1
Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh , nanao hoe: "
2
Mitarògna amin'ny vahoakan'Israely , manao hoe; ' Reto aby ny raha-managn'aina ze azonareo hoanina eo amin'ny biby aby ze eto ambonin'ny tany.
3
Afaka mihinana ny biby aby ze mivaky kitro sy magnapody ota agnareo.
4
Na zao aza , na magnapody ota na mivaky ota aza reo biby sasany, de aoka agnareo tsa hihinana anazy reo, de ny biby tahaka ny rameva, satria magnapody ota i fa tsa mivaky kitro. Noho zao de maloto ho anareo ny rameva.
5
Ny hyraka ihany koa , satria namerign'ota i fa tsa mivaky kitro, maloto ho anareo ihany koa zao.
6
Ny bitro, de maloto ho anareo, satria magnapody ota i , fa tsy mivaky kitro .
7
Ny kisoa , neko de mivaky kitro aza , de tsy magnapody ota i , ko maloto ho anareo
8
. Aoka agnareo tsa hihinana amin'ny henan-dreo , na hikasika ny fatin-dreo . Maloto ho anareo reo.
9
Ny biby aby miaigna agnaty ze azonareo hoanina de reo ze managna vombony sy kirany, na ao amin'ny ranomasina na ao amin'ny renirano.
10
Fa reo raha managn-aigna aby ze tsa misy vombony sy kirany ao agnaty ranomasina na ao agnaty renirano de tsa azonareo hoanina, ao agnatin'izay ny ze mihietsika ao agnaty rano sy ny mangn'aigna aby ze ao agnaty rano--aoka ho halanareo reo.
11
Fa aoka hankalaina reo, aoka agnareo tsa hihinana ny henany; de ny fatiny ko tsa hoaninareo sady hoalanareo.
12
Ze aby tsa misy vombony sy kirany ao agnaty rano de aoka tsa ho tiànareo.
13
Reto aby reo vorogna zay tsy maintsy hankalazainareo sy tsa tokony ho haninareo: de ny voromahery, ny voltora
14
, ny papango , ny karazana ankoay aby ,
15
ny karazana goaika aby
16
, ny vorondolo sy ny vorondolo magneno, ny voron-drano , de ny karazana ankoay aby .
17
Aoka agnareo tsa ho tia ny vorondolo kely sy ny vorondolo lihibe , ny manarana hany koa,
18
ny vorondolo fotsy sy ny vorondolo sompitra, ny ibisa,
19
ny vano, ny karazana vagnobe aby, ny takidara, de ny ramanavy koa.
20
Ny bibikely managn'elatsa aby ze mandeha amin'ny tongotsa efatsa de fahavetavetana ho anareo.
21
Afaka mihinana ny bibikely mitsidigna aby ze mandeha amin'ny tongotsa efatsa agnareo lehe magna-tongotsa ambonin'ny faladiany hitsotiany eo amin'ny tany hiany reo.
22
Afaka mihinagna ny karazana valala lihibe, solama, ny valala kely, na ny apanga aby hany koa agnareo.
23
Fa reo bibikely mitsidigna aby zay managna tongotsa efatsa de tsy maintsy hankahalainareo.
24
he mikasika ny fatin'ny raika amindreo agnareo de haloton-dreo biby reo mandrapaharivan'ny andro .
25
Na ia na ia mitsipogna ny raika amin'ny fatin-dreo de tsy maintsy manasa ny fitafiany de miegnina maloto mandra-paharivan'ny andro.
26
Ny biby aby mivaky kitro ze tsa mizara soa na tsa mamadik'ota de maloto ho anareo. Ze mikita anireo de haloto .
27
Ze aby mandeha amin'ny tongony amin'ireo biby aby ze mandeha amin'ny tongotsa efatsa, de maloto ho anareo. Na ia na ia mikitika ny fatiny de haloto mandra-paharivan'ny andro.
28
Na ia na ia mitsimpogna ny fatiny de tsy maintsy manasa ny fitafian-dreo de maloto mandra-paharivan'ny andro. Reo biby reo de haloto ho anareo.
29
Lehe ny amin'ny biby ze mandady amin'ny tany de reto aby ny biby ze haloto ho anareo: ny kionkiona, ny voalavo, ny karazana androngo lihibe aby ,
30
ny katsatsaka, ny anakà, ny androngo, ny androngom-pasika , de ny tagnalahy.
31
Amin'ireo biby mandady aby, de reo biby ze haloto ho anareo. Na ia na ia mikasika an-dreo sy efa maty reo de haloto mandra-paharivan'ny andro.
32
Lehe maty ny sasany amin'ireo ko mitrotraka amin'ny raha, de haloto zao raha zao, na vita tamin'ny hazo, na lamba, na hoditsa, na lamba fisaognana zao. Na ina na ina zay sady na ina na ina apesana anazy, de tsy maintsy aroboka agnaty rano; haloto zay mandra-paharivan'ny andro. De hadio sy avy eo.
33
Ny vilagny tanimanga aby ze hitrotrahany biby maloto ao agnaty na eo aminazy, na ina na ina ao agnatin'ny vilagny de haloto, de tsy maintsy potehinareo zay vilagny zay.
34
Ny hanina aby ze madio sy azo hoanina, kanefa nitrotrahan'ny rano avy hatamin'ny vilagny maloto raika, de haloto. Ze aby mety ho nosotroana tamin'ny vilagny tahaka anizay de haloto.
35
Ze aby nitrotrahany ny fatim-biby maloto de haloto, na lafaoro zay na vilagny fandrahoana. Tsy maintsy potehina zay. Maloto zay ko tokony tsa haloto ho anareo.
36
Ny loharano na famorian-drano hagnangonana ny rano fisotro de hadio hiany lehe misy biby tahaka an'izay mitrotraka ao agnaty. Fa lehe misy ona mikiasika ny fatin'ny biby raika ao agnaty rano, de haloto i.
37
Lehe misy apahany amin'ny fatim-biby maloto de mitrotraka eo amboniny voa famboly, de hadio hiany koa reo voa reo.
38
Fa lehe tondrahana rano ny voa, de lehe misy apahany amireo faty reo mitrotraka eo amireo, de haloto ho anareo reo
39
Rehe misy biby azonareo ho hanina maty, de haloto mandra-paharivan'ny andro ny nikasika ny fatiny.
40
Na ia na ia mihinana amin'io faty io de tsy maintsy manasa ny fitafiany de haloto mandra-pahaivan'ny andro. Ze mitsipogna ny faty tahakan'izao de hanasa ny fitafiany de haloto mandra-paharivan'ny andro.
41
Ny biby aby ze mandady amin'ny tany de hankahalaina; aoka tsa hohanina zao.
42
Ze mandady amin'ny kibony, de ze mandeha amin'ny tongony efatsa, na ny managna tongotsa be reo biby mikisaka amin'ny tany, reo ro tsy azonareo hoanina, satria hankahalaina reo.
43
Aoka agnareo tsa handoto ny tegnanareo amin'ny zava- managnaigna mandady aby; aoka tsa handoto ny tegnanareo amin'ireo agnareo, fa haloto amin'ireo agnareo.
44
Fa aho ro Yaveh Andriamagnits'anareo.Tokony ho tananareo ho masina ny tegnanareo, noho zao, masina, satria masina Aho. Aoka tsa handoto ny tegnanareo amin'ny karazam-biby aby ze mandady amin'ny tany agnareo.
45
Fa Iaho ro Yaveh, ze nitondra anareo niala avy tagny Egypta, mba ho Andriamagnitsareo. Noho zao aoka agnareo ho masina, satria Iaho de masina.
46
zao ro lalàgna momba reo biby, reo vorogna, reo zava-managnaigna aby ze mihietsika ao agnaty rano, de ny biby aby ze mikisaka amin'ny tany,
47
satria tokony hisy fagnavahana eo amin'ny maloto sy ny madio, de eo amin'ny zava-managn'aina ze azo hoanina sy reo zava-managn'aina ze tsa azo hoanina. " '