1
Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, ko nanao oe:
2
"Mirisaha amin'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely abiaby de tarogno an-dreo hoe: 'Masìna agnareo, fa Iaho Yaveh Andriamagnitsareo de masina.
3
Aoka ny tsiraidraika hagnaja ny reniny sy ny rainy, de tandremo ny sabatako, Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo.
4
Aza mihodigna mandeha agny amin'ny sampinareo raha-foagna, na manao Andriamagnitsa vy ho anareo. Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo.
5
Lehe magnatitsa sorogna fagnati-pihavagnana amin'i Yaveh agnareo, aoka agnareo hagnatitsa anizay mba ho ekena .
6
Aoka ho hoanina amin'ny andro hagnaterana anazy zay, na amin'nigny apitson'igny.
7
Lehe misy raha tsa lany mandra-piavian'ny andro fahatelo, de aoka hodoroana zay. maloto zay lehe vona hoanina amin'ny andro fahatelo. Aoka tsa ho ekena zay,
8
fa ny tsiraidraika ze mihinana anizay de hitondra ny helony satria efa nagnala baraka ze raha-masin'i Yaveh i. Aoka halaina eo amin'ny vahoakany zay ona zay.
9
Lehe mijinja ny vokatsy ny taninareo agnareo, de aoka agnareo tsa hila tanteraka ny zorony sahanareo, na hagnangogna aby ny vokatsareo.
10
Aoka agnareo tsa hagnangogna aby ny voaloboka amin'ny tanim-boalobokareo, na hamory ny voaloboka ze mitrotraka amin'ny tany eo amin'ny tanim-boalobokareo. Aoka havelanareo reo ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo.
11
Aza mangalatsa. Aza mandenga. Aza mifamitaka.
12
Aza mianiana lenga amin'ny agnarako na maniratsira ny agnaran'ny Andriamagnitsareo. Iaho ro Yaveh.
13
Aza mampahory ny mpiara-monigna aminareo na mandroba anazy. Aoka tsa hiegnina miaraka aminareo amin'ny aligna manontolo ko zizika amin'ny maraigna ny karaman;ny mpikarama.
14
Aza magnozogna ny maregnina na mametraka zsakagna mamingagna eo alohan'ny jamba. Fa zao, aoka agnareo hatahotsa A ndriamagnitsareo.Iaho ro Yaveh.
15
Aza disoana ny fitsarana. Aza mijery tavan'olo satria mahantra i, de aza mijery tavan'olo satria ambony i. Fa zao, tsarao araka ny fahamarinany ny mpiara mpnogna aminareo.
16
Aza mivezivezy magnaparitaka fosafosa eo amin'ny vahoakanareo, fa tadiavo ze hiarovanareo ny ain'ny piara mitoatsa aminareo. Iaho ro Yaveh
17
Aza mankahala ny rahalahinareo amin'ny fonareo. Aoka agnareo hitarogna mafy an-kitsipo ny piray monigna aminareo mba tsa hifampizaranareo ota noho ny aminazy.
18
Aza mamaly faty mitagna lolopo amin'ny vahoakanareo, fa zao tiavo ny namareo tahaka ny tegnanareo. Iaho ro Yaveh.
19
Tandremo ny didiko. Aza magnandragna magnaraka ny bibinareo amin'ny karazambiby hafa. Aza mapifangaro karazanana voa samy hafa lehe mamboly amin'ny tanimboly. Aza mitondra akanjo natao tamin'ny akora roa karazany ze napifangaroana.
20
Na ia na ia miara-matory amin'ny andevo vavy ze voafofofo ho vady, nefa tsa novidia-pagnavotana na namena ny fahafahana, de aoka reo ho saziana. Aoka tsa ho vonoana reo satria tsa ona afaka i.
21
Aoka hitondra ny fagnatitsa nohon'ny heloka ho an'i Yaveh eo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaognana ny lihilahy raika __ondry lahy raika fagnatitsa tratsany heloka.
22
De hanao fagnavotana ho anazy ny pisorogna miaraka amin'ny ondry lahy hatao fagnatitsa nohon'ny heloka eo alohan'i Yaveh, nohon'ny ota ze nataony. Ko de ho voavela ny fahotana vitany
23
Lehe avy eo amin'ny tany agnareo de mamboly ny karazan-kazo fihinam-boa , de aoka agnareo hamela ny voa ze vokarin-dreo mba ho voarara tsa ho hanina. Aoka ho voarara ny voa ho anareo mandritsa ny telo taogna. Aoka tsa ho hoanina zay.
24
Fa amin'ny taogna fahefatsa de ho masina aby ny voa, ho fagnati-piderana ho an'i Yaveh .
25
Amin'ny taogna fahadimy de afaka ny hihinana ny voa agnareo, satria niandry anareo mba hafahan'ny hazo mamokatsa betsaka. Iaho ro Yaveh.
26
Aza mihinana hena lehe vona misy rà zay. Aza magnotany ny fagnahy momban'ny ho avy, de aza mikatsaka ny hifehy ny hafa amin'ny hery mihoatsa ny natoraly.
27
Aza magnaraka ny fahazarany panompo sampy tahaka ny fagnaratana ny sisiny lohanareo na magnongotsa ny sisiny volom-bavanareo.
28
aza mandidy ny vatanareo ho an'ny maty na magnisy marika tombokavatsa amin'ny tegnanareo. Iaho ro Yaveh.
29
Aza magnalabaraka ny zanakareo vavy amin'ny fanaovana anazy ho pijangajanga, fa ho lavo amin'ny fijangajangana firenena de ho feno fajharatsiana ny tany.
30
Aoka agnareo hitandrigna ny sabatako de hagnome voninahitsa ny fitoerana masin'ny tabernakeliko. Iaho ro Yaveh.
31
Aza mihodigna agny amin'ny ze miresaka amin'ny maty na amin'ny fagnahy. Aza mitadia an-dreo, fa lehe tsa zay handoto anareo reo. Iaho ro Yavhe Andriamagnitsareo.
32
Aoka agnareo hitsangagna eo alohany ona fotsy volo de hagnome voninahitsa ny ona antintsa. Aoka agnareo hatahotsa ny Andriamagnitsareo. Iaho ro Yaveh.
33
Lehe misy vahiny mitoatsa ao aminareo eo amin'ny taninareo, de aoka agnareo tsa hanao ratsy anazy.
34
Aoka ho tahaka ny tera-tany Israelita mitoatsa eo aminareo ny vahiny ze mitoatsa miaraka aminareo, de aoka ho tiavinareo tahaka ny tegnanareo i, satria efa mba vahiny hiany agnareo tagny amin'ny tany egypta.Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo.
35
Aza mapiasa fandrifesana diso lehe mandrefy halavana, lanja, na habitsahana.
36
Aoka agnareo hapiasa mozàgna marina, vato mozàgna marina, efaha marina, de hina marina. Iaho ro Yaveh Andriamagnitsareo, ze nitondra anareo nienga ny tany egypta.
37
Akatoavo aby ny didiko sy ny laláko, de ataovo reo. Iaho ro Yaveh.' "