Toko 1

1 Nangaika an'i Mosesy i Yaveh sady nangaika anazy hatagny amin'ny tragno-lay fihiaognana, nanao hoe: 2 "Mitarogna amin'ny vahoakan'Israely ko lazao amin-dreo hoe: 'Lehe misy ona aminareo mitondra fagnatitsa ho an'i Yaveh, de mitondrà raika amin'ny bibinareo hatao fagnatitsareo, na hatamin'ny ondry na hatamin'ny osy. 3 Lehe fagnatitsa doroana avy hatamin'ny ômby ny fagnatiny, de tsy maintsy lahy tsa misy kilema ro atolony. Hanolotsa anizay eo amin'ny fidirana amin'ny tragno-lay fihiaognana i, mba ho akasitrahana eo agnatrehan'i Yaveh zay. 4 Hametraka ny tagnany eo an-dohany fagnatitsa doroana i, de ho akasitrahana any amizay mba ho fagnavotana ho anazy 5 De aoka i hamono ny ômbilahy eo alohan'i Yaveh. Ny zanak'i Arona, ny pisorogna, de hanolotsa rà sady hamafy anizay eo amin'ny alitara eo amin'ny fidirana mandeha ao amin'ny lay fihaognana. 6 De aoka i handotsa ny fagnatitsa doroana sady hanetika anizay. 7 De handrehitsa afo eo amin'ny alitara de hagnisy kitay ko hapirehitsa ny afo ny zanak'i Arona. 8 Ny zanak'i Arona,ny pisorogna, de hametraka ny tetika, ny lohany sy ny saborany, hitandahatsa eo amboniny kitay ze efa mirehitsa eo amboniny alitra. 9 Fa ny tôvany sy ny feny de tsy maintsy sasany amin'ny rano. De handoro ny raha aby eo amin'ny alitara ho fagnatitsa doroana ho an'i pisorogna. Hiteraka hagnitsa malefaka ho an'Ahy zay; ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho anahy zay. 10 Lehe avy amin'ny ondry aman'osy ny fagnatiny ho amin'ny fagnatitsa doroana, de ny raika amin'ny ondry na ny raika amin'ny osy, de tsy maintsy lahy tsa misy kilema ro hatolony. 11 Aoka hamono anizay eo amin'ny lafy avaratsy ny alitara eo agnatrehan'i Yaveh i. Ny zanak'i Arona, ny pisorogna, de hamafy ny rànizay amin'ny lafin'ny alitara aby. 12 De aoka i hanetika anizay, miaraka amin'ny lohany sy ny saborany, de ny pisorogna handahatsa anireo eo amin'ny kitay efa mirehitsa, ze eo ambonin'ny alitara, 13 nefa aoka ho sasàny amin'ny rano ny taovany sy ny feny. De hanolotsa anazy manotolo ny pisorogna, sady handoro anizay eo amin'ny alitara. Izay ro fagnatitsa doroana, de hiteraka hagnitsa malefaka ho an'i Yaveh zay; ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho Anazy zay. 14 Lehe fagnatitsa doroana vorogna ny fagnatiny ho an'i Yaveh, de tsy maintsy mitondra domoina na zana-borimahilala hatao fagnatiny i. 15 Tsy maintsy mitondra anizay eo amin'ny alitara ny pisorogna, mariny ny lohany, sady mandoro anizay eo amin'ny alitara. de araraka eo amin'ny alitara ny ràn'izay. 16 Tsy maintsy halainy ny takorobabon'izay sy ny raha ao agnatiny, de hariany agnilany alitara eo atsinaninany zay, eeo amin'ny toerany lavelogna. 17 Tsy maintsy hamoha anizay hateo amin'ny elany i, nefa tsa azo zarainy roa zay. De handoro anizay eo amin'ny alitara ny pisorogna, eo amin'ny kitay efa mirehitsa. Ho fagnatitsa doroana zay, sady hiteraka hagnitsa malefaka ho an'i Yaveh zay, ho fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'Azy zay.