1
Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe:
2
"Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely de lazao reo hoe: 'Iaho ro i Yaveh Andriamagnitsareo.
3
Aza manao ny raha ataon'ny vahoaka agny Egypta, ze nonegnanareo teo aloha. Aza manao zay raha ataon'ny vahoaka ao Kanana, ny tany ze hitondrako ao Aza magnaraka ny fomban-dreo.
4
y lalàko ro aoka hataonareo, de ny didiko ro aoka ho tandremanareo, mba handihiananareo eo amin-dreo, Satria Aho ro Yaveh Andriamagnitsareo.
5
Ko noho zay de tandremo ny didy aman-dalàko. lehe misy ona mankatò anireo, de ho velogna noho reo i. Iaho ro Yaveh.
6
Aoka mba tsa hisy ona hiara-matory amizay ona ze mifandray mariny aminazy. Iaho ro Yaveh.
7
Aza magnala baraka ny rainareo amin'ny fatoriana miaraka amin'ny reninareo. Reninareo i!
8
Aza magnala baraka anazy. Aza miara matory amireo vadin-drainareo; aoka agnareo tsa hagnala baraka ny rainareo tahak'izay.
9
Aza miara-matory amize anabavinareo, na zanaka vavin'ny rainareo i na zanaka vavin'ny reninareo, neko de natsangagna tao amin'ny tragnonareo na lavitsa anareo aza i. Aza miara-matory amin'ny anabavinareo. Aza miara-matory amin'ny anabavinareo .
10
Aza miara- matory amin'ny zanaka vavin'ny zanakareo lahy na amin'ny zanaka lahin'ny zanakareo vavy.Fa ho hegnatsa ho anareo hiany zay.
11
Aza miara-matory amin'ny zanaka vavin'ny vadin-drainareo, ze nateraky ny rainareo. Anabavinareo i, de aoka agnareo tsa hiara matory amin'azy.
12
Aza miara matory amin'ny anabavin-drainareo. Havana mariny ny rainareo i.
13
Aza miara-matory amin'ny rahavavin-dreninareo. Havagna mariny ny reninareo i.
14
Aza magnala baraka ny rahalahin-drainareo amin'ny fiarahana matory amin'nyvadiny. Aza mandriny anazy amizay tanjogna zay; nenitoanareo i.
15
Aza miara-matory amin'ny vinanto vavinareo. Vadin-janakareo i; aza miara-matory aminazy.
16
Aza miara-matory amin'ny vadin-drahalahinareo; aza manala baraka anazy amn'izay fomba zay.
17
Aza miara-matory amin'ny apela iraika sy ny zanany, na amin'ny zanaka vavin'ny zanany lahy na amin'ny zanaka vavin'ny zanany vavy. Havana mariny anazy reo, de faharatsiana ny fiaraha-matory amin-dreo.
18
Aoka agnareo tsy hanam-bady ny rahavavim-badinareo ho vady faharoa de hiara-hatory aminy lehe vo velogna ny vadinareo voalohany.
19
Aza miara-matory amin'ny apela mandritsy ny fadimbolany. Maloto i mandritsin'ny fotoagnaay.
20
Aza miara-matory amin'ny vadin'ny mpiray vody rindrigna aminareo ko handoto ny tegnanareo miaraka aminy amin'izay fomba anizay.
21
Aoka agnareo tsy hagnome ny zanakareo ho atao eo ami'ny afo, fa manao sorogna anazy ny ho an'i Moloka agnareo amin'izay, satria tsy mahazo maniratsira ny anaran'Andriamanitra agnareo. Iaho ro Yaveh.
22
Aza miara-matory amin'ny lihilahy hafa toy ny miaraka amin'ny apela. Ratsy zao.
23
Aza miara-matory amin'ny biby sy mandoto ny tegnanareo miaraka amin'izay. Aoka tsy hisy apela hihevitra fiaraha-matory amin'ny biby. Fahavetavetana izany.
24
Aza mandoto ny tegnanareo amin'ireo fomba reo, fa tamin'ireo fomba rehetra ireo no nampahaloto anireo firenena , ny firenena ze ho roahiko eo agnatrehanao .
25
Voaloto ny tany , ko nosaziako ny fahotan-dreo , de nandoa reo mponiny ny tany .
26
Noho izay, agnareo, de aoka hitandrigna ny didiko sy ny fitsipiko, de aoka agnareo tsa hanao an'ireo zava-mahatsiravina reo, na ny tera-tany Israelita zay na ny vahiny ze monigna eo aminareo.
27
Fa zay ro faharatsiana efa nataon'ny poniny tany, reo ze nitoatsa teto talohanareo, de voaloto ny tany amizao.
28
fa mitandrema mba tsa hoaloany tanyhiany koa agnareo afarany nandotoanareo anazy, tahaka ny nandoavan'ny vahoaka anizay teo alohanareo.
29
Na ia na ia manao anireo raha mahakamokamo reo , ny ona ze manao anizay de alaina tsa ho eo amin'ny vahoakan-dreo.
30
Noho izay de tandremo ny didiko mba tsa hanao ny fomba mahakamo ze natao teto talohanareo reo, ko tsa handotoanareo ny tegnanareo amin-dreo. Iaho ro i Yaveh Andriamagnitsareo.' "