1
Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe:
2
"Mirisaha amin'ny vahoakan'Israely de tarogno reo hoe: ' Lehe misy lihilahy mamoaka tsiranoka misy otrikaretina hatamin'ny vatany, de maloto i.
3
Ny fahalotoany de vokatsizay tsiranoka zay. Na mitsika ny tsiranoka aminazy na tsa mitsika, de maloto zay.
4
Ny fandreny aby handreny de haloto, de ny raha aby ze hipitrahany de maloto.
5
Na ia na ia mikasika ny fandreny de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, de haloto mandra-paharivan'ny andro.
6
Ze aby mitoatsa amin'ny raha ze nipitrahany lihilahy mitsika tsiranoka misy aretina, zay ona zay de tokony hanasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, de haloto mandra-paharivany andro i.
7
Ze aby mikiasika ny vatan'ny mitsika tsiranoka misy otrik'aretina de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, de haloto mandra-paharivany andro.
8
Lehe mandrora amin'ny ona ze madio ny ona ze mitsika tsiranoka tahaka anizay, de tsy maintsy manasa ny akanjony zay ona zay sady mandro i.
9
Ny lasely aby ze itingenany mitsika de haloto.
10
Na ia na ia mikasika ny raha ze tao ambanin'ny zay ona zay de haloto mandra-paharivan'ny andro, de ze mitondra anireo raha reo de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; haloto mandra-paharivan'ny andro i.
11
Na ia na ia mikasika ny tsiranoka tahaka anizay kanefa tsa nanasa ny tagnany mialoha ao agnaty rano, de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano ny ona voakasika, de haloto mandra-paharivan'ny andro i.
12
Ny vilagny tany aby ze nokasihany mamoaka tsiranoka tahaka anizay de tsy maintsy vakiana, de ny vata hazo aby de tsy maintsy sasana amin'ny rano.
13
Sy efa sitragna amin'ny fitsihany i ze mitsika, de tsy maintsy magnisa fito andro amin'ny fagnadiovana anazy i; sy avy eo hanasa ny akanjony i sady hapandro ny vatany amin'ny rano mandeha. De hadio i.
14
Amin'ny andro fahavalo de tsy maintsy mangalaka vorohimahilala roa na zana-boromailala roa i de magnatogna eo agnatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaognana; eo i ro hanolotsa ny vorogna ho an'ny mpisorogna.
15
Tsy maintsy manolotsa anireo ny mpisorogna, ny raika fagnatitsa nohon'ny fahotana de ny raika hafa fagnatitsa doroana, de tsy maintsy manao fagnavotana ho anazy eo agnatrehan'Yaveh tratsany fitsihany i.
16
Lehe misy lihilahy mamoaka tsirin'aina, de tsy maintsy manasa ny vatany manontolo amin'ny rano i; haloto mandra-paharivany andro i.
17
Ny fitafiana sy hoditsa aby ze misy tsirin'aina de tsy maintsy sasana amin'ny rano; haloto mandra-paharivan'ny andro zay.
18
Lehe miara matory ny lihilahy sy ny apela de misy fandifasana tsirinaina ao amin-drakiala vavy, de tsy maintsy mandro amin'ny rano i roa; haloto mandra-paharivan'ny andro reo.
19
Lehe ny fadim-bolagna ny apela raika, de hitohy mandritsy ny fito andro ny fahalotoany , de na ia na ia mikasika anazy de haloto mandra-paharivany andro.
20
Ny raha aby ze hatoriany mandritsa ny fotoagnany de haloto; ny raha aby ze hipitrahany de haloto hiany koa.
21
Na ia na ia mikasika ny fandreny de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; zay ona zay de haloto mandra-paharivany andro.
22
Na ia na ia mikasika ny raha aby ze hipitrahany de tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; zay ona zay de haloto mandra-paharivany andro.
23
Na amin'ny fandreny zay na amin'ny raha aby ze hipitrahany, lehe mikasika anizay i, de haloto mandra-paharivany andro zay ona zay.
24
Lehe miara matory amin'ny lihilahy, de lehe mikiasika an-dralihilahy ny tsiranoka ny maloto hataminazy, de haloto mandritsy ny fito andro i. Ny fandrena aby ze hatoriany de haloto.
25
Lehe misy apela mamoaka rà mandritsy ny andro maro ze tsa amin'ny fotoagnan'ny fadimbolany, na raha mamoaka tsiranoka ivelan'ny fotoagnan'ny fadimbolany i, de ho tahaka ny hoe amin'ny andron'ny fadimbolany i, mandritsa ny andro aby hitsihany falotoany. Maloto i.
26
Ny fandrena aby ze handreny mandritsa ny fandihianany ràny de ho tahaka ny fandrena ze hatoriany mandritsa ny fadimbolany hiany aminazy, de ny raha aby ze hipitrahany de haloto, tahaka ny fahalotoany fadimbolany,
27
Na ia na ia mikasika anireo raha reo de haloto; tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano i, de haloto mandra-paharivany andro i.
28
Fa lehe voadio amin'ny fitsihany i, de hagnisa fito andro ho anazy, de afaran'izay de hadio i.
29
Amin'ny andro vahavalo de hangalaka vorimahalala roa na zanam-boromahilala roa i ho anazy sady hitondra anireo agny amin'ny mpisorogna eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaognana.
30
Ny mpisorogna de hanolotsa vorogna raika hatao fagnatitsa nohon'ny ota de ny raika hafa hatao fagnatitsa doroana, de hanao fagnavotana ho an-dreo eo agnatrehan'i Yaveh i nohon'ny fitsihan'ny rà malotony.
31
Izay ro fomba tokony hagnasarahanao ny vahoakan'Israely amin'ny fahalotoan-dreo, ko tsa ho maty nohon'ny fahalotoany reo, amin'ny fandottoana ny tabernakely, ze hitoerako eo amin-dreo.
32
Ireo aby ny didy amam-pitsipika ho an'ize mamoaka tsiranoka, ho an'ny lihilahy aby ze mamoaka ny tsirinainy sy mandoto ny tegnany,
33
ho an'ny apela ze ao agnaty fadim-bolagna, ho an'ny ze mamoaka tsiranoka aby, na lahy na vavy, de ho an'ny lihilahy aby ze mira-matory amin'ny apela maloto. ' "