1
Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe:
2
"Sy efa misy mamontsigna na manako-pery na mifaritsa mangiragna amin'ny hoditsan'ny vatany, ko roso mpamindra an'izay de misy aretin-koditsa ny vatany, de tsy maintsy hoferina agny amin'ny Arona mpisorognabe i, na amin'ny raika amin'ny zanany lahy mpisorogna.
3
Avy eo ny mpisorogna de hijery ny aretina eo amin'ny hoditsan'ny vatany. Lehe nivadika fotsy volo eo amin'ny faritsan'ny aretina, de lehe hita fa laligna loatsa noho ny eo amin'ny hoditsa fotsiny ny aretina, de lasa areti-mifindra zao. De afaran'ny fijeren'ny mpisorogna anazy, de tsy maintsy magnambara anazy hoe maloto i.
4
Lehe fotsifotsy ny mifaritsa mangiragna amin'ny hodiny, de ny pozin'izao de tsa laligna noho ny amin'ny hoditsa, de lehe tsa mivadika fotsy volo amin'ny faritsana, de tsa maintsy atokan'ny mpisorogna monigna mandritsa ny hafitoana ny raika misy aretina.
5
Amin'ny andro fahafito, de tsy maintsy mijery anazy ny mpisorogna mba hijery lehe tsa miha-ratsy ny aretina lehe ny heviny, de lehe tsa miparitaka amin'ny hoditsa zay. Lehe tsa misy zay, de tsy maintsy mampitoka-monigna anazy mandritsa ny hafitoana na mpisorogna.
6
Hijery anazy koa ny mpisorogna amin'ny andro fahafito mba hijery raha miha-soa ny aretina de tsa miparitaka manerana ny hoditsa. Lehe tsa misy zay , de hilaza anazy ho madio ny mpisorogna. Manako-pery zay. Tsy maintsy manasa ny fitafiany i , ko de hadio i.
7
Fa lehe miparitaka amin'ny hoditsa koa zay fery zay tafaran'ny nam-pisehoany ny tegnany tamin'ny mpisorogna ny amin'ny fahadiovany.
8
De tsy maintsy hagneno ny tegnany eo amin'ny mpisorona koa i avy eo. Hijery anazy ny mpisorogna mba hijery raha niparitaka manerana ny hoditsa ny fery. Lehe niparitaka zay, de tsy maintsy magnambara anazy ho maloto ny mpisorogna. Areti-mifindra zay.
9
Lehe misy areti-koditsa mifindra amin'ny ona , de tsy maintsy ferina agny amin'ny mpisorogna i.
10
Hijery anazy ny mpisorogna mba hijery raha misy mamontsina fotsy amin'ny hoditsa, lehe mivadika fotsy ny volo, na lehe misy nofo mangana amin'ny mamontsina.
11
Lehe misy , de areti-koditsa mitaiza zay, de tsy maitsy milaza anazy ho maloto ny mpisororogna . Tsy hanokana monina anazy i , satria efa maloto i.
12
Lehe miparitaka be amin'ny hoditsa ny aretina sady mandrakotsa ny hoditsin'ny ona aby ny aretina hatragny amin'ny tampon-dohany ko zizika amin'ny tongony, lehe vo hitany mpisorogna zay,
13
de tsy maintsy hijery anazy ny mpisorogna mba hijery ny raha mandrakotsa ny vatany aby ny aretina. Lehe misy zay, de tsy maintsy mitarogna ny ona misy aretina ho madio ny mpisorogna. Lehe nivadika fotsy aby zay, de madio i.
14
Fa lehe misy nofo mangana miboaka eo aminazy, de haloto i.
15
Tsy maintsy mijery ny nofo mangana ny mpisorogna de mitarogna anazy ho maloto satria maloto ny nofo mangana. Areti-mifindra zay.
16
Fa lehe mivadika fotsy ndraika ny nofo mangana, de tsy maintsy mandeha agny amin'ny mpisorogna ny ona .
17
Hijery anazy ny mpisorogna mba hijirena raha nivadika fotsy ny nofo. Lehe nivadika zay de hitarogna ny ona ho madio ny mpisorogna.
18
Lehe misy bay eo amin'ny hoditsy ny ona raika ko sitragna zay,
19
de lehe misy mibotsigna na holatsy ny fery, mena fotsy eo amin'ny toerany bay, de tsy maintsy atoro ny mpisorogna zay.
20
Hijery anizay ny mpisorogna mba hijery ny raha miha-milentika agnatiny hoditsa zay, sady lehe mivadika fotsy ny volo eo. Lehe izay, de tsy maintsy mitarogna anizay ho maloto ny mpisorogna. Areti-mifindra zay, lehe mitombo eo amin'ny fitoerany ze nisy ny bay zay.
21
lehe mijery anizay ny mpisorogna ko mahita fa tsa misy volo fotsy eo, sady tsa ao ambanin'ny hoditsa zay fa efa niala, de tsy maintsy hatokan'ny mpisorogna mitoatsa mandritsa ny hafitoana i.
22
Lehe miparitaka be amin'ny hoditsa zay, de tsy maintsy milaza anazy hoe maloto ny mpisorogna. Areti-mifindra zay.
23
Fa lehe miegnina amin'ny toerany ny holatsy ny fery fa tsa miparitaka, de holatsy ny bay zay,ko tsy maintsy hitarogna anazy hoe madio ny mpisorogna.
24
Sy efa misy may ny hoditsa sady nanjary somary mena-fotsy nako faritsa fotsy ny nofo mangagna may,
25
de hijery anizay ny mpisorogna mba hijery lehe hivadika fotsy ny volo amizay faritsa zay, sady lehe hita fa laligna mihoatsa noho ny teo amin'ny hoditsa zay. Lehe misy zay, de areti-mifindra. de tsy maintsy mitarogna anazy hoe maloto ny mpisorogna. Areti-mifindra zay.
26
Fa lehe mijery anizay ny mpisorogna ko mahita fa tsa misy volo fotsy amin'ny faritsa, sady tsa ao ambanin'ny hoditsa fa matroka, de tsy maintsy hatokan'ny mpisorogna monigna mandritsa ny hafitoana i.
27
Sy avy eo de tsy maintsy mijery anazy ny mpisorogna amin'ny andro fahafito. Lehe nipsritaka be tamin'ny hoditsa zay, de tsy maintsy milaza anazy hoe maloto ny mpisorogna, Areti-mifindra zay.
28
Lehe miegnina eo amin'ny toerany ny faritsa sady tsa miparitaka amin'ny hoditsa fa matroka, de famotsignana avy amin'ny may zay, de ny mpisorogna de tsy maintsy mitarogna anazy hoe madio, fa raha ny holatsy ny may.
29
Lehe misy lihilahy na apela misy areti-mifindra eo amin'ny loha na saoka,
30
de tsy maintsy mijery ny ona amin'ny areti-mifindra ny mpisorogna mba hijery raha miseho laligna loatsa mihoatsa ny eo amin'ny hoditsa zay, de lehe misy mavomavo, de tsy maintsy mitarogna anazy hoe maloto ny mpisorogna. Hihidy zay, areti-mifindra eo amin'ny loha na eo amin'ny saoka zay.
31
Lehe mijery ny aretin'ny hihidy ny mpisorogna ko mahita fa tsa eo ambanin'ny hoditsa zay, sady lehe tsa misy volo mainty amizay, de hapitoka-monigna ny ona misy aretin'ny hihidy ny mpisorogna mandritsa ny hafitoana.
32
Amin'ny andro fahafito de hojery ny aretina ny mpisorogna mba hijery raha niparitaka zay. de lehe tahaka ny hatevin'ny hoditsa fotsiny ny fahitana ny aretina,
33
de tsy maintsy solona i, fa ny faritsa misy ny aretina de tsa tokony ho soloana, de ny mpisorogna de tsy maintsy hapitoka-monigna ny ona amin'ny aretin'ny hihidy mandritsa ny hafitoana.
34
Amin'ny andro fahafito de hijery ny aretina ny mpisorogna mba hijery raha niegnina niparitaka tamin'ny hoditsa zay. Lehe hita ho tsa matevigna noho ny hoditsa zay, de tsy maintsy hitarogna anazy ho madio ny mpisorogna. tsy maintsy manasa ny akanjony ny ona, de hadio i sy ahateo.
35
Fa lehe miha-miparitaka amin'ny hoditsa ny aretin'ny hihidy tafaran'ny nitarognany mpiosorogna hoe madio i,
36
de tsy maintsy mijery anazy ndraika ny mpisorogna. Lehe miparitaka amin'ny hoditsa ny aretina, de tsa mila mitadia volo mavomavo koa ny mpiosorogna. Maloto ny ona.
37
Fa lehe amin'ny afijerin'ny mpisorogna de efa niegnina niparitaka ny aretin'ny hihidy de nisy volo mainty nitsiry teo amin'ny faritsa, sy avy eo de sitragna ny aretina. Madio i, de tsy maintsy mitarogna anazy ho madio ny mpisorogna.
38
Lehe misy lihilay na apela misy faritsa fotsy amin'ny hoditsa,
39
de tsy maintsy mijery ny ona ny mpisorogna mba hijery raha matroka ny faritsa, ze very vaky teo amin'ny hoditsa fotsiny hiany. de madio i.
40
Lehe mihitsagna amin'ny lohany ny volon'ny ona raika, de sola i, fa madio.
41
Lehe mitrotraka hateo amin'ny tapon-dohany ny volony, de sola ny tapon-kandriny, de madio i.
42
Fa lehe misy ratsa mena-fotsy eo amin'ny lohany sola na tapokn-kandriny, de areti-mifindra zayvaky aty ivelany zay.
43
Sy ahateo de tsy maintsy mijery anazy ny mpisorogna mba hijery raha mena-fotsy ny faritsa mivoto ny aretina eo amin'ny lohany sola na ny tapo-kandriny, tahaka ny endriky ny areti-mifindra amin'ny hoditsa.
44
Lehizay, de misy areti-mifindra sy maloto i. Tsy maintsy mitarogna anazy hoe maloto ny mpisorogna noho ny aretina eo amin'ny lohany.
45
Ny ona ze misy areti-mifindra de tsy maintsy manao akanjo rovitsa, tsy maintsy asarakorako ny volony, de tsy maintsy manarogna ny tarehiny zizika eo amin'ny orony i sady mangaikaika hoe: 'Maloto, maloto .'
46
Mandritsa ny andro ze isiany areti-mindra aminazy de haloto i. Satria maloto ny aretina ze mety mifindra i. De tsy maintsy mipetra-drery. Tsy maintsy mipetraka agny ivelan'ny toby i.
47
Ny akanjo ze nifindran'ny maty fotsy, na volon'ondry zay na lamban-drongony fotsy majinika,
48
na raha vita tamin'ny tegnina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony fotsy majinika na hoditsa na raha vita tamin'ny hoditsa -
49
raha misy fifindrana manopy maintso na manopy mena amin'ny akanjo, ny hoditsa ny tegnona, na fitaovana fanjairana, na raha vita tamin'ny hoditsa, de maty fotsy miparitaka za; tsy maintsy atoro amin'ny mpisoroogna zay.
50
Tsy maintsy mijery ny maty fotsy ny mpisorogna; tsy maintsy hatokany mandritsa ny hafitoana ny raha aby ze maty fotsy.
51
Tsy maintsy mijery ndraika ny maty fotsy i amin'ny andro fahafito. Lehe niparitaka tamin'ny akanjo na raha vita tamin'ny tegnona, nozaairina tamin'ny volon'ondry na fitaovana tamin'ny rongony fotsy majinika, na hoditsa na raha ze napiasaina hoditsa, de maty fotsy mapidi-doza zay, de maloto zay raha zay.
52
Tsy maintsy doroana ny akanjony,na raha vita tamin'ny tegnona, nozaraina tamin'ny volon'ondry na fitaovana rongony fotsy, na hoditsa na raha vita tamin'ny rongony fotsy, raha kely ze hita tamin'ny maty fotsy mapidi-doza i, fa mety hitondra aretina zay. Tsy maintsy doroana tanteraka zay.
53
Lehe mijery ny singa ny mpisorogna sady mahita fa tsa niparitaka tamin'ny akanjo na ny raha notenonina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony, fitaovana hoditsa ny maty fotsy, de hibeko an-dreo i mba hanasa ny raha ze nahitana ny maty fotsy,
54
de tsy maintsy hatoka-monigna mandritsa ny hafitoana zay.
55
Sy avy eo de hijery ny singa ny mpisorogna sy efa voasasa ny raha misy maty fotsy, Nako de tsa niova ny lokon'ny maty fotsy, de tsa niparitaka zay, de malooto foagna zay. Tsy maintsy doroanareo ny singa, na taia na taia ro nifindran'ny maty fotsy.
56
Lehe mijery ny singa ny mpisorogna, sady lehe matromatroka ny maty fotsy sy efa voasasa, de tsy maintsy mandriatsa ny faritsa maloto eo amin'ny akanjo na eo amin'ny rongony fotsy, na eo amin'ny tegnona na fitaovana fanjairana i.
57
Lehe vona miboaka amin'ny akanjo hatragny ny maty fotsy, na amin'ny tegnona na amin'ny fitaovana fanjairana, na amin'ny raha aby nto tamin'ny rongony fotsy, de miparitaka Zay. Tsy maintsy mandoro ny raha aby ze nisy ny maty fotsy agnareo.
58
Ny lamba na raha vita tamin'ny tegnona na nozairina tamin'ny volon'ondry na raha vita tamin'ny rngony fotsy, na hoditsa na raha vita tamin'ny hoditsa--- lehe manasa agnareo ko miala ny maty fotsy, de tsy maintsy sasàna fagnindroany ny raha, de hadio zay.
59
Izay ro lalàna momba ny maty fotsy amin'ny akanjo volon'ondry na rongony fotsy majinika, na raha notenognina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony fotsy majinika na hoditsa na raha vita tamin'ny hoditsa, mba hafahanareo milaza na madio zay na maloto