Toko faha 5

1 Tenoy ity tarogna zay nalaiko ho fitarainana eo aminao ity, ry ankohonan'Israely. 2 Lavo ny virijinin'Israely; ary tsa hitsangana koa i; nazera tamin'ny taniny i; ary tsa misy na de raika aza hanangana anazy. 3 Fa izao ro lazain'i Tompo Yaveh: "Ilay tanàna zay nivoahan'ny arivo de hanana zato tavela, ary ilay raika zay nivoahan'ny zato de hanana folo tavela zay an'ny ankohonan'Israely." 4 Fa zao ro lazain'i Yaveh tamin'ny ankohonan'Israely hoe: "Tadiavo Aho de ho velogna agnao! 5 Aza mitady an'i Betela; na miditsa any Gilgala; aza mandeha any Beri-sheba. Fa Gilgala de azo antoka fa ho babo, ary ho lasa tsinontsinona i Betela. 6 Tadiavo Yaveh de ho velogna agnao lehe tsa izay de hivoaka sahala ny afo ao amin'ny ankohonan'i Josefa I. Handrapaka izay, ary tsa hsy na ia na ia hamono isay any Betela. 7 Ireo ona reo de hamadika ny rariny ho raha mangidy ary hanipy ny fahamarinana amin'ny tany!" 8 Andriamagnitsa nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy; mamadika ny haizina ho maraina I; manao ny andro ho maizina miaraka amin'ny aligna I ary mikaika ny ranon'ny ranomasina; mandrarala reo amin'ny velaran-tany I. Yaveh ro agnarany! 9 Mitondra faharinganana tampoka eo amin'ny mahery i mba ho avy eo amin'ny fiarovana mafy ny fandravana. 10 nkahala ny ona aby zay manitsy andreo ao amin'ny vavahadin'ny tanàna I, ary mankahala ny ona aby zay mitarogna ny marina reo. 11 Satria manitsakitsaka reo mahantra agnao ary maka ampaham-bary aminazy_na de nanorina trano vita tamin'ny vato aza agnao, de tsa hitoatsa ao amin'izay. Manana tanim-boaloboka mahafinaritsa agnao, nefa tsa hisotro ny divain'izay agnao. 12 Fa fantatso ny isan'ireo fandikan-dalànao sy halehiben'ireo fahotanao_agnao zay mampahory ny rariny, mandray ny kolikoly, ary mivily amin'ireo ona mila fanampina ao amin'ny vavahadin'ny tanàna. 13 Noho izay de mangina amin'ny fotoagna sahala izay ny olon-kendry, satria fotoagna ratsy izay. 14 tadiava ny soa fa tsa ny ratsy, mba ho velogna agnao. Noho izay Yaveh, Ilay Andriamagnitsy ny maro, de tena homba agnao, araka ny lazainao fa I. 15 Hankahalao ny ratsy, tiavo ny soa, apetraho ny rariny ao amin'ny vavahadin'ny tanàna. Angamba Yaveh ilay Andriamagnitsy ny maro hamindra fo amin'ireo sisa navelan'i Josefa. 16 Noho izay, zao ro lazain'i Yaveh, ilay Andriamagnitsy ny maro, ny Tompo hoe: "Ny fidradradradrana de ho amin'ny reo efa-joro aby, ary hilaza izay any amin'ny lalana aby reo, "Loza, loza!" Hikaika reo mpamboly mba ho amin'ny fisaonana reo ary reo malahelo mba hidradradradra. 17 Hisy fidradradradrana aby ao amin'ireo tanim-boaloboka, satria handalo ao ampovoanareo Aho," hoy Yaveh. 18 za ho anareo zay maniry ny andron'i Yaveh! Nanina agnareo ro maniry ny andron'i Yaveh? Ho famaizinana izay ary tsa hisy hazavana, 19 sahala ny ona milefa liona sy bera mifanena aminazy, na miditsa ao amin'ny trano sy mametraka ny tanany eo amin'ny manda de manaikitsa anazy ny menarana. 20 Moa ve ny andron'i Yaveh tsa aizina fa tsa hazavana? Haizim-pito ary tsa misy famirapiratagna? 21 "Halako, hataoko tsinontsinona ny firavoravoanareo, tsa maka maminy amin'ireo fivondronanareo manetriketrika Aho. 22 Na de manolotsa fanatitsa dorana sy fanatitsa hihanina Aminahy aza agnareo, de tsa handray reo Aho, na hijery ny fanati-pihavanan'ireo biby matavinareo. 23 Esory taminahy ny tabataban'ireo hiranareo; tsa hitaigno ny feon'ny lokanganareo aho. Fa kosa, avelao hikoriana sahala ny 24 rano ny rariny, ary ny fahamarnana sahala ny renirano mikoriana lalandava. 25 Nitondra sorona sy fanatitsa tagny an'efitsa nandritsa ny efa-polo taogna ho anahy ve agnareo, ry ankohonan'Israely? 26 Hanandratsa an'i Sokita ho mpanjakanareo agnareo, ary Kiona, andriamagnitsy ny kintanareo_sampy zay nataonareo ho agnareo. 27 Noho izay de halefako sesitany mihoatsan'i Damaskosy agnareo," hoy Yaveh, zay Andriamagnitsy ny maro ro agnarany.