1
Nitarogna tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe:
2
'' Mitarogna amin'i Arona sy ny zanany lahy, sy amin'ny vahoakan'Israely aby. Tarogno an-dreo ny nandidian'i Yaveh:
3
'Ny lihilahy ao Israely ze mamono ômby, zanak'ondry, na osy ao amin'ny toby na mamono ianizay ivelan'ny toby, mba hanao sorogna izay_
4
ko lehe tsa mitondra an'izay amin'ny fidirana amin'ny trano-lay fihaognana mba hagnatitsa an'izay ho sorona ho an'i Yaveh eo alohan'ny tabernakeliny i,de ho meloka amin'ny fandatsaha-drà zay lihilahy zay. Nandatsan-drà i, de tsy maintsy alaina eo amin'ny vahoakany zay lihilahy zay.
5
Ny anton'izay didy zay de mba hitondran'ny vahoakan'Israely ny sorognan-dreo amin'i Yaveh eo amin'ny tragno-lay fihaognana, mba hatolotsy ny pisorogna hatao fgnati-pihavagnana ho an'i Yaveh, fa tsa hagnatitsa sorogna ao amin'ny saha malalaka.
6
Hamafy rà eo amin'ny fidirana ao amin'ny tragno-lay fihaognana ny pisorogna; handoro ny sabora ho an'izay i mba hagnome hagnitsa mamerovero ho an'i Yaveh.
7
Aoka tsa hagnatitsa ny soron-dreo amin'ny sampy osy koa ny vahoaka, fa tamin'izay ro nanaovan-dreo fijangajangana. Ho lalàna maharitsa eo amin-dreo hatramin'ny taranaka fara-mandimbyny zay.'
8
Aoka agnao hitarogna amin-dreo hoe:' Na ia na ia lihilahy eo amin'ny Israely, na vahiny ze mitoatsa amin-dreo, magnatitsa fagnatitsa ho doroana na sorogna
9
ko tsa mitondra anizay eo amin'ny fidirana ao amin'ny tragno lay fihaognana mba hanao sorogna zay ho an'i Yaveh, de aoka halaina eo amin'ny vahoaka zay lihilahy zay.
10
he misy ona amin'ny ankohognan'Israely, na misy vahiny ze mitoatsa eo amin-dreomihinana rà, de hagnandrigna ny tavako hanohitsa anizay ona zay Aho sady hagnongotsa anizay ona zay eo amin'ny vahoakan'ny Aho. Fa ao amin'ny ràny ny ain'ny biby
11
Nameko anao ny ràny mba hapisy fagnavotana eo amin'ny alitara ho aignareo, satria ny rà ro manohitsa ny aigna.
12
Sy zay de nitarogna tamin'ny vahoakan'Israely Aho mba tsa hisy hihinana rà eo aminareo, na misy hihinana rà ze vahiny mitoatsa eo aminareo.
13
Na ia na ia amin'ny vahoakan'Israely, na ze vahiny mitoatsa eo amin-dreo, ze mihiaza sy mamono biby na vorogna ze azo hoanina, de handraraka ny ràn' izay de hanototsa ny tany ny rà
14
Fa ao amin'ny ràny ny ainy zava-boary aby. Zay ro nilazako tamin'ny vahokan'Israely hoe: Aoka agnareo tsa hihinana ny ràny zava-boary, satria ao amin'ny ràny ny ainy raha managn'aigna aby. Na ia na ia mihinana anizay de aoaka ho roahina. "
15
Ny ona tsira-draika ze mihinana biby efa maty na voaviraviran'ny bibi-dia, na tera-tany na vahiny ny ona mitoatsa eo aminareo, de aoka i hanasa ny akanjony sady hapandro tegnany amin'ny rano, de haloto i mandra-paharivany andro. de hadio i sy avy eo.
16
Fa lehe tsa manasa ny akanjony na mapandro ny vatany i, de aoka i hijery ny helony.' "