Toko faha 7

1 Zay ro nasehon' i Yaveh taminahy. Indro, namorona valala be i sý nanomboka niakatsa ny vokatsy ny lohataogna, ary indro, taraiky ny vokatsa tafaran'ny vokatsy ny mpanjaka. 2 Sý tapy nihomana ny vokatsy ny tany reo, de hoy aho: "Ry Tompo Yaveh, mba mamindrà re fo aminahy, akory ro haveloman'i Jakoba? Satria de tena bitika i?" 3 ka nanatsahatra ny momba izay Yaveh. "Tsa hiseho zay", hoy I. 4 Zao ro nasehon'i Tompo Yaveh anahy: Indro, mikaika amin'ny fitsaran'ny afony Tompo YAveh. Zay ro nanamaina ny tany malalaka, ny rano laligna ambanin'ny tany ary handevona ny tany koa. 5 Nefa hoy aho hoe: "Tompo Yaveh o, ajanony reo: ahoana ro haveloman'i Jakoba? Fa tena bitika i." 6 De nanatsahtra ny momba zay i Yaveh hoe: "Tsa hiseho koa zay," hoy ny Tompo Yaveh. 7 Zao ro nasehony anahy: Indro, nijoro takaikin'ny rindrigna ny Tompo, niaraka tamin'ny vato pilao teny an-tagnany. 8 Yaveh nanao taminahy hoe: "Ry Amosa, Ina ro itanao?" De hoy aho: "Vato pilao milahatsa." Ary hoy ny Tompo hoe: "Indro, hametraka pilao eo amin'ny Israely vahoakako Aho. Tsa hamindra fo amindreo koa Aho. 9 Horavana reo fitoerana avon'i Isaka hopotehina reo fitoerana masin'ny Israely, ary hijoro hanohotsa amin'ny sabatsa ny taranak'i Jerosalema Aho." 10 Ary Amazia, ilay mpisoron'i Betela, nandefa hafatsa tagny amin'ny Jeroboama, mpanjakan'Israely hoe: "Efa nitetika hanohitsa agnao eo anivon'ny taranak'Israely i Amosa. Tsa zakan'ny tany reo tarogna aby. 11 Fa zao ro tarogn'i Amosa: 'Ho faty amin'ny sabatsa i Jeroboama, ary ho sesi-tany hiala amin'ny taniny tokoa ny Israely." 12 Amazia nitarogna tamin'i Amosa hoe: "Ry Mpahita, mipodiana agny amin'ny tanin'i Joda, ary mihinana mofo sy maminania agny. 13 Fa aza manao faminaniana eto Betela koa, satria fitoerana masin'ny mpanjaka sy tranon'ny mpanjaka ity." 14 De hoy i Amosa tamin'i Amazia hoe: "Tsa mpaminany aho na zanaky ny mpaminany. Mpiandry ondry sy mpikarakara hazo amontana ary aviavy aho. 15 Fa naka anahy hatagny ampiandrasan'ondry i Yaveh ary nitarogna taminahy hoe: "Mandihiana, ka maminania amin'ny Israely vahoakako." 16 Zao mitainò ny tarogn'i Yaveh. Hoy agnao hoe: "Aza maminany hanohitsa an'i Israely, ary aza mitarogna manohitsa ny taranak'Isaka." 17 Noho zay de zao ro lazain'i Yaveh: "Ho lasa mpivaro-tena ao an-tanàna ny vadinao; reo zanakalahinareo sy reo zanakavavinareo de ho lavo amin'ny alalan'ny sabatsa; horefesina ny taninao ary hozaraina; ho faty ao amin'ny tany maloto agnao, ary halefa sesi-tany hiala ao amin'ny taniny tokoa ny Israely."'