Toko faha 2

1 zao ro lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'i Moaba, eka na efatsa aza, de tsa hanala ny famaizana Aho, satria reo de nandoro reo taolan'ny mpanjakan'i Edoma ho sokay. 2 Handefa afo eo amin'i Moaba Aho, ary holevoniko ny fiarovana mafin'i Kiriota, ho faty ao anatin'ny kotaba sy hiaka ary feon'anjomara i Moaba. 3 Ho ravako ny mpitsara ao aminazy, ary ho vonoiko miaraka aminazy aby ny andriana," hoy i Yaveh. 4 Zao ro lazain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'i Joda, eka na efatsa aza, de tsa hanala ny famaizana Aho, satria reo de nanary ny lalàn'i Yaveh ary tsa nitandrigna reo didiny. Nampandeha andreo tagny amin'ny lalan-diso ny laingandreo, de nandeha nanaraka izay koa reo razany. 5 Handefa afo eo amin'i Joda Aho, ary levoniko reo fiarovana mafin'i Jerosalema." 6 Zao ro larain'i Yaveh: "Noho reo fahotana telon'i Israely, eka efatsa aza, de tsa hanala ny famaizana Aho. Satria namidindreo volafotsy ny tsa manan-tsiny ary ny mahantra ho kapa. 7 Nanitsaka ny lohan'ny mahanttra sahala ny fanitsahan'ny ona ny vovoka amin'ny tany reo; nandroaka ny ory reo. Ny liaka sy ny abany de samy mandry amin'ny ampela raika ihany ary mandoto ny agnarako masina. 8 Mandry eo anilan'ny alitara aby amin'ny akanjo azo tamin'ny antoka reo, ary ao an-dranon'Andriamagnindreo ro hisotroany ny divay zay hatagny amin'ireo voasazy. 9 Nefa efa noravako teo alohandreo ny Amorita, ny halavan'izay de sahala ny halavan'ny sedera, natanjaka sahala ireo Ôka. efa noravako ny voany ambony, sy ny fakany ambany. 10 Ary koa, nitondra agnareo nivoaka hatagny amin'ny tany Egypta Aho de nitarika agnareo efapolo taogna tagny an'efitsa mba ahazoana ny tanin'i Amorita. 11 Nanandratsa mpaminany tamin'ireo zanakalahinareo sy Nazirita hatagny amin'ireo zatovonareo Aho. Moa tsa izay ve, ry vahoakan'Israely? -Izay ro fanambaran'i Yaveh. 12 Nefa agnareo de nandresy lahatsa reo Nazirita hisotro divay ary nandidy reo mpaminany tsa haminany. 13 Indro, hanitsaka agnareo sahala ny fanitsahan'ny sarety feno vary ny ona Aho. 14 Tsa hahita hilefana ny ona kinga; tsa hampitombo ny heriny ny matanjaka; na ny mahery hahavonjy ny tenany. 15 a ahajoro ny mpandefa tsipìka; tsa ho afa-milefa ny mpihazakazaka mailaka fandeha; tsa hahavonjy ny tenany ny mpitaingin-tsoavaly. 16 Na de ny mpiady be herim-po aza de hilefa mitanjaka amin'izay andro izay-Izay ro fanambaran'i Yaveh."