Toko faha 8

1 Zao ro nasehon'ny Tompo Yaveh taminahy. Indro, voankazon'ny fahavaratsa zaika harona! 2 Hoy I hoe: "Ina ro hitanao, ry Amosa?" De hoy aho hoe: "Ny haron'ny voankazo fahavaratsa." De hoy i Yaveh taminahy hoe: "Efa avy amin'ny Israely vahoakako ny farany; tsa hamindra fo amindreo koa Aho. 3 Ho lasa fidradradradrana ny hiran'ny tempoly. Tamin'izay andro izay_Izay ro fanambaran'ny Tompo Yaveh. Ho betsaka reo faty, de hatsipindreo mangingina eny amin'ny tontolo eny!" 4 enoy zao, agnareo zay manitsaka ny ory sy manilika ny mahantran'ny tany. 5 Hitarogna reo hoe: "Amvina ro ho tapitsa ny volagna vaovao, mba hafahantsika mivarotsa vary ndraika? Amvina ro ho tapitsa ny andro Sabata, mba hafahantsika mivarotsa vary? Hataontsika kely ny famarana ary hampiakarina ny vidim-bary, ary hangalatsa amin'ny mizàna diso tsika. 6 Izay de mba hahafahantsika mivarotsa vary ratsy, vidio amin'ny volafotsy ny ory, ary ny mahantra amin'ny kapa." 7 Nianiana tamin'ny fireharehan'i Jakoba i Yaveh hoe: "Tena tsa ho adinoko mandrakizay mihitsy ny nataondreo." 8 Tsa hihorohoro noho izay ve ny tany, ary ny ona aby zay mitoatsa ho ao amin'izay de misaona? Ny ankabetsahan'izay de hijoro sahala ny Onin'ny Neily, ary hisamboaravoara sy hilentika ndraika zay, sahala ny Onin'ny Egypta. 9 De ho avy zay amin'io andro io_zay ro fanambaran'ny Tompo Yaveh_fa hampiposaka ny masoandro amin'ny mitatao vovonana Aho, ary hanamaizina ny tany amin'ny atoandro. 10 Hamadika ny firavoravoanareo ho fisaonana Aho ary reo hiranareo aby ho fitomaniana. Hampanaoviko ny akanjo fisaonana aby agnareo ary ho sola ny lohan'ny tsirairay. Hanao zay ho sahala ny fisaonana ho an'ny zanaka lahitokana zay, ary andro mangidy agny amin'ny faran'izay. 11 dro, avy ny andro_izay ro fanambaran'ny Tompo Yaveh_Sý handefa mosary amin'ny tany Aho, tsa mosary mofo, na koa hetaheta rano, fa ho amin'ny fitaignoana reo tarogn'i Yaveh. 12 Hivembena erakin'ny ranomasina reo; de hiazakazaka hatagny avaratsa ka hatrany atsinanana mba hitady ny tarogn'i Yaveh, saingy tsa hahita izay reo. 13 Amin'izay andro zay reo virijiny soa endrika sy reo liaka de ho ketraky ny hetaheta. 14 Ireo zay nianiana tamin'ny fahotan'i Samaria de ho lavo reo ary tsa hijoro koa."