1
Lehe misy ona malotsa sorogna, ze fagnati-pihavagnana amin'ny raika amireo biby avy amin'ny andian'ômby, na lahy na vavy, de aoka i hagnome biby tsa misy kilema eo alohan'i Yaveh.
2
Hametraka ny tagnany eo an-dohan'ny fagnatiny i sady hamono anizay eo ambaravaran'ny lay fihaognana. De ny zanaka lahin'i Arona hamafy ny rànizay amin'ny lafin'ny alitara.
3
Hanolotsa soron'ny fagnati-pihavagnana amin'ny afo ho an'i Yaveh ny lihilahy. Ny sabora ze mandrakotsa na mifandray amin'ny taovany,
4
ny voa roa sy ny sabora ze eo amin-dreo amin'ny alalan'ny valahin'ny, sady ilainy ny atiny, miaraka amin'ny voan'ny__de halainy aby zay.
5
Ny zanaka lahin'i Arona de handoro anizay eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fagnatitsa doroana, ze eo ambonin'ny kitay efa mirehitsa. Hamoaka hagnitsa malefaka ho an'i Yaveh zay; ho fagnatitsa doroana natao ho an'Azy amin'ny alalan'ny afo zay.
6
Lehe ohatsa ko avy amin'ny ondry aman'osy ny soron'ny fagnati-pihavagnany lihilahy ho an'i Yaveh; na lahy na vavy, de tsy maintsy manolotsa sorogna tsa misy kilema i,
7
Lehe manolotsa zanak'ondry hataoko sorogna i, de tsy maintsy atolony eo alohan'i Yaveh zay.
8
Hametraka ny tagnany eo andohan'ny sorony sy hamono anizay eo alohan'ny lay fihaognana i. De hamafy ny ràny amin'ny sisiny alitara ny zanaka lahin'ny Arona.
9
Hanolotsa ny soron'ny fagnati-pihavagnana ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh ny lihilahy. Ny sabora, ny rambo matavy abiaby de ho tapahina mandriny ny taolan-damigna, de ny sabora ze mandrakotsa ny taovany sy ny sabora aby ze mariny ny taovany,
10
de ny voa roa sy ny sabora ze ao agnatiny, ze ao agnatiny valahin'ny, de ny ila-atiny, miaraka amin'ny voa__de halainy zay aby zay.
11
De handoro anizay aby zay eo amin'ny alitara hatao fagnatitsa doroana hohanina ho an'i Yaveh ny pisorogna.
12
Lehe ohatsa ka osilahy ro fagnatits'ilay lihilahy, de hanolotsa anizay eo alohan'i Yaveh i.
13
Aoka i hametraka ny tagnany eo an-dohan'ny osilahy de hamono anizay mandriny ny lay fihaognana. De hamafy ny ràn'izay amin'ny lafin'ny alitara ny zanaka lahin'i Arona.
14
Hanolotsa ny sorogna natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh ny lihilahy. Hanaisotra ny sabora ze mandrakotsa ny faritsa agnaty i, de ny sabora aby mandriny ny faritsa agnaty.
15
Hagnala ny voa roa sy ny sabora ze miaraka amin'ny i, ze marin'ny ny valahina, de ny ila-atiny miaraka amin'ny voa.
16
Handoro ze aby zay eo ambony alitara hatao fagnatitsa hohanina natao tamin'ny afo ny pisorogna, mba hamoaka hagnitsa malefaka. An'i Yaveh ny sabora aby.
17
Ho lalàna mandrakizay eo amin'ny taranakareo fara mandimby amizay toerana aby honegnanareo zay, de aoka tsa hihinana sabora na rà agnareo."'