Toko faha 6

1 LOza ho an'ireo zay mahazo aigna ao Ziona, ary ho an'ireo zay milamina ao amin'ny tany havoan'i Samaria, reo olo-malaza hatagny amin'ireo firenena soa indrindra, zay hiavian'ny taranak'Israely mba ho vonjena! 2 Hoy reo mpitarika agnareo: "Mandihiana agny Kalne ka mijere; avy ao de mandihiana any Hamata, ilay tanàna lihibe; sy ateo de midìna any Gatan'ireo Filistina. Moa ve soa noho reo fanjakanao roa reo? Moa ve lihibe noho ny farotaninao ny faritanindreo?" 3 Loza ho andreo ze mampihemotsa ny andron'ny loza sy mampanakaiky ny seza fiandrianan'ny herisetra. 4 Mandry eo am-pandriagna ivory reo ary mitsotsotra eo am-parafarandreo. Mihinana zanak'ondryhatagny amin'ireo ondry aman'osy reo ary zanak'ondry hatagny amin'ny fihinanam-bilona. 5 Nihra reo hira adaladala tamin'ny feon'ny harpa re; namoromporona raha maneno sahala ny nataon'i Davida. 6 Nisotro divay tamin'ny lovia jobo reo ary nihositsa diloilo soa indrindra, nefa tsa nalahelo ny amin'ny faharavan'i Josefa. 7 Koa handeha an-tsesitany miaraka amin'ireo sesitany voalohany reo zao, ary ny firavoravoandreo ze mitsotsotra de ho foagna. 8 "Iaho, Tompo Yaveh, de efa nianiana tamin'ny tenako_zay ro fanambaran'ny Tompo Yaveh, Andriamagnitsa Tompon'ny maro, halako ny fieboeboan'i Jakoba; halako ny fiarovana mafiny. Koa hanolotsa ny tanàna sy zay aby ao aminazy. 9 y lehe misy folo tavela ao an-drano raika, de ho faty aby manontolo reo. 10 Lehe misy ny fatindreo_ny raika zay handoro ny fatindreo sy tapy nitondra reo faty mivoaka ny trano_lehe mitarogna amin'ny ona ao an-dragno i hoe: "Misy ona miaraka aminao ve ao ao?" Lehe mamaly zay ona zay hoe: "Tsia. De hitarogna i hoe: "Mangìna, fa aoka tsika tsa hanonona ny agnaran'i Yaveh." 11 Fa indro, hanome baiko Yaveh, ka ho torotoro ny trano lihibe ary ho potipotika ny trano kely. 12 Moa ve ny soavaly miridiridy amin'ny harambato? Moa ve misy ona mampihosy ny omby ao ao? Nefa namadika ny fahamarinana ho poizina agnareo ary ny vokatsy ny fahamarinana ho fangidiana. 13 Agnareo zay mifaly amin'i Lodebara, zay manao hoe: "Moa ve tsa efa naka an'i Karnaima tamin'ny herinay ihany agnay?" 14 "Nefa indro, hanangana firenena hanohitsa agnareo Aho, ry taranak'Israely_zay ro fanambaran'ny Tompo Yaveh, Andriamagnitsa Tompon'ny maro. Hampahory agnareo manomboka ao Lebo-hamata hatragny amin'ny lihasahan-driakan'i Araba reo."