1
Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe:
2
"Tarogno amin'ny zanak'Israely hoe: 'Ze aby eo amin'ny zanak'Israely, na vahiny ze mitoatsa agny Israely ko manolotsa ny zanany amin'i Maloka, de aoka ho maty. Aoka hitora-bato anazy ny ona ny tany.
3
Hapifagnandrigna ny tavako amizay ona zay hiany koa Aho sady ho fongoriko eo amin'ny onan'ny i satria efa natolony an'i Maloka ny zanany, mba handotoana ny toerako masina sy hagnaratsiana ny Agnarako masina.
4
Lehe magnipy ny masony amizay ona zay ny onan'ny tany sy efa nanolotsa ny zanany amin'i Maloka, lehe tsa mamono anazy reo,
5
de Aho mihintsy ro hapifagnandrigna ny tavako amizay ona zay sy ny fokony, de hofongoriko i sy ny hafa aby ze mivarotsa amin'ny tegnany mba hijangajangana miaraka amin'i Maloka.
6
Ny ona ze mitodika amin'ny ona ze miresaka amin'ny ona maty, na reo ze miresaka amin'ny fagnahy mba hivarotsa ny tegnany amin-dreo, de hagnandrigna ny tavako amizay ona zay Aho; ho fongoriko eo amin'ny olony i.
7
Noho zay de hamafiso ny tegnanareo de aoka ho masina, satria Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo.
8
Aoka hitandrigna ny didiko agnareo de hagnaraka anireo. Fa Iaho ro Yaveh ze nanokagna anareo ho masina.
9
Aoka ho maty tokoa ze aby magnozogna ny rainy na ny reniny. Efa nagnozogna ny rainy sy ny reniny i, ko meloka sady mendrika ny ho maty.
10
Ny lohilahy ze magnitsakitsa-bady amin'ny vadin'olo-kafa, zany hoe, ze mijangajanga amin'ny sakaizam-badiny__aoka ny mpijangajanga sy ny nijangajanga samy ho maty tokoa.
11
Ny lihilahy ze miara-matory amin'ny vadin-drainy mba hatory aminazy de efa nagnala baraka ny rainy. Aoka ho maty tokoa ny zanaka lahy sy ny vadin'ny rainy. Meloka reo sady mendrika ny ho maty.
12
Lehe misy lihilahy miara-matory amin'ny vinanto vaviny, de aoka samy ho maty tokoa i roa. Efa nanao fahavetavetana reo. Meloka eo sady mendrika ny ho maty.
13
he misy lihilahy miara-matory amin'ny lihilahy hafa, tahaka ny miaraka amin'ny apela, de samy efa nanao raha mahafandriandriagna reo. Aoka ho maty toa reo. Meloka reo sady mendrika ny ho maty.
14
Lehe misy lihilahy manambady apela sady manambady ny reniny hiany koa, de faharatsiana zay, mba tsa hisy faharatsiana eo aminareo.
15
Lehe misy ona miara-matory amin'ny biby, de aoka ho maty tokoa i, ary aoka agnareo hamono ny biby.
16
Lehe misy apela magnatogna biby mba hiara matory aminazy, de aoka hamono ny apela sy ny biby agnareo. aoka ho maty tokoa reo. Meloka sy mendrika ho maty reo.
17
Lehe misy lihlahy miara-matory amin'ny anabaviny, na amin'ny zanaka vavin'ny rainy na zanaka vavin'ny reniny__lehe miara-matory aminazy de miaraka aminazy, de raha mahamegnatsa zay. Aoka ho fongorana eo amin'ny fagnatrehan'ny olony reo, satria niara natory tamin'ny anabaviny. De hibaby ny helony i.
18
Lehe misy lihilahy miara matory amin'ny apela mandritsa ny fadimbolany de efa niara natory taminazy, de efa nanoro ny ny fikoriagnany rà taminazy, ny nipoiran'ny ràny i. De aoka samy hofongorana tsa ho eo amin'ny olony i roa.
19
Aoka tsa hiara-matory amin'ny rahavavin-dreninao agnao, na amin'ny anabavin-drainao, satria hagnala baraka ny havanao marìny anao agnao.
20
Lehe misy lihilahy raika miara-matory amin'ny nenitoany, de hagnala baraka ny dadatoany i. Sy efa maty reo, de samy ho saziako, sady sy efa maty reo, de halaiko ny lovan'ny zana-dreo ze mety ho hazany hatamin'ny ray aman-dreniny.
21
Lehe misy lihilahy manam-bady ny vadin-drahalahiny lehe vona velogna ny rahalahiny, de fahafaham-baraka zay. Efa nagnala baraka ny rahalahiny i, de halaiko amin'ny zanany ny fabagnanaaby mety efa nolovan-dreo hatamin'ny ray aman-dreniny.
22
Koa aoka agnareo hitandrigna ny didy aman-dalako aby; aoka hankatò anizay agnareo mba tsa handoa anareo tagny ze hitondrako anareo mba hitoeranareo.
23
Aoka tsa handeha amin'ny fomban'ny firenena ze ho roahiko tsa ho eo alohanareo agnareo, satria efa nanao ze raha aby zay reo, de halako reo
24
Hoy Aho aminareo hoe: "Handova ny tanin-dreo agnareo; hagnome anareo anizay ho fanagnanareo Aho, tany todra-dronono sy ny tantely. Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo, ze efa nagnavaka anreo tamin'ny olo hafa.
25
Noho izay de aoka agnareo hagnavaka ny biby madio sy ny maloto, ny vorogna kitika maloto sy ny madio. Aoka agnareo tsa handoto ny tegnanareo amin'ny biby maloto na ny vorogna mitsidigna na amin'ny raha managn'aigna aby ze mandady amin'ny tany, ze efa navako ho maloto taminareo.
26
Aoka ho masina agnareo, fa Iaho,Yaveh, de masina, sady efa nagnavaka anareo tamin'ny olon-kafa aho, satria Anahy agnareo.
27
aoka ho maty tokoa ny lihilahy na ny apela ze miresaka amin'ny fagnahy. Aoka hitora-bato anazy ny ona. Meloka i sady mendrika ny ho maty." '