1
Niresaka tamin'i mosesy i Yaveh --zay de tafarany nahafatesany zanak'i Arona roa lahy, sy efa nandeha nandriny an'i Yaveh reo de maty sy avy eo.
2
Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: " Mirisaha amin'i Arona rahalahinao de tarogno i mba tsa ho avy amin'ny fotoanga aby agny amin'ny fitoerana masina indrindra agnaty lamba, eo alohany sarom-pagnavotana ze eo amin'ny fiara. Lehe manao anizay i, de ho maty, satria miboaka eo amin'ny sarom-pagnavotana Aho.
3
Ko izao ro fomba tokony hiavian'i Arona ao amin'ny toerana masina indrindra. Aoka i hiditsa miaraka amin'ny vatots'ômby lahy hatao fagnatitsa nohon'ny ota, de ondry lahy hatao fagnatitsa doroana.
4
Tsy maintsy manao akanjo lava masina vita amin'ny lamba rongony fotsy i, de tsy maintsy manao atin'akanjo vita amin'ny rongony fotsy sy hamama rongony fotsy sady tsy maintsy manao fehikibo rognony fotsy sy hamama rongony fotsy. Ireo ro fitafiana masina. Tsy maintsy mapandro ny tegnany amin'ny rano i de sy avy eo mitafy ny akanjo reo.
5
Tsy maintsy mangalaka osy lahy roa avy amin'ny fivodrognan'ny vahoakan'nIsraely i hatao fagnatitsa nohon'ny ota de ny ondry lahy raika hatao fagnatitsa doroana.
6
Sy avy eo i Arona de mba hanolotsa ny ômby lahy hatao fagnatitsa nohon'ny ota, zay ho an'ny tegnany sy ny fianakaviany.
7
Sy avy eo de hangalaka ny osy lahy roa i sady hametraka anireo eo agnatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaognana.
8
Sy avy eo i Arona de tsy maintsy miloka anireo osy roa, loka raika ho an'i Yaveh, de ny loka raika hafa ho an'i azazela.
9
Tsy maintsy manolotsa ny osy eo amin'ny nigitrahany loka ho an'i Yaveh i Arona sy avy eo, sady manolotsa anizay ho fagnatitsa nohon'ny ota.
10
Fa ny osy ze nigitrahany loka ho an'ny azazela de tsy maintsy ferina velogna eo agnatrehan'i Yaveh, mba hanaovana fagnavotana amin'ny fandifasana anazy tahaka an'i azazela mandeha agny agn'efitsa.
11
Sy avy eo i Arona de tsy maintsy manolotsa ny vatots'omby lahy ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota, zay ho an'ny tegnany. Tsy maintsy manao fagnavotana ho an'ny tegnany sy ho an'ny fianakaviany i, ko tsy maintsy mamono ny vatots'omby lahy hatao fagnatitsa nohon'ny ota ho an'ny tegnany i.
12
Tsy maintsy mangalaka fitondran'afo feno vain'afo hategny amin'ny alitara eo agnatrehan'i Yaveh i Arona, miaraka amin'ny diti-kazo magnitsa majinika ndraika ny tagnana, sady mitondra ny raha reo ao agnatiny efitsa lamba.
13
Ao i ro tsy maintsy mametraka ny ditik'azo hatao agnaty afo eo agnatrehan'i Yaveh mba hanarognana ny rakotsa fanaova-pagnavotana eo ambonin'ny didim-pagnikena ny rahogna hatamin'ny diti-kazo. Tsy maintsy manao anizay i mba tsa ho maty.
14
Avy eo de tsy maintsy mangalaka amin'ny ràn'ny vantitr'omby lahy i ko hamafy an'izay amin'ny tagnany eo anoloan'ny rakotra fanaovam-pagnavotana. Tsy maintsy mamafy ny sasany amin'ny rà amin'ny ratsan- tanany im-pito eo anatrehan'ny rakotra fanaovam-panavotana i.
15
De hamono ny osy lahy hatao fagnatitsa tratsan'ny ota ze ho an'ny vahoaka sady hitondra ny ràny ho ao agnatiny efitsa lamba i. Tsy maintsy manao tahaka ny efa nataony tamin'ny rà ro ataony amin'ny ràn'ny vatots'omby lahy: tsy maintsy mamafy anizay eo amin'ny rakotsa fanaovam-pagnavotana i de avy eo alohan'ny rakotsa fanaovam-pagnavotana.
16
Tsy maintsy manao fagnavotana ho an'ny toerana masina i nohon'ny asa maloton'ny vahoakan'Israely, sy nohon'ny fikomian-dreo sy ny fahotany aby. Tsy maintsy manao anizay ho an'ny lay fihaognana koa i, ze hitoeran,i Yaveh eo amin-dreo, amin'ny fagnatrehan'ny asa maloton-dreo.
17
Tsa misy tokony ho ao amin'ny lay fihaognana sy efa miditsa ao amizay mba hanao fagnavotana ao amin'ny toerana masina indrindra ho an'i Arona, de mandra-pahavitany ny fagnavotana ho an'ny tegnany sy ho an'ny fianakaviany, de ho an'i fivondrognan'Israely aby.
18
Tsy maintsy mienga eo amin'ny alitara ze eo agnatrehan'i Yaveh i sady manao fagnavotana ho an'izay, de tsy maintsy mangalaka amin'ny ràn'ny vatots'ômby lahy sy ny amin'ny ràn'ny osy lahy i de mametraka anizay magnodidigna ny tandroky ny alitara aby.
19
Tsy maintsy mamafy ny ampahany amin'ny rà eo amizay amin'ny tagnany im-pito i mba hagnadiovana anizay sy hanokagnana anizay ho an'i Yaveh, lavitsa ny asa maloton'ny vahoakan'Israely.
20
Sy efa vitany ny fagnavotana an'ny toerana masina indrindra, ny lay fihaognana, sy ny alitara, de tsy maintsy manolotsa ny osy lahy velogna i.
21
Tsy maintsy mametraka ny tagnany eo an-dohany osy lahy velogna i sady miaiky ny faharatsiana abin'ny vahoakan'Israely, ny fikomian'ny aby, sy ny fahotany aby eo aminazy. Sy avy eo i de tsy maintsy mametraka anizay ota zay eo andohan'ny osy lahy velogna sady mandefa ny osy lahy ho ferin'ny lihilahy ze vonona hitarika ny osy ho agny agn'efitsa .
22
Tsy maintsy ferin'ny osy lahy mandeha agny agn'efitsa ny faharatsian'ny vahoaka aby. Agny agn'efitsa agny, de tsy maintsy hamela ny osy ny lihilahy.
23
Siateo de tsy maintsy nipody agny amin'ny fihaognana i Arona de nagnala ny reo akanjo rongony fotsy ze nanaovany talohan'ny nandihianany ho ao amin'itoerana masina indrindra, de tsimaintsy mamela ny akanjo reo ao i.
24
Tsy maintsy mampandro ny vatany amin'ny rano agny amitoerana masina i,de manao akanjo tsotra; avy eo de tsy maintsy mienga i de manolotsa ny fagnatitsany doroana sy ny fagnatitsa doroana ho an'ny vahoaka, de amizay fomba zay de hanao fagnavotana ho an'ny tegnany sy ho an'ny vahoaka.
25
Tsy maitsy mandoro ny sabora amin'ny fagnatitsa nohon'ny ota eo amin'ny alitara i.
26
Ze nandefa ny azazela de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; afaran'izay, de mipody agny amin'ny toby i.
27
Ny vantots'omby lahy ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota sy ny osy lahy ho an'ny fagnatitsa nohon'ny ota, ze no ferina nanaovana fagnavotana tagny amin'ny toerana masina ny ràny, de tsy maintsy ferina agn'ivelany toby.Agny reo ro tsy maintsy mandoro ny hodiny; ny nofony, sy ny tain-drorohany.
28
Ny lihilahy ze mandoro ny fagnatitsa de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mampandro ny tegnany amin'ny rano; afaran'izay, de hipody agny amin'ny toby i.
29
Ho lalàna mandrakizay ho anareo amin'ny volana faha-fito, amin'ny andro fahafolon'ny volana zany, aoka agnareo, na ny tompon-tany na ny vahiny ze miaina eo aminareo hanetri-tena sy tsy hiasa.
30
Zay de satria amin'izay andro zay ny fanavotana de ho atao ho anareo, mba hanadiovana anareo amin'ny fahotanareo aby mba hadio eo anatrehan'i Yaveh agnareo.
31
Ho sabata fitsaharana magnetriketrika ho anareo izay, ary tsy maintsy manetri-tena sady tsa miasa agnareo.Ho lalàgna mandrakizay eo aminareo izany
32
Ny mpisorognabe, ze ho hosorana sy ho tondroana ho mpisorombe eo amin'ny toeran'ny rainy, de tsy maintsy manao izay fagnavotana izay ireo akanjo rongony fotsy, izay de, ny akanjo masina.
33
Tsy maintsy manao fagnavotana ho any toerana masina indrindra i; tsy maintsy manao fagnavotana ho an'ny fihaognana sy ho an'ny alitara i, sady tsy maintsy fagnavotana ho an'ireo mpisorogna sy ny vahoaka aby ao amin'ny fivondrognana i.
34
Ho lalàna ho anareo mandrakizay izany, mba hanaovana fagnavotana ho an'ny vaoakan'Israely nohon'ny otany aby, indraika isan-taona.'' Vita araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesyizany.