Toko faha 4

1 Tainò zao tarogna zao, agnareo ry ombivavin'i Basana, agnareo ze agny an-tendrombohits'i Samaria, agnareo ze mampahory ny mahantra, agnareo ze manorotoro ny ory, agnareo ze milaza amin'ny vadinareo hoe: "Itondray raha hosotroana agnay." 2 Efa nianiana tamin'ny fahamasinany ny Tompo Yaveh hoe: "Indro, ho avy aminareo ny andro zay hakandreo agnareo amin'ny farango, ary ny sisa aminareo amin'ny fintana. 3 Hivoaka eo amin'ilay vaky eo amin'ny mandan'ny tanàna agnareo, samy hanitsy amin'izay aby, ary hatsipy any ivelany mankany Harmona agnareo-izay ro fanambaran'i Yaveh." 4 "Mandihiana any Betela de manotà any Gileada ka ampitomboy ny fahotana, fero isa-maraina ny soronareo, ny ampahafolon-karenareo isaky ny telo andro. 5 Manomeza sorona fanati-pisaorana miaraka amin'ny mofo; manambarà fanati-pisaorana' torio reo, fa mahafinaritsa agnareo zay, ry onan'Israely-izay ro fanambaran'ny Tompo Yaveh. 6 Nameko fanadiova-nify agnareo tagny amin'ny tanànareo aby ary tsa fahampian'ny mofo tao agnatin'ny toerana aby. Nefa tsa nipody taminahy ihany agnareo-izay ro fanambaran'i Yaveh. 7 Nanakana ny oragna tsa ho eo aminareo ihany koa Aho lehe raha vana nisy telo volagna hijinjana. Nataoko nanorana teo amin'ny tanàna raika, ary nataoko tsa nanorana teo amin'ny tanàna raika hafa. Ny ampajan-tany nisy oragna, fa ny ampahany hafa zay tsa mba nisy oragna de maigna. 8 Tanàna roa na telo no nivembena nankany amin'ny tanàna raika hafa mba hisotro rano, saingy tsa afa-po. Nefa tsa nipody taminahy ihany agnareo_zay ro fanambaran'i Yaveh. 9 Nampahory agnareo tamin'ny fahamainan'ny voly sy ny bobongolo aho. Ny habetsahan'ny sahanareo, ny tanim-boalobokareo, ny hazon'aviavinareo, ary ny hazon'olivanareo_efa narapaky ny valala aby i. Nefa tsa vana nipody taminahy ihany agnareo_zay ro fanambaran'i Yaveh. 10 Nandefa areti-mandringana teo aminareo sahala ny teo amin'ny Egypta Aho. Novonoiko tamin-tsabatra ny liakanareo, nalaiko ny ny soavalinareo, ary nataoko teo amin'ny vavoronareo ny hamaimbon'ny tobinareo. Nefa tsa nipody taminahy ihany agnareo_zay ro fanambaran'i Yaveh. 11 Nandringana tanàna teo aminareo aho, sahala ny tamin'ny nandringanan'Andriamagnitsa an'i Sodoma sy Gomora. Efa sahala amin'ny tapa-kazo mirehitsa nosintonina hatagny amin'ny afo agnareo. Nefa ysa nipody taminahy ihany agnareo_zay ro fanambaran'i Yaveh. 12 Noho izay de hanao raha mahatsiravina aminareo Aho, ry Israely; ary satria hanao raha mahatsiravina aminareo Aho, de miomàna hihaona aminAndriamagnitsareo, ry Israely! 13 Fa indro, ilay nanao ny tendrombohitsa ihany koa ro nahary ny rivotsa, mampiseho ny heviny amin'ny zanak'olombelona, mahatonga ny maraina ho aizina, ary manosihosy ny toerana avon'ny tany. Yaveh, Andriamagnitsa Tompon'ny maro, ro Agnarany."