Toko faha 26

1 Aoka agnao tsa hanao ny sampy, na hanangagna sarin-draha voasikotsa na tsangam-bato masina, de aoka agnareo tsa hametraka sary vato voasikotsa ao amin'ny taninareo mba hiankohofanareo, fa Iaho ro Yaveh Andrimagnitsareo. 2 Aoka hitandrigna ny Sabatako sy hagnome voninahitsa ny fitoerako masina agnareo. Iaho ro Yaveh. 3 Lehe magnaraka ny lalàko sy mitandrigna ny didiko sady mankato anizay agnareo, 4 de hagnome oragna anareo amin'ny vanipotoagnan'ny Aho; hagnome ny vokatsy ny tany, de ny hazony saha hagnome ny voany. 5 De ny famofohambary de hitohy amin'ny fotoagnan'ny filana ny voaloboka, de hihitatsa hatragny amin'ny fotoa-pambolena ny voka-boaloboka. Hihinana ny mofonareo mandra-pahavoky agnareo de hiaigna am-pilamignana agny amize nataonareo fonegnana ao amin'ny tany. 6 Hagnome fiadagnana ao amin'ny Aho; hatory miaraka amin'ny raha tsa mapatahotsa anareo agnareo. Hamongotsa ny biby mandoza amin'ny tany Aho, de tsa handalo amin'ny taninareo ny sabatsa 7 Hagnenjika ny fahavalonareo agnareo, De higietraka eo alohanareo eo alohanareo amin'ny alalan'ny sabatra reo. 8 Dimy aminareo handodotsa zato, de ny zato aminareo handodotsa ray aligna; higietraka eo alohanareo amin'ny alalany sabatra ny fahavalonareo. 9 Hijery anareo amim-pakasitrahana Aho sady hapamokatsa ro hapitombo isa anareo; hametraka ny fagnikeko aminareo Aho. 10 Hihinana ny hanina voatahiry amin'ny fotoagna maharitsa agnareo. tsy maintsy hamoaka ny hanina voatahiry agnareo satria hilainareo ho an'ny vokatsa vaovao ny efitsa. 11 Hametraka ny tabernakeliko eo aminareo Aho, sady tsa hankahala anareo Aho. 12 Handeha eo aminareo Aho sady ho Andriamagnitsareo, de agnareo ho oloko. 13 Iaho ro i Yaveh Andriamagnitsareo ze nitondra anareo nienga avy hatagny amin'ny tany Egypta, mba tsa ho andevon-dreo agnareo, nanapaka ny hidiny zioganareo Aho de napandeha anareo mihintsy. 14 Fa lehe tsa hieno anahy agnareo, sady tsa hankato ny didiko aby, 15 sady lehe mandà ny didiko sy tsa te ny lalàko, de tsa mankato ny didiko aby agnareo, fa hivadihanareo ny fagnikeko--- 16 ---lehe manao anireo raha reo agnareo, de hanao anizao aminareo Aho: Hampisy horohoro eo aminareo Aho, aretina sy tazo ze hanimba ny maso sy hanimba ny ainareo. Hamboly ny voa ho raha tsa misy agnareo, satria ny fahavalonareo ro hihinana ny voany. 17 Hagnandrigna ny tavako hanohitsa anareo Aho, de hanjakany fahavalonareo tanteraka agnareo. Hanapaka anao ny lihilahy ze tsa te anareo. de hilefa agnao, neko de tsa misy mandodotsa anao aza ndreko raika 18 Lehe tsa mihieno ny didiko agnareo, de hagnafay am-pasahiana anareo impito nohon'ny fahotanareo Aho. 19 Handrava ny avognavognareo agnatin'ny herinareo Aho. Hanao ny lagnitsa eo amboninareo ho tahaka ny vy Aho de ny taninareo tahaka ny varahogna. 20 Hampiasaina amin'ny raha tsa misy ny tanjakareo, satria tsa hamokatsa ny vokany ny taninareo, sady ny hazo eo amin'ny tany de tsa hamokatsa ny voany. 21 Lehe mandeha manohitsa Anahy agnareo sady tsa mihieno Anahy, hitondra familezana im-pito avo heny eo aminreo Aho, araka ny fahotanareo. 22 Handefa ny biby mandoza eo aminareo Aho, ze hangalatsa ny zanakareo, hamotika ny biby ompianareo, sady hahavitsy isa anareo. Ko hanjary mahery ny lalanareo. 23 Neko de eo aza zay raha zay ko vona tsa magneky ny fagnitsiako hiany agnareo sady mandeha manohitsa Anahy hatragny, 24 de handeha hanohitsa anareo hiany koa Aho, de Iaho mihitsy ro hagnamafy anareo im-pito noho ny fahotanareo. 25 Hitondra sabatra eo aminareo Aho ze hagnatatirahako ny famaliana tratsan'ny fivadihana tamin'ny fagnikeko. Hovoriako miaraka ao an-tanànareo agnareo, de handefa aretina eo aminareo agny Aho, de hatolotsa ho eo antagnan'ny fahavalonareo agnareo. 26 Sy efa ho tapahako ny vatsy sakafonareo, de appela folo de hahavita hagnendy ny mofonareo ao agnaty lafaoro raika, de hizara ny mofonareo ara-danja reo. Hihinana agnareo fa tsa ho afampo. 27 Lehe tsa mihieno Anahy agnareo de eo aza reo raha reo, fa vona mandeha manohitsa Anahy hatragny agnareo, 28 de handeha hanohitsa anareo hatragny amimpahasiahana Aho, sady hagnafay anareo im-pito avo heny mihoatsa nohon'ny fahotanareo. 29 Hihinana ny nofon'ny zanakareo lahy agnareo ; hihinana ny nofon'ny zakareo vavy agnareo. 30 Hanadrava ny fitoeranareo ambony Aho, hanapaka ny alitara ny didikazo magnitsa, de hagnary ny fatinareo eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, de Iaho mihintsy ro hankahala anareo. 31 Hamadika ny tanànanareo ho faharavana Aho de handrava ny fitoeranareo masina. Tsa ho faly amin'ny hagnitsý ny fatinareo Aho. 32 Handrava ny taninareo Aho. Ny fahavalonareo ze mitoatsa agny de ho gaga amin'ny faharavana. 33 Hagnaparitaka anareo manerana ny tany Aho, de hanoaka ny sabatro sy hagnaraka anareo Aho. Havela eo ny taninareo, sady ho ravana. 34 De hahita ny sabatany tany mandritsy ny handreny ho lao sady ho ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo agnareo. Mandritsa anizay fotoagna zay, hiegnina ny tany ko hitè ny Sabatany. 35 Lehe vona matory ho lao zay, de hanagna fitsaharana, ze fitsaharana tsa hazany tamin'ny Sabatanareo, Sy efa mitoatsa ao agnareo, 36 De ny amin'ny sasany aminareo ze navela agny amin'ny tanin'ny fahavalonareo, de handefa tahotsa ho amin'ny fonareo Aho ko nako de ravigna notsiofiny rivotsa aza de hanaitsa anareo, de de hilefa tahaka ny milefa sabatra agnareo. Higietraka agnao, neko de tsa misy na ia na ia mandodotsa anao aza. 37 Hasisiaka eo amin'ny tsirairay tahaka ny milefa sabatra agnareo, neko de tsa misy na ia na ia aza mandodotsa anareo. Tsa hanagna hery hitsanganana mandriny ny fahavalonareo agnareo. 38 Ho maty agny amin'ny firenena agnareo. sady handrapaka anareo ny tanin'ny fahavalonareo. 39 Reo ze sisa tavela de ho very ao agnatiny fahotan-dreo, ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo, de nohon'ny heloky ny razamben-dreo de hihaosa reo. 40 Fa lehe magneky ny fahotany sy ny fahon'ny razambeny reo, sy ny famadihana ze tsa natokisana taminahy, sady ny fandihianana manohitsa Anahy__ 41 zay ro nahatonga Anahy hivadika amin-dreo de nitondrako an-dreo tagny amin'ny tanin'ny fahavalony---lehe mietry ny fo tsa voaforan-dreo, sady lehe magneky ny famaizako ho an'ny fahotany reo, 42 de ho tsaroako ny fagnikeko niaraka tamin'ny Jakoba, de ny fagnikeko niaraka tamin'i Abrahama; ho tsaroako hiany koa ny tany. 43 Havelan-dreo ny tany, de ho faly miaraka amin'ny sabatany ze mandriatsa ny handreny ho lao tsa misy an-dreo. Ko tsyu maintsy hanohitsa ny otany reo satria reo mihintsy ro nandà ny fitsipiko sy nankahala ny lalàko. 44 Fa neko de eo aza zay aby zay, sy efa agny an-tanin'ny fahavalony reo, de tsa hagnary an-dreo Aho, na hankahala anazy ko handrava tanteraka sy hagnafoagna ny fagnikeko niaraka tamin-dreo, fa Iaho ro Yaveh Andriamagni-dreo. 45 Fa ho tsaroako ho an-dreo ny fagnikeko ze nataoko tamin-dreo niaraka tamin'ny razamben-dreo, ze noferiko nienga hatagny amin'ny tany Egypta teo imason'ny firenena, mba ho Andriamagnin-dreo Aho.Iaho ro Yaveh.'' 46 Reo ro didy, fitsipika, de lalàna ze nataon'i Yaveh teo Aminazy sy ny vahoakan'Israely tagny an-tendrombohits'i Sinay tamin'ny alalan'i Mosesy.