1
Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Mosesy: "Mirisaha amin'ny mpisorogna, ny zanaka lahin'i Arona, de lazao reo hoe: 'Aoka tsa hisy neko raika aminareo ko handoto ny tegnany ho nohon'ny amin'ny ze maty eo amin'ny olony,
2
afa-tsy ny havany mariny anazy--ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny ralahany,
3
na ny anabaviny virijiny ze miantehitsa amin'ny, ambara-panagnany vady__fa mety handoto ny tegnany nohon'ny aminazy i.
4
Saingy aoka tsa handoto ny tegnany amin'ny olon-kafa i ko handoto ny tegnany.
5
Aoka ny pisorogna tsa hagnaratsa ny lohany na hagnaratsa ny sisin'ny volom-bavany, na hanetika ny tegnany.
6
Aoka ho masina amin'ny Andriamaniny, satria ny pisorogna romagnome ny fagnatitsa hohanina ho an'i Yaveh, ny mofon'ny Andriamagnitsan-dreo. Noho zay aoka ho masina ny mpisorogna.
7
Aoka reo tsa hanambady ny apela ze mivaro-tegna sy maloto, de aoka
tsa hanambady apela nisara-bady reo, satria reo de voatokagna ho an'Andriamagnin-dreo.
8
Hatokanareo i, satria i ny manolatsa mofo ho an'Andriamagnitsareo. Aoka ho masina amin'areo i,satria Aho, Yaveh ze magnamasina anareo, de masina.
9
Ny zanaka vavin'ny pisorogna ze mandoto ny tegnany amin'ny fahasalamana ho mpivaro-tegna manalabaraka ny rainy. De aoka ho dorana izy.
10
Ze mpisoronabe eo amin'ireo rahalahiny , ze efa nandrarahana diloilo fagnosorana teo amin'ny lohany, de ze efa nohamasinina hitafy ny akanjo voatokagna ho an'ny mpisoronabe, de aoka tsa hampisarakorako ny volony ny handrovitsa ny akanjony.
11
Aoka tsa handeha egny amin'ny ze misy fatin'ona i ko handoto ny tegnany, na ny rainy na ny reniny aza.
12
Aoka ny mpisoronabe tsa handao ny faritry ny fitoerana masin'ny tabernakely na hanimbazimba ny fitoerana masin'ny andriamaniny, satria efa nohamasinina ho mpisorognabe tamin'ny alalan'ny fagnosorana ny diloilon'ny Andriamaniny i. Iaho ro Yaveh.
13
Aoka ny pisorognabe hangalaka vady virjiny.
14
Aoka i tsa hanambady pitondrategna, apela nisara-bady, na apela mpivaro-tegna. Tsa hanambady anize karazan'apela zay i. Virijiny avy amin'ny olony hiany ro azony vadiany,
15
ko tsa handooany ny zanany eo amin'ny vahoakany, satria Iaho ro Yaveh, ny magnamasigna azy. " '
16
Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe:
17
"Mirisah amin'i arona de tarogno anazy hoe: 'Ze aby managna kilema ara-batagna amin'ny taranakareo sy ny fara mandimbin-dreo, de aoka i tsa hagnatogna ko hanolok'anina ho an'ny Andriamaniny.
18
Aoka tsa hagnatogna an'i Yaveh ny ona aby ze managna kilema ara-batagna, tahaka ny ona jamba na ona tsa afaka mandeha, ze simba tarehy na sembagna,
19
ny onany ze manan-takaitsa ny tagnany na ny tongotsa,
20
ny ona ze misy vovoka ao andamosiny na kazaotina na fohy, na ona misy takaitsa ny masony, na misy aretina, na areti-maso, lagaly, na ze vihy torotoro.
21
Tsa misy ona eo amin'ny taranak'i Arona pisorogna managna kilema ara-badagnako mandriny mba hagnatateraka ny fagnatitsa ao amin'ny afo ho an'i Yaveh, Ny ona managna kilem ara-batagna tahaka anizay; de aoka i tsa handriny ko hanolotsa mofo ho an'Andriamaniny.
22
Afaka mihinagna ny haninan'ny Andriamaniny i, na ny sasany amin-dreo masina indrindra na sasany amin-dreo masina.
23
Na de zay aza, aoka tsa hiditsa agnaty lamba fagnakonana na handriny ny alitara i, satria manan-kilema ara-batana i, mba tsa mandoto ny toerako masina, satria iaho ro Yaveh, ze manamasina reo. '' '
24
Ko noresahin'i Mosesy tamin'i Arona aby ny teny reo, tamin-dreo zanaka lahiny, sy reo zanak'Israely aby.