Toko faha 14

1 Yaveh nitarogna tamin'i Mosesy, nanao hoe: 2 "Izao ro lalàna ho an'ny boka amin'ny andro fagnadiovana anazy. Tsy maintsy ferina agny amin'ny mpisorogna i. 3 Hienga ny toby ny mpisorogna ko hijery ny ona mba hahafantarana azo sitragnina ny aretin-koditsa. 4 Sy avy eo de hibeko ny mpisorogna fa ny fahadiovana de tsy maintsy mitondra vorogna velogna roa sdy madio, hazo sedera, kofehy jaky, de hysopa. 5 Hibeko anazy mba hamono ny raika amin'ny vorogna eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha ze ao agnaty tavy tanimanga ny mpisorogna. 6 Hangalaka ny vorogna velogna sy ny hazo sedera, de ny kofehy jaky sy ny hysopa avy eo ny mpisorogna, de hapitsoboka anireo raha reo, hatramin'ny vorogna velogna, ao amin'ny ràn'ny vorogna ze novonoana tamin'ny tao amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha. 7 Sy avy eo de hafafin'ny mpisorogna impito amin'ny ona hodiovina amin'ny aretina zay rano zay, de sy avy eo de hitarogn anazy hoe madio ny mpisorogna. sy avy eo koa de hagnafaka ny vorogna velogna ho agny amin'ny saha malalaka ny mpisorogna. 8 Ny ona voadio de hanasa ny fitafiany, hagnaratsa ny volony aby, sady hampandro ny tegnany ao agnaty rano, ko de hadio i. Afaran'izay de tsy maintsy hiditsa ao amin'ny toby i, kanefa hiegnina eo ivelan'ny lainy mandritsa hafitoana. 9 Amin'ny andro fahafito de tsy maintsy hagnaratsa ny volom-bavany sy ny volo-masony hiany koa. Tsy maintsy magnaratsa ny volony aby i, sady tsy maintsy manasa ny fitafiany sy mampandro ny tegnany ao agnaty rano: ko de hadio i. 10 Amin'ny andro fahavalo de tsy maintsy hangalaka ny zanak'ondry lahy tsa misy kilema roa i, zanak'ondry vavy raika heritaogna tsa misy kilema, sy koba soa toto telo ampahafaolon'ny efaha nafangaro tamin'ny diloilo hatao fagnatitsa hoanina, de diloilo ray loga. 11 Ny mpisorogna ze magnadio anazy de hampitsangagna ny ona hodiovina, miaraka amin'ny raha reo, eo alohan'i Yaveh eo amin'ny fidirana mandeha ao tragno lay fihaognana. 12 hangalaka raika amin'ny zanak'ondry lahy hatolotsa anizay hatao fagnatitsa nohon'ny heloka, miaraka amin'ny longan-diloilo ny mpisorogna; hagnevaheva ny fagnatitsa ahevaheva eo agnatrehan'i Yaveh i. 13 Tsy maintsy hamono ny ondry lahy eo amin'ny toerana ze famonoan-dreo fagnatitsa nohon'ny ota sy fagnatitsa doroana i, ao amin'ny faritsy ny tabernakely, fa an'ny mpisorogna ny fagnatitsa nohon'ny ota, tahaka anizay koa ny fagnatitsa nohon'ny heloka, satria zay ro masina indrindra. 14 Hangalaka amin'ny ràn'ny fagnatitsa nohon'ny heloka ko hametraka anizay eo an-tendron-tsofigna havagnan'ny ona ze hodiovina ny, eo amin'ny ankihiben-tongony havagnana ny mpisorogna. 15 De hangalaka diloilo hatamin'ny loga ny mpisorogna ko handraraka anizay eo amin'ny felan-tagnany havia. De hangalaka ny loga ny mpisorogna ko handraraka anizay eo amin'ny felan-tagnany havia, 16 sady hanjoboka ny ratsan-tagnany havagnana ao agnatin'ny diloilo eo amin'ny tagnany havia, de hamafy impito avy amin'ny diloilo amin'ny ratsan--tagnany eo alohan'i Yaveh. 17 De hagnosotsa ny ambin'ny diloilo teo amin'ny tagnany eo amin'ny tendron-tsofigna havagnan'ny ona hodiovina, ny akihiben-tagnany ankavagnana, de ny ankihiben-tongony an-kavagnana ny mpisorogna. Tsy maintsy mametraka anizay diloilo zay eo ambanin'ny rà avy hatamin'ny fagnatitsa nohon'ny heloka i. 18 De ny amin'ny ambin'ny diloilo ze eo antagnan'ny mpisorogna, de hagnosotsa anizay eo amin'ny lohany ona hodiovina i, de ny mpisorogna de hanao fagnavotana ho anazy eo agnatrehan'i Yaveh. 19 avy eo de hanolotsa fagnatitsa nohon'ny ota sy hanao fagnavotana ho anazy ze ho diovina nohon'ny fahalotoany mpisorogna, de afaranizay de hamono ny fagnatitsa doroana i. 20 De sy avy eo de hanolotsa ny fagnatitsa doroana sy fagnatitsa hohanina eo ambony alitara ny mpisorogna. hanao fagnavotana ho an'ny ona ny mpisorogna, de hadio i. 21 Fa zao, lehe mahantra sy tsa managna anireo sorogna reo ny ona, de tokony hangalaka zanak'ondry lahy raika hatao fagnatitsa nohon'ny heloka mba haevaheva i, mba hanaovana fagnavotana ho an'ny tegnany, sy koba soa toto raika am-pahafolon'ny efaha nafangaro diloilo hatao fagnatitsa hoanina, de diloilo ry logna, 22 miaraka amin'ny domoigna roa na zana-borimailala roa, araka ny tratrany; vorogna raika hatao fagnatitsa nohon'ny ota de ny hafa hatao fagnatitsa doroana. Amin'ny andro fahavalo de tsy maintsy mitondra anireo ho an'ny fagnadiovana 23 anazy eo amin'ny mpisorogna i, eo amin'ny fidirana mandeha ao amin'ny tragno lay fihaognana, eo agnatrehan'i Yaveh. 24 hangalaka zanak'ondry hatao fagnatitsa ny mpisorogna, sady halainy miaraka amizay ny menak'oliva ray loga, de hanadratra anizay ambony ho fanehoana an-dreo amin'ny Yaveh i. 25 Hamono ny zanak'ondry ho amin'ny fanatitsa nohon'ny heloka ko hagnisy anizay eo amin'ny tendro-tsofigna havagnana ho diovina, eo amin'ny ankihiben-tagnany ankavagnana, de eo amin'ny ankihiben-tongony an-kavagnana. 26 Sy avy eo de handraraka amin'ny diloilo eo am-pelatagnany an-kavia ny mpisorogna, 27 de hamafy im-pito amin'ny ratsan-tagnany an-kavagnana amin'ny diloilo ze eo amin'ny tagnany an-kavia eo agnatrehan'i Yaveh i 28 De hagnisy amin'ny diloilo ze eo amin'ny tagnany ny tendron-tsofigna an-kavagnana ny hodiovina ny mpisorogna, ny an-kihibentagnany havagnana, sy ny ankihiben-tongony havagnana, eo amin'ny faritsa nasiany ny ràn'ny fagnatitsa nohon'ny heloka hiany. 29 Hasiany ny ambin'ny diloilo ze eo amin'ny tagnany ny lohan'ny hodiovina, mba hanaovana fagnavotana ho an-dreo eo agnatrehan'i Yaveh. 30 Tsy maintsy manolotsa raika amin'ny domoigna na ny zana-boromahilala, araka ze izy-- 31 raika fagnatitsa nohon'ny ota de ny raika fagnatitsa doroana, miaraka amin'ny fagnatitsa voa. Sy avy eo de hanao fagnavotana ho an'ny ho diovina eo agnatrehan'i Yaveh ny mpisorogna. 32 Izay ro lalagna ho an'ny ona ze misy areti-koditsa mifindra, ze tsa mahatakatsa ny fagnatitsa mahazatsa ho an'ny fagnadiovana anazy. 33 Nitarogna tamin'i Mosesy sy tamin'i Arona i Yaveh, nanao hoe: 34 "Lehe avy amin'ny tany Kanana ze nameko ho fanagnanareo agnareo, sady lehe magnisy maty fotsy ze miparitaka ao amin'ny tragno ao amin'ny tany ze fanagnanareo Aho, 35 de tsy maintsy avy mapilaza ny mpisorogna ze tompon'ny tragno. Aoka i hanao hoe: "deko misy raha tahaka ny maty fotsy ao andragnoko.' 36 Avy eo de handidy an-dreo ny mpisorogna mba hagnafoagnan-dreo ny tragno mialohan'ny hidirany ao hijery ny maty fotsy, mba tsa hisy na ina na ina ho voaloto ao amin'ny tragno. Afaranizay de tsy maintsy hiditsa ao mba hijery ny tragno ny mpisorogn a. 37 Tsy maintsy mijery ny maty fotsy i lehe ny amin'ny rindrin'ny tragno zay, sady hijery lehe manopy maintso na manompy mena ny filitehany eo amin'ny rindrin'ny tragno. 38 Lehe misy maty fotsy ny tragno, de hienga ny mpisorogna ko hagnidy ny varavarany tragno mandritsa ny hafitoana. 39 De hipody ndraika ny mpisorogna amin'ny andro fahafito ko hijery anizay mba hamatarana lehe niparitaka amin'ny rindrin'ny tragno ny maty fotsy. 40 Lehe izay, de hibeko ny amin'ny hagnalan-dreo ny vato ze nahitana ny maty fotsy ny mpisorogna ko hanipy anireo agny amin'ny toerana maloto ivelan'ny tanàna. 41 Hapikikisany ny rindrigna ny tragno, de tsy maintsy harian-dreo agny ivelan'ny tanàna ny kikiny ze mamindra de hariany agny amin'ny toerana maloto zay. 42 Tsy maintsy mangalaka vato hafa reo sady mametraka ny amin'ny toerany vato ze nalainy, de tsy maintsy mampiasa tanimanga vaovao reo mba handalorana ny tragno. 43 Lehe mipody ndraika ny maty fotsy ko mamariparitsa ao amin'ny tragno ze vo avy nisy vato nalaina sy rindrigna vo avy nokikisana sady avy napody nolalorana, 44 de tsy maintsy miditsa ao ny mpisorogna ko mijery ny tragno mba hijery raha niparitaka ao amin'ny tragno ny maty fotsy. Lehe izay, de maty fotsy mampidi-doza zay, de ny tragno de maloto. 45 Tsy maintsy arodagna ny trango. Ny vato, hazo, de ny lalotsa aby ao amin'ny tragno de tsy maintsy ferina hariana agny amin'ny toerana maloto agny ivelan'ny toerana maloto agny ivelan'ny tanàna. 46 Akoatsan'izay, na ia na ia miditsa ao amin'ny tragno mandritsa ny fotoagna hikatognany de haloto mandra-paharivan'ny andro. 47 Ze natory tao amin'ny tragno de tsy maintsy manasa ny fitafiany, de ze nihinana tao amin'ny tragno de tsy maintsy manasa ny fitafiany. 48 Lehe miditsa ao amin'ny tragno ny mpisorogna ko mijery anizay mba hahafatarana lehe efa niparitaka manerana ny tragno ny maty fotsy tafaran'ny nandoroana ny tragno, sady, lehe niala ny maty fotsy, de hilaza i fa madio ny tragno. 49 Sy avy eo de hangalaka vorogna roa, sy hazo sedera, sy kofehy jaky de hysopa mba hagnadiovana ny tragno ny mpisorogna. 50 Ho vonoany eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha ao agnaty siny tanimanga ny raika amin'ny vorogna. 51 Hangalaka ny hazo sedera, ny hysopa, ny kofehy jaky, de ny vorogna velogna i, Ko hanjomboka anizay ao amin'ny ràn'ny vorogna novonoana, ao agnaty rano nalaina tamin'ny rano mandeha, sady hamafy anizay im-pito ao amin'ny tragno. 52 Hagnadio ny tragno amin'ny ràn'ny vorogna sy ny rano nalaina tegny amin'ny rano mandeha i, miaraka amin'ny vorogna velogna, ny hazo sedera, ny hysopa, de ny kofehy jaky. 53 Kanefa hamela ny vorogna velogna hienga ny tanàna ho agny amin'ny saha midadasika i. Amizay fomba zay ro tsy maintsy hanaovany fagnavotana ho an'ny tragno, ko de hadio zay. 54 Izay ro lalàna ho an'ny karazana areti-koditsa mifindra aby sy ny raha ze miteraka aretina tahaka anizay, sy ho an'ny hidihidy, 55 ny amin'ny maty fotsy amin'ny fitafiana sy amin'ny tragno, 56 ny amin'ny mamontsigna, ny amin'ny mana-pery, de ny amin'ny mifaritsa fotsy mangiragna, 57 mba hahafatarana lehe misy amireo tranga reo ro maloto na madio. Izay ro lalàna ho an'ny aretin-koditsa mifindra sy maty fotsy. "