Toko faha 7

1 Izao ro lalàna amin'ny fagnatitsa nohon'ny heloka. Ze masina indrindra. 2 Aoka reo hamono fagnatitsa nohon'ny heloka eo amin'ny toerana famonoana anizay, de aoka reo hagnaparitaka ny rá isaky ny lafin'ny alitara. 3 Ny sabora aby eo amizay de de hatolotsa: ny rambon'ny matavy, ny sabora ze magnodidigna ny ao agnatiny, 4 ny voa roa sy ny sabora miaraka aminazy, ze mandriny ny valahiny, de ze mandrakotsa ny atiny, miaraka amin'ny voa__de aoka halaina aby zay. 5 Aoka handoro ny faritsa reo eo amin'ny alitara ny pisorogna mba ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Izay ro fagnatitsa nohon'ny heloka. 6 Ny lihilahy tsiraidraika eo amin'ny pisorogna de aoka ny apahany aminio fagnatitsa io. Aoka hoanina eo amin'ny fitoerana masina zay satria masina ndrindra. 7 Tahaka ny fagnatitsa nohon'ny heloka ny fagnatitsa nohon'ny ota . Mitovy ny lalàna mihiantra amireo. Reo de an'ny pisorogna manao fonegnana amin-dreo. 8 Ny pisorogna ze manao fagnatitsa doroan'ny ona de tokony hanagnany hodits'izay sorogna zay ho anazy. 9 Ny fagnatitsa voa aby ze nandrahoana tao agnaty lafaoro, sy ny fagnatitsa tahaka zay aby nindezina tamin'ny lasitra fagnindezana na nandrahoana de ho an'ny pisorogna ze nanolotsa anizay. 10 Ny fagnatitsa voa aby, na maigna na nafangaro tamin'ny menaka, de ho an'ny taranak'i Arona aby hiany koa. 11 Izao ro lalànana amin'ny sorogn'ny fagnati-pihavagnana ze ho hatolotsy ny ona ho an'i Yaveh. 12 Lehe misy magnatitsa anizay mba ho fagnomezam-pisaorana, de aoka i hanolotsa anizay miaraka amin'ny sorogn'ny mofo tsa misy lalivay, kanefa mihosotsa menaka, de ny mofo vita tamin'ny koba soa toto ze nolaroana tamin'ny menaka. 13 Ao agnatin'ny tanjogna fagnomezam-pisaorana hiany koa, de aoka i hanolotsa apemp-mofo nasiana lalivay miaraka amin'ny fagnati-pihavagnany. 14 Aoka i hanolotsa karazany raika amireo fagnatitsa reo ho fagnatitsa hatoro an'i Yaveh. Ho an'ny pisorogna ze naparitaka ny ràn'ny fagnati-pihavagnana teo amin'ny alitara zay. 15 Aoka ny ona ze manoro ny fagnati-pihavagnana mba ho fahomeza-pisaorana hihinana ny henan'ny fagnatiny amin'ny andron'ny sorogna. Aoka tsa hagnisy sisa amizay i zizika maraigna. 16 Fa lehe ho an'ny voody ny sorogn'ny fagnatin'ny, na ho an'ny fagnatitsa an-tsitrapo, de aoka hoanina mandritsa ny andro atirahany ny sorogna hena, fa na ina na ina mety ho sisa amizay de azo hoanina ny apitson'igny. 17 Leko zay aza, na ina na ina henan'ny sorogna tavela amin'ny andro fahatelo de aoka hodoroana. 18 Lehe misy henan'ny sorogna amizay fagnati-pihavagnana nohanina amin'ny andro fahatelo, de tsa ho ekena zay, na ho tanan'ize nanolotsa anazy. Ho raha mahafarikoriko zay, de ny ona ze mihinana anizay de hitondra ny heloky ny otany. 19 ze hena mikasika raha maloto de aoka tsa hoanina. Aoka hodoroana zay. Ny amin'ny sisan'ny hena, de azon'ny ona madio hoanina zay. 20 Neko zay nefa, ze ona maloto mihinana hena avy amin'ny sorony fagnati-pihavagnana ze an'i Yaveh__de aoka zay ona zay halaina eo amin'ny vahoakany 21 Lehe misy ona mikasika raha maloto__ na fahalotoan'olo, na biby maloto, na raha maloto mahafarikoriko hafa, sady lehe mihinana tamin'ny soron'ny fagnati-pihavagnana ze an'i Yaveh i sy avy eo, de aoka zay ona zay halaina eo amin'ny vahoakany 22 De nitarogna tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 23 "Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely de lazao hoe: Aoka agnareo tsa hihinana ny saboran'ny ômby na ondry na osy. 24 Ny saboran'ny biby ze maty tsa tamin'ny sorogna, na ny saboran'ny biby noviravirainy bibidia, de azo apesaina amin'ny raha hafa, fa aoka agnareo tsa hihinana anizay mihintsy. 25 Na ia na ia ona mihinana ny saboran'ny biby ze mety ataon'ny ona ho sorogna natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, de aoka halaina amin'ny vahoakan'ny zay ona zay. 26 Aoka agnareo tsa hihinana rà na avy aminina na avy aminina ao an-dragnonareo, na avy amin'ny vorogna zay na biby. 27 Na ia na ia mihinana rà, de aoka halaina amin'ny vahoaka zay ona zay."' 28 Koa niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh sady nitarogna hoe: 29 "Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely de lazao hoe: 'Aoka hitondra anjara sorogna ho an'i Yaveh ze magnatitsa ny fagnatitsy ny soro-pihavagnana ho an'i Yaveh. 30 Ny fagnatitsa ho an'i Yaveh ze hatao amin'ny afo, de aoka ny tagnany hiany ro hitondra anizay. Aoka i hitondra ny sabora miaraka amin'ny tratra, ko aoka havela ho fagnatitsa ahevaheva ho an'i Yaveh zay. 31 Aoka ny pisorogna handoro ny sabora eo amin'ny alitara, fa ny tratrany de an'i Arona sy taranany. 32 Aoka homenareo ny pisorogna ny feny havagnana ho fagnatitsa atoro ao amin'ny sorony fagnati-pihavagnanareo. 33 Ny pisorogna, raika amireo taranak'i Arona, ze manolotsa ny ràn'ny fagnati-pihavagnana sy ny sabora__de hahazo ny feny havagnana i ho tahaka ny anjarany amin'ny fagnatitsa. 34 Fa efa noraisiko tamin'ny vahoakan'Israely, ny tratran'ny fagnatitsa ahevaheva, sy ny feny ze fandraisana anjara, sady reo de namena an'i Arona sy ny zanany lahy ho anjara mahazatsa ho an-dreo. 35 Izay ro anjaran'i Arona sy ny taranany avy tamin'ny fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, tamin'ny andro ze nanoloran'i Mosesy an-dreo mba hanompo an'i Yaveh amin'ny asa maha pisorogna. 36 Izay ro anjaran'ny ze nandidian'i Yaveh hamena an-dreo avy tamin'ny vahoakan'Israely, tamin'ny andro nagnosorany ny pisorogna. Izay hiany ro anjaran-dreo hatramin'ny taranaka fara-mandimby. 37 Izay ro lalána amin'ny fagnatitsa doroana , amin'ny fagnatitsa voa, amin'ny fagnatitsa nohon'ny ota, amin'n y fagnatitsa nohon'ny heloka, ny fagnati-panokagnana , sy ny soron'ny fagnat-pihavagnana, 38 ze efa nagnomezan'i Yaveh didy an'i Mosesy teo an-tendrombohitsa Sinay tamin'ny andro ze nandidiany ny vahoakan'Israely mba hanolotsa ny sorognan-dreo ho an'i Yaveh tagny an-tany efits'i Sinay."'