1
Lehe misy fagnatitsa voa ho an'i Yaveh, de aoka ho koba soa toto ny fagnatiny, de handraraka diloilo eo amin'izay sy hametraka ditikazo magnitsa eo amin'izay i.
2
Hitondra ny fagnatitsa eo amin'ny pisorogna zazak'i Arona i, de hangalaka koba soa toto eran'ny tagnana miaraka amin'ny diloilo sy ditikazo magnitsa eo amizay ny pisorogna. De handoro ny fagnatitsa eo amin'ny alitara ho fagnati-pahatsiarovana ny pisorogna. Hamoka hagnitsa malefaka ho an'i Yaveh zay; ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'Azy.
3
Ze aby tavela amin'ny fagnatitsa de ho an'i Arona sy ny zanany lahy. Masina tokoa avy amin'ny fagnatitsa ho an'i Yaveh natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh zay.
4
ehe manolotsa fagnatitsa voa tsa misy lalivay zay nandrahoana tamin'ny lafaoro agnao, de aoka ho mofo malemy vita tamin'ny koba soa toto mifangaro diloilo zay, na mofo mafy tsa misy lalivay, ze voahositsa diloilo. Lehe nandrahoana tamin'ny lasitra vy
5
fisaka ny fagnatitsa voa, de aoka ho avy amin'ny koba soa toto tsa misy lalivay ze mifangaro diloilo zay.
6
Hozarainao zay sady handrahoanao diloilo eo aminazy. Izay ro fagnatitsa doroana.
7
Lehe nandrahoana tamin'ny lasitra vy ny voa nao, de aoka hatao amin'ny koba soa toto sy diloilo zay.
8
Aoka hitondra voa natao tamin'ny raha ho an'i Yaveh agnao, sady zay de hatolotsa eo amin'ny pisorogna, ze hitondra anizay eo amin'ny alitara.
9
Avy eo de hangalaka ny sasany amin'ny fagnatitsa voa ho fagnati-pahatsiarovana ny pisorogna, de handoro anizay eo amin'ny alitara i. Ho fagnatitsa natao tamin'ny afo zay, de hahatonga hagnitsa akasitrahana ho an'i Yaveh.
10
Ze ambin'ny amin'ny fagnatitsa hoanina de ho an'i Arona sy ny zanany lahy. Masina de masina hatamin'ny fagnatitsa atao amin'ny afo ho an'i Yaveh zay.
11
Tsa hisy voa ho atolotsa ho an'i Yaveh ko hisy lalivay, satria tsa tokony handoro masirasira, na tantely, ho ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh agnao.
12
Hanolotsa fagnatitsa voaloham-bokatsa ho an'i Yaveh agnao, kanefa tsa hapiasaina hamohana hagnitsa malefaka eo amin'ny alitara reo.
13
Aoka hagnome tsiro tsiraidraika amin'ny fagnatitsa voa amin'ny sira agnao. Aoka tsa hoadigno mihitsy amin'ny fagnatitsa voa ny siran'ny fagniken'Andriamagnitsao. Monolotsa sira amin'ny fagnatitsao aby.
14
Lehe manolotsa fagnatitsa voalohambokatsa ho an'i Yaveh agnao, de manolora voa vaovao ze natono tamin'ny afo sy nopotehina hatao sakafo sy avy eo.
15
De aoka hagnisy ditikazo magnitsa ao amizay agnao. Zay ro fagnatitsa voa.
16
Sady handoro ny ampahan'ny voa voatoto sy diloilo de ditikazo magnitsa hatao fagnati-pahatsiarovana ny pisorogna. Zay ro fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh.