1
Lehe misy ona manota satria tsa nijoro i tamin'ny raha ze nilàna ny fijoroany vavolombelogna, nako efa nahita anizay i na nahare ny momban'izay, de ho topon'andraikitsa i.
2
Na lehe misy ona mikasika ny raha efa natokan'Andriamagnitsa ho maloto, na ny fatiny bibidia maloto zay na ny fatim-biby fiompy ze efa maty, na biby mandady, nako de tsa nihievitsa ny hikasika anizay aza ny ona, de maloto sy meloka i.
3
Na lehe mikasika ny fahalotoan'ny ona raika, na ina na ina ze fahalotoany, sady lehe tsa mahafantatsa anizay i, de ho meloka i sy efa mahalala ny momba anizay.
4
Na lehe misy ona mianiana mafy amin'ny molony hanao ratsy, na hanao ny soa, na ina na ina ianiagnan'izay lihilahy zay mafy amin'ny fianiagnana, nako de tsa mahafantatsa anizay aza i, sy efa mahalala ny momba anizay i, de ho meloka, amin'ny aby reo.
5
Lehe meloka amizay ny ona raika, de tsy maintsy miaiky ze heloka aby nataony i.
6
De aoka i hitondra fagnatitsa noho ny heloka amin'ny Yaveh nohon'ny fahotana ze efa vitany, Biby vavy raika avy amin'ny ondry aman'osiny, na zanak'ondry na osy, ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota, de ny pisorogna hanao fagnavotana ho anazy mahakasika ny fahotany.
7
Lehe tsa mahavita mividy zanak'ondry i, de mahazo mitondra domoina roa ana vorimahalala vatony roa ho an'i Yaveh i hatao fagnatitsa nohon'ny heloka nohon'ny fahotany, raika fagnatitsa nohon'ny ota de ny raika hafa hatao fagnatitsa doroana.
8
Aoka i hitondra ny amin'ny pisorogna, ze hanolotsa ny raika aloha ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota__hagnolagna ny lohan'izay i nefa tsa hagnala anizay tanteraka amin'ny vatany.
9
Sy avy eo de hamafy ny apahan'ny amin'ny ràn'ny fagnatitsa nohon'ny ota eo amin'ny ilan'ny alitara i, de handraraka ny sisan'ny rá eo amin'ny fagnambanin'ny alitara i. Izay ro fagnatitsa nohon'ny ota.
10
Magnaraka anizay de aoka i hanolotsa ny vorogna faharoa hatao fagnatitsa doroana, araka ny voafaritsa tao amin'ny torolalagna, de hanao fagnavotana ho anazy nohon'ny ota ze efa vitan'ny pisorogna, ko de ho voavela ny heloky ny ona.
11
Kanefa lehe ohatsa ka tsa mahatakatsa domoigna roa na vorimahilala roa i, hatao sorogna noho ny fahotany de aoaka i hitondra apahafolon'ny efaha amin'ny koba soa toto ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota. Aoka i tsa hagnisy diloilo na ditin-kazo magnitsa amin'izay, satria fagnatitsa nohon'ny ota zay.
12
Aoka i hitondra anizay agny amin'ny pisorogna , de hangalaka raitagnana amizay ny pisorogna hatao fagnatitsa ho fagnati-pahatsiarovana de sy avy eo handoro anizay eo amin'ny alitara, eo an-tapon'ny fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Izay ro fagnatitsa nohon'ny ota.
13
Hanao fagnoregnana ho an'izay fahotana vitan'ny ona ny ona zay. Reo sisa avy amin'ny fagnatitsa de ho an'ny pisorogna, tahaka ny amin'ny fagnatitsa voa."'
14
De nitarogna tamin'ny Yaveh i Mosesy nanao hoe:
15
"Lehe misy ona mandika ny didy sy manota reo raha ze an'i Yaveh, kanefa nanao anizay tsa nahy, de aoka i hitondra ny fagnatiny nohon'ny heloka ho an'i Yaveh. Izay fagnatitsa zay de tsy maintsy ondry lahy tsa misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy; ny lanjan'izay de aoka ho tombagnana amin'ny sekely volafotsy__ny sekelin'ny fitoerana masina__ho fagnatitsa nohon'ny heloka.
16
Aoka i hanao ze mahafapo an'i Yaveh noho ze ratsy efa vitany mifandray amin'ny masina, de aoka i hagnampy amizay sady hagnome anizay ho an'i pisorogna. De hanao fagnoregnana ho anazy amin'ny ondrilahin'ny fagnatitsa nohon'ny heloka ny pisorogna, ko de ho voavela zay ona zay.
17
Lehe misy ona manota sy manao anizay raha efa nodidian'i Yaveh tsa ho atao, nako de tsa mahafantatsa anizay aza i, de vona meloka i ko tsy maintsy hilanja ny helony hiany.
18
Aoka i hitondra ondry lahy raika tsa misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy, ze mendrika ny tombam-bidiny, ho fagnatitsa nohon'ny heloka ho an'ny pisorogna. Avy eo de hanao fagnoregnana ho anazy mahakasika ny fahotana ze efa vitany ny pisorogna, amize tsa fahafantarany, ko de ho voavela i.
19
Izay ro fagnatitsa nohon'ny heloka, de meloka tokoa i eo agnatrehan'i Yaveh."