Toko faha 23

1 Yaveh nitarogna tamin'i Mosesy hoe: 2 "Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely, de mitarogna amin-dreo hoe: 'Reto aby ny firavoravoana voatendry ho an'i Yaveh, ze masina; reo ro firavoravoako mahazatsa. 3 Afaka miasa ny enin'andro agnareo, fa ny andro fahafito de sabata fitsaharana tanteraka, fiombognana masina. Aoka agnareo tsa hiasa satria sabata ho an'i Yaveh amin'ny toerana aby ze hitoeranareo zay. 4 Reto aby ny firavoravoana voatendry ho an'i Yveh, de reo fiombognana masina ze tsy maintsy lazainareo amin'ny fotoagnan'ny voatondro: 5 Amin'ny volagna voalohany, amin'ny andro fahaefatsy ny volagna amin'ny takariva, ro Paskan'i Yaveh. 6 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo io volagna io hiany ny firavoravoan'ny Mofo tsa misy Masirasira ho an'i Yaveh. Mandritsa ny fito adro agnareo de tsy maintsy mihinana mofo tsa misy masirasira 7 Ny andro voalohany de hatokanareo mba hivoriana miaraka; tsa hanao ny asa mahazatsa anareo agnareo. 8 Hanolotsa fagnatitsa hoanina ho an'i Yaveh agnareo mandritsy ny fito andro. Ny andro fahafito de andro fiombognana natokagna ho an'i Yaveh, de aminio andro io agnareo de oka tsa hanao ny asa mahazatsa." ' 9 Yaveh nitarogna tamin'i Mosesy, ko nanao hoe: 10 " Mirisaha amin'ny olon'Israely de mitarogna amin-dreo hoe: ' Sy efa avy ao amin'ny tany homeko anareo agnareo, de sy efa mijinja ny vokatsizay agnareo, de tsy maintsy mitondra ny amboaran'ny voalohambokatsizay ho an'ny mpisorogna. 11 Hanandratsa ny amboara eo agnatrehan' i Yaveh i de hanolotsa anizay ho Anazy, fa ho ankasitrahana eo aminareo zay. Amin'ny andro afaran'ny sabata ro anandratan'ny mpisorognazay hanolorany anizay ho anahy 12 Amin'ny andro ze hanandratanareo ny amboara sy hanolorana anizay ho Anahy, de tsy maintsy manolotsa zanak'ondry lahy raika heritaogna sy tsa misy kilema ho fagnatitsa doroana ho an'i Yaveh agnareo. 13 Ny fagnatitsa voa de tsy maintsy koba manify roa ampahafolon'ny efaha mifangaro menaka, fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, mba hamoaka hagnitsa ankasitrahana, de divay fagnatitsa sotroana, raika apahefatsy ny hina miaraka amizay. 14 Aoka agnareo tsa hihinana mofo, na vary nindezina na tsotra, mandra-piaviany andro nitondranareo anio fagnatitsa io ho an'Andriamagnitsareo. Ho lalàna raikitsa amin'ny taranak'ireo vahoakanareo, amin'ny toerana aby hitoeranareo zay. 15 Manomboka amin'ny andro afaran'ny sabata__ze andro nitondranareo ny amboaran'ny fagnatitsa ahevaheva__de magnisà fito herignandro feno. 16 Hagnisa dimampolo andro, ze andro afaran'ny Sabata fahafito agnareo. Sy avy eo de tsy maintsy hanolotsa fagnatitsa vary vaovao ho an'i Yaveh. 17 Tsy maintsy hitondra mofo roa natao tamin'ny roa ampahafolon'ny efaha aby any an-dragnonareo agnareo. Aoka ho vita amin'ny koba tsara toto sy mofo misy lalivay reo; ho fagnatitsa voaloham-bolana ahevaheva ho an'i Yaveh reo. 18 Tsy atolotsanareo miaraka amin'ny mofo reo zanak'ondry lahy fito herintaogna sy tsa misy kilema, vantotr'ombilahy raika, de ondrilahy roa. Tsy maintsy atao fagnatitsa dorana ho an'i Yaveh, miaraka amin'ny fagnatitsa voan-dreo sy ny fagnatiny sotroana reo, fagnatitsa ze natao tamin'ny afo ka mamoaka hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh. 19 Tsy maintsy magnome osilahy raika hatao fagnatitsa nohon'ny heloka agnareo, de zanak'ondry lahy roa heritaogna ho an'ny sorogna, hatao fagnati-pivavahana. 20 Ny mpisorogna de tsy maintsy magnevaheva an-dreo miaraka amin'ny mofon-dreo voaloham-bokatsa eo anatrehan'i Yaveh, de manolotsa andreo ho anazy mba ho fagnatitsa miaraka amin'ny zanak'ondry roa. Amin-dreo mpisorogna , ny fagnatitsa masina ho an'i Yaveh. 21 Amin'io andro io hiany agnareo de tsy maintsy manao fagnambarana. Hisy fiombognana masina , ko tsa hanao ny asa mahajatsa agnareo. Ho lalàgna raikitsa amin'ny taranan-dreo vahoakanareo amin'ny toerana aby honegnanareo zay. 22 Lehe mijinja ny vokan'ny taninareo agnareo , de tsa tokony hijinja tanteraka ny zoron'ny sahanareo , de tsa tokony hagnangogna ze trotraka amin'ny vokatsareo . Aoka havelanareo ho an'ny mahantra sy ho an'ny vahiny reo . Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo." ' 23 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 24 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely de mitarògna hoe: ' Amin'ny volagna fahafito, ny andro voalohan'izay volagna zay de ho fitsaharana magnetriketrika ho agnareo, fahatsiarovana miaraka amin'ny fitsofana trompetra, de fiombognana masina . 25 Aoka agnareo tsa hanao ny asa mahazatsa , de aoka agnareo hanolotsa sorogna natao tamin'ny afo ho an'ny Yaveh." ' 26 De niresaka tamin'ny Mosesy Yaveh , nanao hoe: " 27 De amin'ny andro fahafolon'izay volagna fahafito zay ro Andron'ny Fagnavotana. Ho fiomboognana masina zay, agnareo de tsy maintsy manetry ny tegnanareo sady manolotsa fagnatitsa natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 28 Aoka agnareo tsa hiasa amin'io andro io satria Andron'ny Fagnavotana zay, mba ho fagnavotana ho an'ny tegnanareo eo agnatrehan'i Yaveh Andriamagnitsareo. 29 Ze tsa magnetry ny tegnany amin'io andro io de tsy maintsy alàna avy eo amin'ny olony 30 Na ia na ia miasa amin'io andro io, Iaho, Yaveh, de handrava anazy eo amin'ny olony. 31 Aoka agnareo tsa hanao asa amin'io andro na ina na ina zay. Ho lalàna raikitsa amin'ny taranan-dreo vahoakanareo amin'ny toe- ragna honegnanareo zay. 32 Zay andro zay de tsy maintsy ho sabata fitsaharana magnetriketrika ho anareo, de agnareo de tsy maintsy magnetry ny tegnanareo amin'ny andro fahasivin'ny volagna amin'ny hariva. Manomboka amin'ny hariva ko hatramin'ny hariva agnareo de hankalaza ny Sabatanareo." 33 Yaveh niresaka tamin'i Mosesy', nano hoe: " 34 Miresaha amin 'ny olon'Israely, manao hoe: ' Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo ny volagna fahafito ro ho Firavoravoan'ny Fialofana ho an'i Yaveh. Haharitsa fioto andro zay. 35 Amin'ny andro voalohany de tsy maintsy misy fiombognana masina. Aoka agnareo tsa hanao ny asa mahajatsa. 36 Mandritra ny fito andro agnareo de tsy maintsy manolotsa sorogna natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Amin'ny andro fahavalo de tsy maintsy hisy fiombognana masina de tsy maintsy manao sorogna amin'ny afo atolotsa ho an'i Yaveh agnareo, Fiombo- gnana magnetriketrika zay, ary agnareo de aoka tsa hanao ny asa mahajatsa. 37 Ny ro firavoravoana voatendry ho an'i Yaveh, ze tsy maintsy ambaranareo ho fiombognana masina mba hagnolorana sorogna natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, fagnatitsa dorana sy fagnatitsa vary, sorogna sy fagnatitsa sotroana, ny tsirai-draika samy amin'ny androny aby. 38 Ny firavora- voana reo de hiampy ny Sabatan'i Yaveh sy ny fagnomezanareo, ny voadinareo aby, de ny fagnatitsanareo an-tsitrapo ze homenareo an'i Yaveh. 39 Momba ny Firavoravoan'ny Fialofana, amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volagna fahafito, sy efa voavorinareo ny vokatsy ny tany, de tsy maintsy tandremanareo io firavoravoan'i Yaveh madritsa ny fito andro io. Ny andro voa- lohany de ho fitsaharana magnetriketrika, de ny andro fahavalo hiany koa de ho fitsaharana magnetriketrika. 40 Amin'ny andro voalohany agnareo de tsy maintsy mangalaka ny vokatsa soa indrindra avy amin'ny hazo agnareo, sampan'ny hazo rofia, sy sampagna be ravigna ao amin'ny ala mikitroka, de hazo malahelo eny amin'ny loharano , de hifaly eo agnatrehan'i Yaveh Andriamagnitsareo mandritsa ny fito andro agnareo. 41 Mandritsa ny fito andro isan-taogna, de tsy maintsy mankalaza io firavoan'i Yaveh io agnareo , Ho lalàgna raikitsa amin'ny taranan-dreo vahoakanareo amin'ny toerana aby honegnanareo zay,. Tsy maintsy hankalaza io firavoravoana io agnareo amin'ny volagna fahafito. 42 Aoka agnareo honina amin'ny fialofana kely mandritra ny fito andro. Ny Israe- lita tera-tany aby de tsy maintsy honina amin'ny fialofana kely mandritsa ny fito andro, 43 mba ho afaka hianatsa ny fomba namponegnako ny olon'Israely tamin'ny fialofana tahaka an'izay lehefa notarihiko niala ny tany Egipta reo taranakareo, ny taranaka mifandimby. Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo. " ' 44 Tamin'izay fomba zay , ro nagnamba- ran'i Mosesy tamin'ny olon'Israely reo firavoravoana voiatendry ho an'i Yaveh.