Toko faha 22

1 Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: 2 '' Miresaha amin'i Arona sy reo zanany lahy, tarogno reo mba hitandrigna ny raha masin-dreo zanak'Israely, fa voatokana ho anaha reo. Aoka tsa hanimbazimba ny Agnarako masina reo. Iaho ro Yaveh. 3 Tarogno anazy reo hoe: ' Lehe misy amireo taranakareo amin'ny fara aman-dimbinareo mandriny ny raha masina ze efa voatokan'ny zanak'Israely ho an'i Yaveh, kanefa maloto i, de aoka ho fongorina eo agnatrehako zay ona zay: Iaho ro Yaveh 4 Tsy misy amin-dreo taranak'i Arona ze managna aretik'oditsa mifindra, na aretina mikoriana amin'ny ràny tsy an-kijanona avy any amin'ny vatany , ko afaka hihinagna ny sorogna natao ho an'i Yaveh ambaram-pahadio anazy. Ze mikasika ny raha maloto na mifandray amin'ny maty, na amin'ny fifandraisana amin'ny lihilahy ze mandeha tsirinaina tsy ankijanona, 5 na ny mikasika ny biby mikisaka ze mampaloto anazy, na karazana loto ina zay na ina_ 6 ko ny mpisorogna ze mikasika ny raha maloto aby de haloto mandrapaharivan'ny andro. Aoka tsy hihinagna ny amin-reo raha masina aby i , lehe tsa efa nampandro ny tegnany tamin'ny rano. 7 Sy efa miletika ny masoandro de hadio i. Afaran'ny filitehan'ny masoandro i ro afaka hihinana amin'ny raha masina, satria sakafony reo. 8 Aoka i tsa hihinana ny raha tsa hitany maty na novonoan'ny bibi-dia ze handotoany ny tegnany. Iaho ro Yaveh . 9 Aoka ny mpisorogna hagnaraka ny fampianarako, fa nge ho meloka amin'ny ota reo ko ho maty amin'ny fanimbazimbana Anahy. Iaho ro Yaveh ze magnamasina anireo 10 a misy ona ivelan'ny fianakavian'ny mpisorogna, anisan'izay ny vahin'ny mpisorogna na ny mpanompo mpikarama, afaka hihinana ny raha masina aby. 11 Kanefa lehe mividy amin'ny volan'ny manokagna ny mpisorogna, ze andevo ze afaka ny hihinana amireo raha ze voatokagna ho an'i Yaveh. Ny fikambagnan'ny fianakavian'ny mpisorogna sy ny andevo teraka tao an-dragnony, reo hiany koa de afaka hihinana ny raha reo miaraka aminazy. 12 Lehe ny zanaka vavin'ny mpisorogna ro manambady ona tsa mpisorogna, de tsa afaka ny hihinana amireo anjara fagnatitsa masina i. 13 Fa lehe mpitondra tegna ny zanaky ny mpisorogna, na nisara-bady, sady lehe tsa manam-bady i, ko mipody mitoatsa amin'ny tragnon-drainy tahaka ny tamin'ny fahazazany, de afaka ny hihinana ny hanin-drainy. Fa tsa misy ona ze tsa ao agnatin'ny fiankavian'ny mpisorogna afaka ny hihinana amin'ny hanin'ny mpisorogna. 14 Lehe misy ona mihinana tsy nahy ny hanina masina, de aoka i hanohitsa anizay amin'ny mpisorogna; aoka i hagnampy raika am-pahadimin'ny sady hagnapody anizay agny amin'ny mpisorogna. 15 Aoka ny zanak'Israely tsa hametaveta ny raha masina ze efa nasandratsa ambony sy natolotsa ho an'i Yaveh, 16 sady tsa hampitondra ny tegnan-dreo ny fahotana ze magnameloka an-dreo amin'ny fihinana ny hanina masina, fa iaho ro Yaveh ze magnamasina anireo. 17 Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: 18 "Mirisaha amin'ny Arona sy ny zanany lahy, de amin'ny zanak'Israely aby. Tarogno an-dreo hoe: 'Ny Israelita aby , na vahiny mitoatsa ao Israely, sy efa manolotsa sorogna reo__na hagnatanteraka voady zay, na fagnatitsa antsitrapo, na hatolotsan-dreo amin'i Yaveh ny fagnatitsa doroana, 19 lehe ankasitrahana zay , de aoka reo hanolotsa biby fiompy lahy tsa misy kilema, ondry,na osy. 20 Nefa aoka agnareo tsa hanolotsa ze mana-kilema.Tsa hankasitra ze aminareo Aho. 21 Ze aby manolotsa ny fagnati-pihavagna hatamin'ny ômby na ondry ho an'i Yaveh mba hagnatantirahana voady, na fagnatitsa antsitra-po, de tsa tokony ho kilemaina zay mba ho ankasitrahana. Aoka tsa hisy biby manan-kilema. 22 Aoka tsa hanolotsa biby jamba, sembagna, na kilema, na ze misy fahabokana, marary, na ferena agnareo. Aoka tsa hanolotsa anireo ho amin'i Yaveh ho sorogna avy hatamin'ny afo eo amin'ny alitara agnareo. 23 Afaka amanolotsa ômby raika na zanak'ondry ze sampogna na kely hatao fagnatitsa antsitrapo agnareo, nefa ny fagnatitsa tahaka anizay de tsa ho ankasitrahana ho voady 24 a manolotsa biby voatorotoro, potika, rovidrovitsa, na vosotsa ho an'i Yaveh. Aza manao anizay ao amin'ny taninareo. 25 Aoka agnareo tsa hanolotsa ny mofon'ny Andriamagnitsareo hatamin'ny tagnany vahiny. Reo biby reo de sapogna sady kilema , tsa ho ankasitrahana ho anareo.'' ' 26 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh de nanao hoe: 27 "Sy efa teraka ny omby na ny ondry na ny osy, de tsy maintsy miegnina hafitoana miaraka amin'ny reniny zay. De manomboka amin'ny andro fahavalo, de azo ankasitrahana ho fagnatitsa natao amin'ny afo ho an'i Yaveh zay. 28 Aza mamono omby vavy na ondry vavy miaraka amin'ny zanany, ao agnatin'ny ndraik'andro. 29 Sy efa manao fagnati-pisaorana ho an'i Yaveh agnareo, de aoka hanao sorogna ze amin'ny fomba azo ikena. 30 Aoka hohanina amin'ny andro nanaovana sorogna anazy zay. Aoka tsa hisy avelanareo ho tra-maraigna zay. Iaho ro Yaveh. 31 Koa aoka hitandrigna ny didiko sy hagnantateraka anireo agnareo. Iaho ro Yaveh. 32 Aoka tsa hagnamavo ny Agnarako masina agnareo. Aoka ho ekena ho masina eo amin'ny zanak'Israely Aho. Iaho ro Yaveh ze magnamasina anareo, 33 Ze nitondra anareo nienga avy tagny Egypta mba ho andriamagnitsareo: Iaho ro Yaveh. "