Toko faha 24

1 Natarogna tamin'i Yaveh, nanao hoe: 2 " Baikony ny olon'Israely mba hiton- dra diloilo tsa mifangaro vita tamin'ny oliva ho anao mba ampiasaina amin'ny fanilo, mba hirehitsa mandrakariva ny jiro. 3 Arona de tsy maintsy mamela ny jiro hirehitsa hiany ao ivelan'ny lamba fana- konana eo agnatrehan'ny didim-panekena ao amin'ny tranoy-lay fihaognana, manomboka ny hariva mandra-parain'ny andro. Ho lalàna maharitsa hatramin'ny taranan-dreo vahoakanareo zay. 4 Ny mpisorognabe de tsy maintsy mitandrigna ny jiro hirehitsa hiany eo agnatrehan'i Yaveh, ny jiro eo amin'ny fitoeran-jiro volamena tsa misy fangarony. 5 Aoka agnao hangalaka koba manify de ha- gnendy mofo roa ambin'ny folo amin'izay. Tsy maintsy misy roa ampahafolon'ny efaha isaky ny mofo. 6 Avy eo agnao de hi- zara an'izay ho andalagna roa, enina amin'ny andalagna raika, eo ambonin'ny latabatsa vita tamin'ny volamena tsa misy fangarono. 7 Aoka agnao hametraka ditin-kazo magnitsa madio isakin'ny andalana mofo ho fagnati-pahatsiarovana. Io ditin-kazo magnitsa io de ho dorana ho an'i Yaveh. 8 Isaky ny Sabata ny mpisorogna avo de tsy maintsy mametraka mandrakariva ny mofo eo agnatrehan'i Yaveh ho an'ny olon'Israely, mba ho famantarana ny fagnekena tsy manam-pahataperana. 9 Io fagnatitsa io de ho an'i Arona sy ny zanany lahy, de hohanin-dreo eo amin'ny toerana ze masina zay, satria ampahany aby tamin'ny fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. '' 10 De nisy zanaka vavy Israelita raika, ze Egiptiana no rainy, nanadeha teo amin'ny vahoakan'Israely. Io zanakalahin'ny apela Israelita io de niady tamin'ny Israelita raika tamin'ny toby. 11 Niteny ratsy ny agnaran'i Yaveh sy nagnozogna an'Andriamagnitsa io zanaka lahin'ny apela Israelita io, ko noferin'ny vahoaka tamin'i Mosesy i Sabomita ro agnaran'ny reniny, zanaka vavin'i Dibry, avy amin'ny fokon'i Dana 12 Notazomin-dreo tam ponja i mandra-pitenin'i Yaveh I tegnany ny sitrapony amin-dreo. 13 De nitarogna tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe: 14 "Alao ny lihilahy ze nagnozogna an'Andriamagnitsa tao ivelan'ny toby. Ze mandre anazy de tsy maintsy mametraka ny tagnan-dreo eo amin'ny lohany, de aoka ny fiangognana raika manontolo hitora-bato anazy. 15 Aoka agnao hagnazava amin'ny olon'Is raely de hitarogna hoe: " Ze abiaby ma- gnozogna ny Adriamagnitsany de tsy maintsy mizaka ny helony. 16 I ze miteny ratsy ny agnaran'i Yaveh de tsy maintsy ho vonoana tokoa. Tsy maintsy hitora-bato anazy tokoa ny fiangognana manontolo, na vahiny i na tera-tany Israelita. Lehe misy ona miteny ratsy ny agnaran'i Yaveh, de tsy maintsyvonoana i. 17 Lehe misy ona mamono ona hafa, de azo antoka fa tsy maintsy ho vonoana i. 18 Lehe misy ona mamono ny bibin'ny ona raika hafa, de tsy maintsy magnonitsa anizayi, aigna solon'ny aigna. 19 Lehe misy olagna mandratsa ny mpiara-mognina aminazy, de tsy maintsy atao aminazy ze nataony tamin'ny mpiara- mognina aminazy: 20 Fahatapahana solon'ny fahatapahana, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify. Satria nandratsa ona i, de tsy maintsy atao aminazy koa zay. 21 Ze abiaby mamono biby raika de tsy maintsy manognitsa anizay, de ze abiaby mamono ona de tsy maintsy vonoana. 22 Aoka agnao hanagna lalàna mitovy ho an'ny vahiny sy ny tera-tany Israelita, fa Iaho ro Yaveh Andriamagnitsao." ' 23 Ko niresaka tamin'ny olon'Israely i Moskkesy, de noferin'ny ona nienga tao ivelan'ny toby i lihilahy zay, zay nagnozogna an'i Yaveh zay, Notorahin-dreo tamin'ny vato i. Ny vahoakan'Israely de nanao arakan'ny ze nandidian'i Yaverh an'i Mosesy.