Toko faha 3

1 Tegnoy zao tarogna zay notarognina'i Yaveh taminareo zao, ry onan'Israely, amin'ireo fianakaviana aby zay noferiko hivoaka ny tany Egypta: 2 "Agnareo rery ro nofidiko amin'ireo fianakaviana aby eto ambonin'ny tany. Noho izay, de hofaiziko agnareo noho reo otanareo aby. 3 Moa ve hiaraka handeha ny roa lehe tsa niombon-kevitsa reo? 4 Moa ve hierona any an'ala ny liona lehe tsa misy haza i? Moa ve hierona ao an-davany ny liona tanora lehe tsa nahazo na ina na ina i? 5 oa ve afaka migebona agnaty fandrika ety amin'ny tany ny vorona lehe tsa misy tadivavaragna voapetraka ho anazy akory? Moa ve hikatona ny fandrika ety amin'ny tany lehe tsa nahazo na ina na ina akory i? 6 Haneno ao an-tanàna ve ny trompetra ka tsa hangovitsa ny ona? Ho avy ao an-tanàna ve ny loza lehe tsa i Yaveh ro nandefa izay? 7 Azo antoka fa tsa hanao na ina na ina i Tompo Yaveh lehe tsa manambara reo fikasany amin'ireo mpaminany mpanompony I. 8 Ia ro tsa hahatahotsa; lehe mierogna ny liona? Efa nitarogna ny Tompo Yaveh, ia ro tsa haminany? 9 Ambarao any amin'ireo fiarovana mafin'i Asdoda izay, ary any amin'ny fiarovana mafin'ny tany Egypta; lazao hoe: "Miangòna agnareo eny amin'ireo tendrombohits'i Samaria ary jireo ny fifanjevoana be zay ao aminazy, ary ina ny fahoriana ao aminazy. 10 Fa tsa mahalala ny fanaovana ny marina reo-izay ro fanambaran'i Yaveh-Mitahiry herisetra sy faharavana ao amin'ny mandany reo." 11 Noho izay, zao ro lazain'ny Tompo Yaveh hoe: "Hiodidigna ny tany ny fahavalo. Handrava reo fiarovanao mafy i ary handroba reo mandanao. 12 Izao ro lazain'i Yaveh: "Sahala ny famonjen'ny mpiandry ondry ny tongotsa roa fotsiny amin'ny vavan'ny liona, na sombin'ny sofina, ro hamonjena ny onan'Israely zay mitoatsa any Samaria, eo an-joron-tseza fotsigny, na koa eo an-jorom-parafara ihany." 13 Mitainò ary mijoroa ho vavolombelogna manohitsa ny ankohonan'i Jakoba-Zao ro fanambarana nataon'ny Tompo Yaveh, Andriamagnitsa Tompon'ny maro: 14 Fa amin'ny andro zay hamaizako reo fahotan'Israely, de ho faiziko koa ny alitaran'i Betela. Hotapahina reo tandroky ny alitara ary hianjera amin'ny tany. 15 Horavako ny trano ririnina miaraka amin'ny trano fahavaratsa. Ho simba ny trano ivory ary reo tranobe de hanjavona,-Izay ro fanambaran'i Yaveh."