1
Yaveh nitarogna tamin'i Mosesy,nanao hoe:
2
"Aiao i Arona sy ny zanany lahy miaraka aminazy, ny fitafiana sy diloilo fagnosorana, ny ômbilahy hatao fagnatitsa nohon'ny ota, ny ondry lahy roa, de ny harogna fitoeram-bary tsa misy masirasira.
3
Avondrony eo amin'ny fidiran'ny tragno-lay fihaogna ny fiangonana aby."
4
Ko de nanao ze araka ny nandidian'i Yaveh anazy i Mosesy, de avy nivory teo amin'ny fidirana mandeha agny amin'ny tragnolay fihaognana ny fiangonana.
5
Sy avy eo nitarogna tamin'ny fiangonana i Mosesy hoe: "Izao ro nandidian'i Yaveh ho atao."
6
Noferin'i Mosesy i Arona sy ny zanany lahy de nosasany tamin'ny rano reo.
7
Napanaoviny an'i Arona ny akanjo lava sady narohiny teo amin'ny andilany ny hetsa, nampitafiany tohitegna i sady nasiany efoda tegny aminazy, de narohiny teo amin'ny efoda niaraka tamin'ny lamba voatenona manjinika ko narohy tamin'ny trogna zay.
8
Napetrany teo amin'ny saro-tratra, de tao agnatin'ny saro-tratra ro nasiany ny Orima sy ny tomima.
9
Nametraka ny hamama teo amin'ny lohany i, de tao agnatiny hamama, teo alohany, ro nagnasiany ny takela-bolamena, sy ny diadema masina, araka ny nandidian'i Yaveh anazy.
10
Nandray ny diloilo fagnosorana i Mosesy, ko nagnosotsa ny tabernakely sy ze raha aby tao aminazy de nanokagna anizay ho an'i Yaveh.
11
Nagnamafy ny diloilo impito teo amin'ny alitara i, sady nagnosotsa ny alitara sy ny raha aby tao agnatiny, de ny tavy sy ny faladiany, mba hanokagnana anireo ho an'i Yaveh
12
Nandaraka ny sasany tamin'ny diloilo fagnosorana tamin'ny lohany i Arona i ko nagnosotsa anazy mba hanokagnana anazy.
13
Noferin'i Mosesy ny zanaka lahin'i Arona de napitafian'ny akanjo lava reo. Nandrohy hetra tamin'ny andilany reo sady namogno lamba rongony fotsy tegny an-dohan-dreo, araka ny nandidian'i Yaveh anazy.
14
Nitondra ny omby lahy fagnatitsa nohon'ny ota i Mosesy, de arona sy ny zanany lahy nametraka ny tagnany teo amin'ny lohan'ny ombilahy ze avy noferin-dreo ho agny fagnatitsa nohon'ny ota.
15
Novonoany zay, de nangalaka ny rà sy nametaka anizay tambonin'ny tandroky ny alitara tamin'ny fanondrony i, nagnadio ny alitara,nandraraka ny rà teo amin'ny fagnambaniny alitara, ko nanokagna anizay ho an'Andriamagnitsa mba hanaovanyfagnoregnana ho amizay.
16
Nalainy aby ny sabora tao agnatiny, ny sarogn'aty, sy ny voa roa de ny saborany, sady nandoro ny teo amin'ny alitara i Mosesy.
17
Fa ny omby lahy, ny hodiny, ny henany, sy ny tain-drorohany de nodoroana teo ivelan'ny toby, araka ny nandidian'i Yaveh anazy.
18
Nanolotsa ny ondrilahy ho amin'ny fagnatitsa doroana i Mosesy, fa i Mosesy sy ny zanany lahy de nametraka ny tagnany teo amin'ny lohan'ny ondry lahy.
19
Novonoany zay ko nafafy magnodidigna ny lafin'ny alitara aby ny ràny.
20
Notitehany ny ondrilahy de nodoroana ny lohany sy ny silany de ny saborany.
21
Nosasany tamin'ny rano no ny atiny sy ny tongony, de nandoro aby ny ondrilahy teo amin'ny alitara i.
Izay ro fagnatitsa doroana sady namoaka ny hagnitsa mamerovero zay, fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
22
Avy eo de nanolotsa ondry lahy raika hafa i Mosesy, ny ondry lahy ny fagnamasinana, de i Arona sy ny zanany lahy de nametraka ny tagnany tamin'ny ondrilahy.
23
Novoan'i Aron zay, de nangalaka tamin'ny ràny i Mosesy ko namtraka anizay tamin'ny tendron'ny ravitsofin'i Arona akavagnana, teo amin'ny akibe tagnany akavagnana, sy teo amin'ny akibe-tongony akavagnana.
24
Noferiny reo zanaka lahin'i Arona, sady nametraka ny sasany tamin'ny rà teo amin'ny tendron'ny ravitssofin-dreo akavagnana, teo akibe-tagnan-dreo akavagnana, sy teo akiben-tongon-dreo akavagnana i. Sy avy eo i Mosesy namafy ny ràn'izay magnodidigna ny lafin'ny alitara aby.
25
Nalainy ny sabora, ny rambo matavy, ny sabora aby ze tao agnatiny, ny sarogn'aty, ny voa roa sy ny saboarany, de ny feny havagnana.
26
Avy tamin'ny harogna fitoera-mofo tsa misy lalivay ze teo agnatrehan'i Yaveh, ro ro nangalany ny mofo tsa misy lalivay raika, de mofo nasiana diloilo, sy mofo manify, sady nametraka anireo teo amin'ny sabora sy teo amin'ny fe havagnana.
27
Napetrany tegny amin'ny tagnan'i Arona sy ny tagnan'ny zanany lahy aby reo sady nahevahevany teo agnatrehan'i Yaveh reo mba ho fagnatitsa ahevaheva.
28
De nalain'i Msesy tegny an-tagnan-dreo reo de nodoroany teo amin'ny alitara ho amin'ny fagnatitsa doroana. Re de fagnatitsa fagnamasinana de namoaka hagnitsa mamerovero. Zay ro fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh.
29
Nandray ny tratra sy nagnevaheva anizay hatao fagnatitsa ahevaheva ho an'i Yaveh i Mosesy. Izay ro fizaran'i Mosesy ny ondry lahy ho an'ny fanokagnana ny pisorogna, araka ny nandidian'i Yaveh anazy.
30
Nangalaka tamin'ny diloilo fagnosorana sy tamin'ny rà ze teo amin'ny alitara i Mosesy; nagnamafy anireo tamin'i Arona, tamin'ny akanjony, tamin'ny zanany lahy, sy tamin'ny akanjony zanany lahy i. Tahaka an'izay ro nanokanany an'i Arona sy ny akanjony, de reo zanany lahy sy ny akanjony ho an'i Yaveh.
31
Ko de nitarogna tamin'i Arona sy ny zanany lahy i Mosesy hoe: "apangotraho eo amin'ny fidirana mandeha agny amin'ny tragno-lay fihaognana ny hena, de hano zay sy ny mofo ze ao agnatin'ny haron'ny fagnamasinana, araka ny nandidiako, nanao hoe: 'Hihinana anizay i rona sy ny zanany lahy.'
32
Ze aby sisa amin'ny hena sy ny mofo de aoka hodoroanao.
33
Aza mienga eo amin'ny tragnolay fihaognana ao agnatiny hafitoana agnareo, mandrapahatateraka ny andron'ny fanokagnana anareo. Fa i Yaveh ro hagnamasina anareo amin'ny hafitoana.
34
Ze efa natao tandroany--de nodidian'i Yaveh mba ho vita mba hanaovana fagnoregnana ho anareo.
35
Hitoatsa andro aman'aligna ao amin'ny fidiran'ny tragnolay fihaognana mandritsa ny hafitoana agnareo, sady hitandrigna ny didin'i Yaveh, mba tsa ho maty agnareo, satria zay ro efa nandidian'ny anahy."
36
Ko de nanao anireo raha aby reo ze nandidian'i Yaveh an-dreo tamin'ny alalan'i Mosesy i Arona sy ny zanany lahy.