela rahalahin-drain'i Arona i Mosesy, de nitarogna tamin-dreo hoe: "Mandihiana aty de fero egny ivelan'ny toby tsa ho eo agnatrehan'ny tabernakely ny rahalahinareo." 5 Ko nagnatogna mariny an-dreo de nitondra an-dreo vona nanao ny akanjo lava maha-pisorogna an-dreo tegny ivelan'ny toby, araka ny efa nolazain'i Mosesy. 6 Sy avy eo i Mosesy de nitarogna tamin'i Arona sy Eleazara de Itamara, ny zanany lahy hoe: "Aza avela hisaritaka ny ny volo eo an-dohanareo, de aza rovitina ny akanjonareo, mba tsa ho maty agnareo, sady mba tsa hasiaka amin'ni Fiangonana aby i Yaveh. Fa avilao ny havanareo, ny taranak'Israely aby, mba hisaogna amin'ny ze nodoroan'ny afon'i Yaveh. 7 Aoka tsa handeha ivelan'ny fidirana ao amin'ny lay fihaognana agnareo, le tsa zay de ho maty agnareo,satria aminareo ny diloilo fagnosoran'i Yaveh. "Ko nanao araka ny tarognin'i Mosesy reo. 8 Niresaka tamin'i Arona i Yaveh hoe: 9 "Aza misotro divay na raha fisotro mahery, agnao, na ny zanakao lahy ze sisa miaraka aminao, sy efa mandeha agny amin'ny lay fihaognana, mba tsa ho maty agnareo. Ho lalàna maharitsa ho an'ny taranaky ny vahoakanao zay, 10 mba hagnavahana ny masina sy ny tsa masina, de ny maloto sy ny madio, 11 ko mba hapianatsa ny vahoakan'Israely ny lalàna aby ze nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy agnao. " 12 Niresaka tamin'i Arona sy Eleazara de i Itamara, zanany lahy sisa tavela i Mosesy hoe: "Alao ny fagnatitsa hoanina ze tavela avy tamireo fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, de hoano miaraka amin'ny lalivay eo agnilan'ny alitara zay, satria masina indrindra zay. 13 Aoka agnareo hihinana anizay ao amy toerana masina, satria anjaranao sy anjaran'ny zanakao lahy tamin'i fagnatitsa vita tamin'ny afo ho an'i Yaveh zay, fa izay ro nandidiany Anahy ho lazaina aminao 14 Ny tratrany sy ny mihevaheva sy ny feny ze atoro an'i Yaveh, de aoka ho hoaninareo egny amin'ny toerana madio iken'Andriamagnitsa. Agnao sy reo zanako lahy de reo zanako vavy de tokony mihinana ny anjara reo, fa efa nomena ho anjaranao sy anjaran'ny zanakao lahy avy hatamin'ny sorogna ny fagnati-pihanavagnan'ny vahoakan'Israely reo. 15 Ny feny ze hatoro sy ny tratrany ze mihevaheva, de tsy maintsy ferin-dreo miaraka amin'ny sabora natao tamin'ny afo, mba hahevaheva eo agnatrehan'i Yaveh. Ho anao sy ny zanakao lahy miaraka aminao tahaka ny anjara mandrakizay reo, araka ny nandidian'i Yaveh . " 16 Avy eo Mosesy nagnotany momba ny osy natao fanatitsa nohon'ny ota, de nahita fa may zay. ko nasiaka tamin'i Eleazara sy Itamara, zanaka lahin'i Arona sisa tavela i; zaoro nataony hoe: " 17 Nahoana agnareo ro tsa nihinana ny fagnatitsa nohon'ny ota tamin'ny faritsa ny tabernakely, fa zay ro masina indrindra, de efa nomen'i Yaveh agnareo mba hagnesorana ny heloky ny fivondrognana zany, mba ho fagnonerana ho an-dreo teo agnatrehany? 18 Io, ny ràny de tsa noferina tao agnatin'ny tabernakely, ze tokony hohaninareo tao amin'ny faritsa ny tabernakely, araka ny nandidiako." 19 Avy eo Arona namaly an'i Mosesy hoe: " Io , androany ro nanaovan-dreo ny fagnatitsa nohon'ny otany sy ny fagnatitsa doroany eo agnatrehan'i Yaveh, de zao raha zao de nitranga taminahy androany . Lehe nihinagna ny fagnatitsa nohon'ny ota aho androany , moa ve nankasitrahana teo imason'i Yaveh zao?" 20 Sy efa ren'i Mosesy zao , de afapo i.