1
Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe:
2
"Lazao ny vahoakan'Israely hoe: 'Lehe misy ona manota nefa tsa nagniry ny hanota, nanao ny raha aby ze nandidian'i Yaveh mba tsa hatao, de lehe manao raha ze voarara i, de tsy maintsy atao anireto magnaraka reto.
3
Lehe ohatsa ka ny pisorogna be ro manota ko mitondra fagnamelohana eo amin'ny vahoaka, de aoka i hanolotsa vatots'ombilahy lahy tsa misy kilema ho an'i Yaveh hatao fagnatitsa tratsan'ny ota.
4
Aoka i hitondra ombilahy eo amin'ny fidiran'ny tragno ao amin'ny lay fihaognana eo agnatrehan'i Yaveh, hametraka ny tagnany eo amin'ny lohany, sady hamono ny ôkbilahy eo agnatrehan'i Yaveh.
5
Ny pisorogna voahosotsa de hangalaka sombiny amin'ny ràn'ny ombilahy de hitondra anizay ho ao amin'ny lay fihaognana.
6
Nagnatsoboka ny tagnany tamy rà ny mpisorogna ko namafy im-pito azy teo imason'i Yaveh, eo alohan'ny lamba fitoerana masina indrindra.
7
Sy avy eo ny pisorogna de hangalaka amin'ny rà ho eo amin'ny tandroky ny alitaran'ny ditik-kazo magnitsa eo agnatrehan'i Yaveh, ze eo amin'ny lay fihaognana, de handraraka ny sisa ambiny ny rà ny ômbilahy agny amin'ny fagnambaniny alitara i hatao fagnatitsa doroana, ze eo amin'ny fidiran'ny lay fihaognana.
8
Halainy aby ny sabora eo amin'ny omby hatao fagnatitsa nohon'ny ota; ny sabora ze mandrakotsa ny agnatiny, ny sabora aby ze mandrakotsa ny agnatiny,
9
ny voa roa sy ny sabora ze eo aminazy, ze agnilany valahigna, de ny ila atiny miaraka amin'ny voa__hagnala anizay aby zay I.
10
Hoalainy aby zay aby zay, tahaka ny nagnalany anizay aby zay tamin'ny ômby natao fagnati-pihavagnana. Sy avy ny pisorogna de handoro ny apahany eo amin'ny alitara ho fagnatitsa doroana.
11
Ny hoditsy ny omby sy ze hena tavela, miaraka amin'ny lohany sy ny tongony de ny tao agnatiny sy ny zezika ny,
12
ny ambin'ny vatany omby aby__ho ferina ivelany toby aby reo apahany reo ho agny amin'ny toerana ze efa nofidian-dreo ho Anahy, ze nandrarahan-dreo lavelogna; handoro ny apahany eo ambonin'ny kitay reo. Aoka ny apahany reo ho doroan-dreo eo amin'ny nandrarahan-dreo lavelogna.
13
Lehe manota tsy nahy ny fiangonan'Israely aby, sady tsa nahafatatsa ny fiangonana fa nanota reo sady nanao anize nandraran'i Yaveh tsa hatao, sady lehe meloka reo,
14
de sy efa fantatsa ny ota nataon-dreo, de aoka ny fiangonana hanolotsa vatots'omby hatao fagnatitsa nohon'ny ota sady hitondra anizay eo alohan'ny tragno-lay fihaognana.
15
Ny loholon'ny fiangonana de hametraka ny tagnany eo ambony lohany omby alohan'i Yaveh, de ho vonoana eo alohan'i Yaveh ny omby lahy.
16
Ny pisorogna voahosotsa de hitondra sombiny amin'ny rá ny ômby hatao agny amin'ny tragno lay fihaognana,
17
de hagnatsoboka ny tagnany ao amin'ny rà de hagnamafy anizay impito eo alohan'i Yaveh, eo alohan'ny lamba.
18
Hagnosotsa sombiny amin'ny rà eo amin'ny tandroky ny alitara ze eo alohan'i Yaveh i, ze ao amin'ny tragno lay fihaognana, de handraraka ny rà aby eo amin'ny fagnambaniny alitara hatao fagnatitsa doroana, ze eo amin'ny fidirana eo amin'ny tragno lay fihaognana.
19
Hagnala ny sabora ze eo amin'ny alitara.
20
Izay ro aoka hataony amin'ny ômby. Tahaka ny efa natao tamin'ny omby natao fagnatitsanohon'ny ota, ro hataony aminio omby io, de ny pisorogna de hanao fagnavotana ho an'ny vahoaka, ko ho voavela reo.
21
Ho feriny agny ivelany toby ny omby sady handoro anizay tahaka ny nandoroany ny omby voalohany i. Izay ro fagnatitsa nohon'ny ota ho an'ny fiangonana.
22
Sy efa nanota tsy nahy ny panapaka, amin'ny fanaovana ny raika aminy raha aby ze nandidian'i Yaveh mba tsa hatao, ko meloka i,
23
de hapafantarina anazy ny ota ze nataony, aoka i hitondr osy, osilahy tsa misy kilema hatao sorony.
24
Hametraka ny tagnany eo amin'ny lohan'ny osy i sady hamono anizay eo amin'ny toerana ze namonoan-dreo ny fagnatitsa doroana eo alohan'i Yaveh. fagnatitsa nohon'ny ota zay.
25
Ny pisorogna de hangalaka ny rány fagnatitsa nohon'ny ota amin'ny tagnany sady hametraka nizay eo amin'ny tandroky ny alitara hatao fagnatitsa doroana, de handraraka ny ràn'izay eo amin'ny fagnambanin'ny alitaran'ny fagnatitsa doroana i.
26
Ho doroan'ny eo amin'ny alitarany aby ny sabora, tahaka ny sabora tamin'ny soron'ny fagnati-pihavagnana. Ny pisorogna de hanao fagnavotana ho an'ny panapaka mahakasika ny otany, de ho voavela ny panapaka.
27
Lehe misy amireo sarambambem-bahoaka manota tsa nahy, amin'ny fanaovana ny raha aby nandidian'i Yaveh an-dreo tsa hatao, de sy efa fantany ny helony,
28
de ho apafantarina anazy ny ota ze nataony, sady hitondra osy raika, osivavy tsa misy kilema ho sorony, ho an'ny ota ze nataony.
29
Hametraka ny tagnany eo amin'ny lohan'ny fagnatitsa nohon'ny ota i sady hamono ny fagnatitsa nohon'ny ota eo amin'ny toeran'ny fagnatitsa doroana.
30
Ny pisorogna de handray sombiny amin'ny rà amin'ny tagnany de hametraka anizay eo amin'ny tandroky ny alitara ho fagnatitsa doroana. Handraraka ny ambin'ny rà aby eo amin'ny fagnambanin'ny alitara i.
31
Hagnala ny sabora aby i, tahaka ny nagnalany ny sabora tamin'ny fagnati-pihavagnana. Ho doroan'i pisorogna eo amin'ny alitara zay mba hamoaka fofogna magnitsa ho an'i Yaveh. Hanao fagnavotana ho an'ny ona ny pisorogna, de ho voavela i.
32
Lehe mitondra zank'ondry ho ataony sorogna hatao fagnatitsa nohon'ny ota ny lihilahy, de hitondra ondry vavy tsa misy kilema i.
33
Hametraka ny tagnany eo amin'ny lohan'ny fagnatits nohon'ny ota i sady hamono anizay ho fagnatitsa nohon'ny ota eo amin'ny toerana ze hamonoan-dreo ny fagnatitsa doroana.
34
Ny pisorogna de hangalaka sombiny amin'ny ràny fagnatitsa nohon'ny ota amin'ny ratsa-tagnany de hametraka anizay eo amin'ny tandroky ny alitara hatao fagnatitsa doroana, de ho ararany eo amin'ny fagnambanin'ny alitara aby ny rànizay.
35
Hagnala ny sabora aby i, tahaka ny nagnalany ny saboran'ny zanak'ondry tamin'ny sorony fagnati-pihavagnana, de hodoroan'ny pisorogna eo amin'ny alitara eo ambonin'ny fagnatita'i Yaveh natao tamin'ny afo zay. Hanao fagnavotana ho an'azy ny pisorogna nohon'ny ota ze nataony, de ho voavele ny lihilahy.