1
Nitarogna tamin'i Mosesy Yaveh ko nanao hoe:
2
"Mitarogna amin'i vahoakan'Israely ko lazao an-dreo hoe: 'Lehe misy ona manao voady miaraka amin'i Yaveh, de apesao ny btombam-bidy mifagnaraka amizay.
3
Ny fenitsy ny tombanao ho an'ny lahy manomboka amin'ny roapolo ko zizika amin'ny enipolo taogna de tsy maintsy sekely volafotsy dimapolo, araka ny sekely fitoerana masina.
4
Ho an'ny vavy amizay taogna zay hiany de sekely telopolo ny fenitsy ny tombanao.
5
y fenitsy tombanao dimy ko hatramin'ny roapolo taogna de tsy maintsy sekely roapolo, de ho an'ny vavy de sekely folo.
6
Ny fenitsy ny tombanao ho an'ny lahy ray volagna hatramin'ny dimy taogna de tsy maintsy sekely volafotsy dimy, de sekely volafotsy telo ho an'ny vavy.
7
Ny fenitsy ny tombanao ho an'ny lahy enipolo taogna ro ho miakatsa de tsy maintsy sekely dimy ambin'ny folo, de ho an'ny vavy sekely folo.
8
Nefa lehe tsa afaka mandoa ny fenitsy ny tombagna ny ona manao voady, de tsy maintsy atoro agny amin'ny pisorogna ny ona atolotsa, de hanombagna zay ona zay amin'ny vidiny zanakiny manao voady ny pisorogna.
9
Lehe misy ona magniry hanao sorogna biby ho an'i Yaveh, de lehe ikien'i Yaveh zay, de ho voatokagna ho anazy zay biby zay.
10
Aoka ny ona tsa hagnova na hamadika biby tahaka anizay, ny soa ho amin'ny ratsy ko ny ratsy ho amin'ny soa. Lehe mapifamadika biby hafa ho amin'ny biby raika hafa i, de samy ho masina zay na ny raika ze napifamadihina taminazy.
11
Fa zao, lehe ohatsa ko maloto ny nanaovana voady ho an'i Yaveh, mba tsa ho eken'i Yaveh zay, de tsy maintsy hitondra ny biby agny amin'ny pisorogna ny ona.
12
Hanombagna anizay ny pisorogna, araka ny tombagna ivarotana ny biby. Na ina na ina tombagna apetraky ny pisorogna amin'ny biby,de zay ro ho tombany.
13
Lehe magniry ny hagnonitsa anizay ny tompony de magnampy avo dimy heny ny tombam-bidiny ao amin'ny vidim-pagnavotana anizay.
14
Sy efa manokagna ny tragnon'ny fagnomezana masina ho an'i Yaveh ny lihilahy raika, de hanombagna anizay ny pisorogna na ho soa na ho ratsy. Na ina na ina anombagnany pisorogna anizay, de zay ro izy.
15
Nefa lehe magniry ny hagnavotsa anizay ny tompony ze nanokagna ny fonegnany, de tsy maintsy magnampy raika apaha-diminy ao amin'ny idi-pagnavotana anizay i,ko ho anazy zay.
16
Lehe manokagna ny sasany amin'ny taniny hiany ny lihilahy raika, de ho arakaraka ny lanjan'ny voa ilaina ambolena amizay ro ho ho tombam-bidiny_vary Hordea raika homera ho tombagna sekely volafotsy dimapolo.
17
Lehe ohatsa ko manokagna ny sahany amin'ny taonjobily i, de hiegnina amizay hiany ny tombam-bidiny.
18
Kanefa lehe manokagna ny sahany afaran'ny taon-jobily i, de aoka hokajian'ny ny pisorogna ny tomban'ny saha araka ny isan'ny taogna sisa man-drapiavin'ny taon-jobily magnaraka, de tsy maintsy hahegna ny tombanizay.
19
Lehe magniry hagnavotsa ny saha ny lihilahy ze nanokagna anizay, de tsy maintsy magnampy ny raika apahadimin'ny tombam-bidiny i, de ho anazy zay.
20
Lehe tsa hagnavotsa ny saha kanefa i, na efa namidiny tamin'ny olok'afa ny saha, de tsa azo avotana koa zay.
21
Fa zao, ny saha, sy efa avoaka amin'ny taon-jobily, de ho fagnomezana masina ho an'i Yaveh zay, tahaka ny saha ze efa natolotsa tanteraka ho an'i Yaveh. ho an'i pisorogna zay.
22
Lehe manokagna saha ze efa novidiany ny lihilahy raika, kanefa tsa anisany tanindrazagna zay saha zay,
23
de vinavinainy pisorogna ny tombam-bidiny zay hatramin'ny taon-jobily, ko tsy maintsy aloany lihilahy ho fagnomezana masina ho an'i Yaveh ny tomban'izay amizay andro zay.
24
Amin'ny taon-jobily, de hipody agny amin'ny lihilahy ze nividianana anizay ny tany, agny amin'ny tompony tany.
25
Ny tombambidy aby de tsy maintsy atao araka ny lanjan'ny sekelin'ny fitoerana masina. Tsy maintsy gera roapolo ro mifandraika amin'ny sekely raika.
26
Tsa misy mahazo manokagna ny voalohan-teraka amin'ny biby, satria ny voalohan-teraka de efa an'i Yaveh;
27
Lehe ohatra ka biby maloto zay, de mahazo mividy anizay amin'ny tombam-bidiny ndraika ny tompony, de tsy maintsy magnampy ny raika apaha-dimin'ny ny tombanizay. Fa lehe tsa avotsa kosa ny biby, de ho amidy amin'ny tombany voatondro zay.
28
tsa misy raha ze atokan'ny lihilahy raika ho an'i Yaveh, avy amize aby anagnany, na olombelogna na biby, na ny tanin-drazany, ko afaka amidy na avotana. ze aby natokagna de masina indrindra ho an'i Yaveh.
29
Tsa misy vidim-pagnavotana azo aloa ho an'ny ona ze voatokagna ho amin'ny faharavana. Tsy maintsy vonoana zay ona zay.
30
Ny apahafolon'ny vokatsa aby ny tany, na voly egny amin'ny tany zay na vokatsa avy amin'ny hazo, de an'i Yaveh. Masina ho an'i Yaveh zay.
31
Lehe hagnavotsa ny ampahafolom-bokatsy ny lihilahy raika, de tsy maintsy magnampy avo dimy heny amin'ny tombani'zay i.
32
Lehe ny amin'ny ampahafolon'ny ômby na ondry, na ina na ina mandalo eo ambanin'ny tsorakazon'ny piandry ondry, na raika apahafolon'izay de tsy maintsy atokagna ho an'i Yaveh.
33
Aoka tsa hitadia ny biby na soa na ratsy ny piandry, aoka i tsa hapifamadika anizay. Lehe ohatsa ka manakalo anizay i, de samy masina aby na zay na ny natakalony. Tsa azo avotana zay.' ''