1
Niteny tamin'i Mosesy tagny an-
tendrombohitsan'i Sinay Yaveh, nanaohoe:
"
2
Mitarogna amin'ny vahoakan'Israely de
lazao amin-dreo hoe: 'Lehefa mandeha
amin'ny tany ze omeko anareo agnareo,
de aoka mba hitandrigna ny sabata ho an'i
Yaveh ny tany
3
Aoka agnao hamboly eo amin'ny
sahanao mandritsa ny enin-taogna, de
mandritsa ny enin-taogna de aoka agnao
handrantsagna ny tanim-boalobokao de
hagnangona ny vokatsa.
4
Fa amin'ny taogna
fahafito, de aoka ho tandrovigna ny andro
Sabatan'ny fitsaharana magnetriketrika ho
an'ny tany, Sabata ho an'i Yaveh. Aoka
agnao tsa hamboly agny amin'ny sahanao
na handrantsagna ny tanim-boalobokao.
5
Aoka agnao tsa hanao fijinjana voarindra
amin'ny raha aby magniry ho anazy,
de aoka agnao tsa hanao fijinjana
voarindra amin'ny voaloboka aby
ze mitombo eo amin'ny voalobokao zay
tsa voarantsagna. Ho taom-pitsaharana
magnetriketrika ho an'ny tany zay.
6
Ze magniry eo amin'ny tany tsa niasàna
mandritsa ny taognan'ny Sabata ro ho
sakafonao. Agnao, ny mpanomponao
lahy sy vavy, ny mpanompo karamainao
de ny vahiny ze monigna miaraka
aminao ro aoka hagnangona hanina,
7
de
ny biby fiompianao sy ny bibi-dia ro aoka
hihinagna ze aby vokarin'ny tany.
8
Aoka agnao hagnisa Sabata fito amin'ny
taogna,zany hoe, im-pito isaky ny fito
taogna, mba hisy Sabata fito taogna, sivy
amby efapolo taogna ny fitambarany.
9
De
aoka agnao hitsoka anjomara mafy na aia
na aia amin'ny andro fahafolon'ny volagna
fahafito. Amin'ny Andron'ny Fagnavotana
de aoka agnao hitsoka anjomara
manerana ny teninao aby.
10
Aoka agnao hanokana ny taogna fahadi-
mampolo ho an'i Yaveh de hagnambara ny
hafanana manerana ny tany amin'ny mpo-
niny aby. Ho Jobily ho anao zay, ze
tsy maintsy hagnapodianana ny fanagnana sy ny andevo agny amin'ny fianakaviany.
11
Ho jobily ho anao ny faha dimapolo taogna. Aoka agnao tsa hamboly na hitondra famirana voalamigna. Mihinana ze raha aby mitsiry ho azy, de vorio ze voaloboka mitombo eo amin'ny tanimboaloboka tsa mirantsagna.
12
Fa Jobily, ze ho masina ho anao zay. Aoka agnao hihinana ny vokatsa ze mitsiry ho anazy ivelan'ny saha. ,
13
Aoka hagnapody ny tsiraidraika agny amin'ny
zara-taniny hiany agnao amin'izay
taognan'ny Jobily zay.
14
Lehe mivarotsa
tany amin'ny namanao agnao na mividy
tany amin'ny namanao agnao na mividy
tany avy agny amin'ny namanao, de aoka
agnareo tsa hifamitaka na hifanao ratsy.
15
Lehe mividy tany amin'ny
namanao agnao, hivero ny isan'ny taogna sy ny vokatsa azo ilaina mandra-piavin'ny Jobily magnaraka. De ny namanao koa mba hievitsa anizay.
16
Ny haben'ny taogna mandra-piaviany Jobily magnaraka ro hapitombo ny lanjany tany, de ny havitsian'ny isan'ny taogna mandra-piavin'ny Jobily magnaraka ko hapihegna ny lanja. Satria ny isan'ny vokatsa ho vokarin'ny tan'ny ho an'ny tompony vaovao de mifandraika amin'ny isan'ny taogna mialohan'ny Jobily magnaraka.
17
Aoka agnareo tsa hifamitaka na hifanao ratsy; fa zao; aoka agnao hagnome voninahitsa an'Adriamagnitsao, fa Iaho ro Yaveh Andriamagnitsao.
18
Noho izay de aoka agnao hakatò ny didiko, hitandrigna ny lalàko, de hagnatanteraka anireo. De hitoatsa ao amin'ny tany apilamignana agnao.
19
Hagnome ny vokatsy ny tany, de hihinana agnao ko ho voky sady hitoatsa aompilamignana ao.
20
Mety hitarogna agnao hoe: " Ina ro hoaninay mandritsiny taogna fahafito? Ty, tsa afaka mamboly na mamory ny vokatsa agnay."
21
Handidy ny fitahiako aho mba ho avy aminareo amin'ny taogna fahenina, de hamokatsa vokatsa ampy mandritsy ny telo taogna zay.
22
Hamboly agnao amin'ny taogna fahavalo de hanohy hihinana avy tamin'ny vokatsa teo taloha sy ny hanina voatahiry. mandra-piaviny taogna filana amin'ny taogna fahasivy, de afaka hihinana avy amin'ny vatsy voatahiry tamin'ny taogna taloha agnao.
23
Aza mba amidy amin'ny tompo vaovao ny tany, satria Anahy ny tany. Vahiny aby agnareo sady ponina mandalo amin'ny taniko.
24
Aoka agnao handinika ny zony fagnavotana ho an'ny tany aby ze hazanao; aoka agnao hamenla ny tany hapody hovidian'ny fianakaviana ze novidianao zay.
25
Lehe avy mahantra ny Israelita namanao de noho zay antony zay ro hivarotany ny sasany ny fanagnany, de mety ho avy ny havany marìny indrindra de hividy ny fanagnana ze namidiny taminao.
26
Lehe tsa mana-kavagna mba hagnavotsa ny fanagnany ny lihilahy raika, kanefa lehe ambinina i ko managna fahafahana hagnavotsa ny fanagnany,
27
de hikajy ny taogna hatramin'ny nivarotana ny tany sy nagnoregnana ndraika ny fandanjana tamin'ny ona ze nivarotana anizay i. De hipody agny amin'ny fanagnany hiany i.
28
Fa lehe ohatra ko tsa afaka mipody agny amin'ny tany ho anazy hiany i, de hiegnina ho fanagnan'ny ona nividy anazy hatramin'ny taogna Jobily hiany ny tany.Amin'ny taognan'ny Jobily, de hipody agny amin'ny lihilahy ze nivarotsa anizay ny tany, de ny tena tompony hipody amin'ny fanagnany.
29
Lehe mivarotsa tragno amin'ny tanàna mimanda ny lihilahy raika,de mety hividy anizay ndraika agnatin'ny taona rai-manontolo i afaran'ny nahalafo anizay. Fa mandritsany taogna ry manontolo de managna zon'ny fagnavotana i.
30
Lehe tsa avotsa agnatiny taogna ray manontolo ny tragno, de ho fanagnana mandrakizay ho anize nividy anizay ny tragno ao amin'ny tanàna mimanda, zizika amin'ny taranaka fara mandimby. De tsa hipody zay tragno zay amin'ny taogna Jobily.
31
Fa ny tragno ny vohitsa ze tsa misy manda magnodidigna an-dreo de hipody ho takany sahan'ny tany. hagnavotana reo, de tsy maintsy hipody mandritsy ny taogna ny Jobily.
32
Neko zay aza, ny tragnon'ny Levita ao amin'ny tanànan-dreo de ho avotsa amin'ny fotoagna aby.
33
Lehe tsa magnavotsa ny tragno ze namidiny ny raika amin'ny Levita, de tsay maintsy hipody amin'ny taognan'ny Jobily ny tragno ze namidiny tao an-tanàna nisy anazy, fa fanagnan-dreo amin'ny vahoakan'Israely ny tragnon'ny tanànan'ny Levita.
34
Fa ny saha magnodidihna ny tanàna de tsa azo amidy satria fagnana rekitsin'ny Levita zay.
35
Lehe manjary mahantra ny piray tanindrazagna aminao, ko tsa afaka mamokatsa ho anazy koa i, de aoka agnao agnampy anazy tahaka ny nagnampenao ny vahiny na ona raika ze mitoatsa tahaka ny mpivahiny eo aminao.
36
Aza mangalaka tombony aminazy na magnandragna magnararaotsa anazy amin'ny fomba aby, fa magnomeza voninahitsa ny Andriamagnitsao mba ho afaka hiaigna aminao ny ralahinao reo.
37
Aza mampin-drambola anazy sady aza mangalaka zana-bola anazy aminazy koa, na mivarotsa aminazy ny haninano mba hazahoana tombony.
38
Iaho ro Yaveh Andriamagnitsao, ze nitondra anao nienga hatagny amin'ny Egypta, mba hafahako magnome anaony tany Kanana, de hahatonga Anahy ho Andriamagnitsao.
39
Lehe manjary mahantra ny piray tanin-drazagna aminao ko mivarotsa ny tegnany aminao, aoka agnao tsa hapiasa anazy tahaka ny andevo.
40
Ataovo tahaka ny mpanompo karamaina i. aoka i ho tahaka ny ona ze miaigna miaraka aminao amin'ny fotoagna voafetsa. Hanompo hiaraka aminao hatramin'ny taogna Jobily i.
41
Sy avy eo i de hiala aminao, I sy ny zanany ze miaraka aminazy, de hipody agny amin'ny fianakavian'ny sy ny fanagnan-drainy i.
42
Fa mpanompo noferiko avy tagny amin'ny tany Egypta reo. Tsa hamidy tahaka ny andevo reo.
43
Aoka agnao tsa hitondra an-dreo amin-karatsiana, fa aoka agnao hagnome voninahitsa ny Andriamagnitsao.
44
Lehe ny amireo andevo lahy sy vavy, ze azonao alaina avy amin'ny firenena ze mitoatsa magnodidigna anao, de afaka hividy andevo hatamin-dreo agnao.
45
Afaka mividy andevo hatamin'ny vahiny ze mitoatsa eo aminao hiany koa agnao, de ze avy amin'ny fianakaviana ze miaraka aminao, kilonga ze teraka tao amin'ny taninao. Hanjary fanagnanao reo.
46
Hamokatsa andevo tahaka ny ze ho lova ho an'ny zanakao afara, mba ho tanana ho fanagnana agnao. Avy ami-ndreo mandrakariva ro hividianano ny andevona, fa aoka agnao tsa hitondra an-kery ny rahalahinao amin'ny vahoakan'Israely.
47
Lehe manjary mpanakareo ny vahiny na ny ona ze miaigna miaraka aminao amin'ny fotoagna voafetsa, de lehe manjary mahantra ny raika amin'ny Israelita namanao ko mamarotsa ny tegnany amizay vahiny zay, na amin'ny ona ao amin'ny fianakavian'ny vahiny,
48
sy efa voafidy ny Israelita namanao, de afaka vidiana ndraika i. Hagnavotsa anazy ny raika amin'ny fianakaviany.
49
Mety ho rahalahin-drainy ny ona, na zanan-dralahin-drainy, ro magnavotsa anazy, na ona ze havany marìny hatamin'ny fianakaviany. Na , lehe manjary panakarena i, de afaka magnavotsa ny tegnany.
50
Aoka i hifagnaraka amin'ny ona ze nividy anazy; aoka i hagnisa ny taogna manomboka ny taogna nahalafo anazy tamin'ny mpividy anazy ko zizika amin'ny taogna Jobily. Aoka ny vidin'ny fagnavotana anazy ho eritsiretina miaraka amin'ny taham-bidin'ny mpanompo nokaramaina, ho an'isan'ny taogna hanohizany miasa ho an'ny nividy anazy.
51
Lehe vona misy taogna betsaka mandrapiaviny taognan'ny Jobily, aoka i hipody handoa sandambola tahaka ny vidin'ny fagnavotana ze mifandanja amin'ny isan'ny taogna.
52
Lehe ohatsa ka taogna kely sisa mandrapiavin'ny taognan'ny Jobily, de tsy maintsy mifagnaraka amin'ny pividy anazy i mba hahitana ny isan'ny sisa ambiny mialohan'ny taognan'ny Jobily, de aoka reo hagnefa ho an'ny fagnavotany mifagnaraka amin'ny isan'ny taogna.
53
Hatao tahaka ny lihilahy karamaina i.aoka ho azonao antoka fa tsa hitondra anazy amin-kery tokoa agnao.
54
Lehe tsa avotsa amizay i, de aoka i hanompo zizika amin'ny taogna ny Jobily, reo sy ny zanany miaraka aminazy.
55
Aminahy de panompo ny vahoakan'Israely. Mpanompoko ze noferiko hatagny amin'ny tany Egypta reo. Yaho ro Yaveh Andriamagnitsao." '