1
Nitarogna tamin'i Mosesy i Yaveh nanao hoe:
2
"Lehe misy ona manota ko mandika ny lalàna manohitsa an'i Yaveh, tahaka ny hoe mifampiraharaha ambadikamiaraka amin'ny namany mahakasika ny raha ze nankinina taminazy, lehe mamitaka i na mandroba anazy, na napijaly ny namany,
3
na nahita raha ze novirezin'ny namany ko mandenga amizany, de mianiana amin'ny lenga, na amin'ny raha tahaka ny hanotan'ny ona,
4
de, lehe manota i ko meloka, de tsy maintsy hagnapody, de tsy maintsy hagnapody anize aby nalainy tamin'ny alalany fandrobana na fapahoriana na nangalaka anize nankinina taminazy na raha very ko hita ndraika.
5
Na nandenga tamin'ny raha aby i, de tsy maintsy hagnapody aby anizay sady tsy maintsy hagnampy raika apahadimy hanoloana anizay amin'ny topony, amin'ny andro ze nahameloka anazy.
6
De tsy maintsy hitondra ny fagnatipagnoregnana ho an'i Yaveh i: ondry lahy tsa misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy ze mendrika ny tombam-bidiny, ho fagnati-pagnoregnana ho an'ny pisorogna.
7
Hanao fagnavotana ho anazy eo alohan'i Yaveh ny pisorogna, de ho voavela amize aby nahatonga anazy ho meloka amin'ny nataony i."
8
De nitarogna tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe:
9
"Didio i Arona sy ny zanany, lazao hoe: 'Zao ro lalàny fagnatitsa doroana: Tsy maintsy eo ambony fatagna ny alitara ny aligna manontolo zizika maraigna ny fagnatitsa doroana, de ny afony alitara de avela hirehitsa hiany.
10
Hanao ny akanjo rongony fotsy ny pisorogna, de hanao ny atin'akanjo rongony fotsy hiany koa i. Hangalaka ny lavelogna ze tavela tafaran'ny nandivegnany afo ny fagnatitsa doroana eo ambony alitara i, sady hametraka ny lavelogna eo ambony alitara.
11
Hagnala ny fitafiany i de hapiditsa ny akanjo hafa mba hitondrana ny lavelogna hienga ny toby ho agny amin'ny toerana ze madio.
12
Ny afo eo amin'ny alitara de havela hirehitsa hiany. Aoka tsa hienga zay, de ny pisorogna de handoro hazo eo ambonin'izay isaky ny maraigna. Handamigna ny fagnatitsa doroana araka ny ze takiana aminazy i, Sady handoro ny sabora fagnati-pihavagnana hiany koa i.
13
Avela hirehitsa eo ambony alitara mandrakariva ny afo. Aoka tsa hienga zay
14
ao ro lalany fagnatitsa voa. Hanolotsa anizay eo alohan'i Yaveh mariny ny alitara ny zanaka lahin'i Arona.
15
Hangalaka koba soa toto eraky ny tagnana amin'ny fagnatitsa voa sy amin'ny diloilo de ny diti-kazo magnitsa ze eo ambonin'ny fagnatitsa voa ny pisorogna, de handoro anizay eo ambony alitara mba hamoaka fofogna magnitsa tahaka ny fagnati-pahatsiarovana zay.
16
Hihinana ny ze sisa amin'ny fagnatitsa i Arona sy ny zanany lahy. Tsy maintsy hohanina tsa misy lalivay ao amin'ny fitoerana masina zay. Hihinana ao amin'ny kianjan'ny tragno-lay fihaognana reo.
17
De aza andrahoana miaraka amin'ny lalivay zay. Nameko ho anjaran-dreo amin'ny fagnatitso natao tamin'ny afo zay. Masina indrindra zay, tahaka ny fagnatitsa nohon'ny ota de ny fagnati-pagnoregnana zay.
18
Fa mandritsa ny fotoagna aby hiavian'ny taranakao fara mandimby, ny taranaka lahy sasany avy amin'i Arona de aoka hihinana anizay tahaka ny fizaràny, nalaina avy tamireofagnatits'i Yaveh natao tamin'ny afo. Na ia na ia mikasika anizay de hanjary masina."'
19
Ko nitarogna tamin'i Mosesy ndraika i Yaveh, nanao hoe:
20
"Izao ro fagnatits'i Arona sy ny zanany lahy, ze hamen-dreo an'i yaveh amin'ny andro ze hagnosorana ny zanaka lahy aby: ny apahafolon'ny efaha raika amin'ny koba soa toto hatao fagnatitsa voa fanao mahazatsa, antsasany amizay maraigna de ny antsasany amizay hariva.
21
Ho vita amin'ny menaka agnaty lsitra mofo zay. Sy efa vonto menaka zay, de ho ferinao miditsa. Voaendy ro hanoloranao fagnatitsa voa mba hamoaka hagnitsa malefaka ho an'i Yaveh.
22
Ny zanaka lahin'ny pisorognabe vaovao amin'ny zanany lahy ro hanolotsa anizay. araka ny efa nandidiana hatrizay, de hodoroana ho an'i Yaveh aby zay.
23
Ny fagnatitsa voan'ny pisorogna de horoana aby. Aoka tsa hoanina zay."
24
Nitarogna tamin'i Mosesy ndraika i Yaveh ko nanao hoe:
25
"Mitarogna amin'i Arona sy ny zanany lahy, Manao hoe: "Izao ro lalàn'ny fagnatitsa nohon'ny fahotana de tsy maintsy vonoana eo amin'ny toerana ze namonoana ny fagnatitsa doroana eo alohan'i Yaveh. zay ro masina indrindra.
26
Ny pisorogna ze hanolotsa anizay ho an'ny fahotana de hihinana anizay. Tsy maintsy hohanina agny amin'ny fitoerana masina ao amin'ny kianjan'ny tragno-lay fihaognana zay.
27
Na ia na ia mikiasika ny henan'izay de ho masina, de lehe misy rà mifafy amin'ny akanjo, de tsy maintsy sasana agny amin'ny toerana masina ny faritsa ze nopitihany.
28
Fa ny vilagny tanimanga ze nanpangotrahana anizay de hovakiana. Lehe napangotrahana tagnaty vilagny varahona zay, de aoka hokosehina sy hosasana madio amin'ny rano zay.
29
Ny lihilahy sasany amin'ny pisorogna de mahazo mihinana amizay satria masina indrindra zay.
30
Fa lehe misy fagnatitsa nohon'ny fahotana ko ferina ao amin'ny tragno-lay fihaognana mba hanaovana fagnoregnana ny ràny de aoka tsa hohanina. Aoka hodoroana zay.