Toko faha 9

1 Nahita ny Tompo nijoro teo akaikin'ny Alitara aho, ary hoy I hoe: "Kapohy ny tendron'ireo andry mba hihozona reo fototsa. Torotoroy aby ny eny amin'ny lohany eny, ary hamono amin'ny sabatsa ny sisa tavela amindreo Aho. Tsa misy raika hilefa amindreo, tsa misy ho tafalefa amindreo. 2 Na handavaka agny amin'ny fiainan-tsi-hita aza reo, de ny tanako ro haka andreo any. Na de hiakatsa eny amin'ny lagnitsa aza reo, de ho feriko mijotso. 3 Na de miafina agny an-tampon'ny karmela aza reo, de hikaroka ary haka andreo Aho. Na de miafina agny ambanin'ny ranomasina aza reo, de haniraka ny bibilava agny Aho, ary hanakitsa andreo zay. 4 Na de mandeha ao amin'ny fahababoana aza reo, ferin'ny fahavalony eo anoloandreo, de hanome baiko ny sabatsa Aho, ary hamono andreo zay. Hijery andreo foagna ny masoko mba hanimba fa tsa hanao soa andreo." 5 Yaveh Tompon'ny maro de nikasika ny tany ary lasa karakaina zay; ny raha aby zay miaina ao amin'izay de misaona; hiakatsa sahala ny Ony zay aby zay, ary hilentika ndaika sahala ny onin'i Egypta, 6 I ro nanamboatsa reo tohany agny an-danitsa, ary efa nametraka ny andohalambony manerana ny tany. Nikaika ny ranon'ny ranomasina I, ary nandraraka zay teo amin'ny velaran-tanindreo, Yaveh ro agnarany. 7 Tsa sahala ny vahoakan'Israely? _ say ro fanambaran'i Yaveh. Tsa nitondra an'Israely hivoaka an'i Egypta, reo Filistina hatagny Kreta, ary reo Syriana hatagny Kira ve Aho? 8 Indro, eo amin'ny fanjakana mpanota ny mason'ny Tompo Yaveh, ary hamongotsa anazy tsa ho eto ambinin'ny tany Aho, nefa tsa hamotika tanteraka ny tranon'i Jakoba aho_ zay ro fanambaran'i Yaveh. 9 Indro, hanome baiko, ary hanozongozona ny zanak'Israely eo amin'ny firenena aby Aho, sahala ny ona manivana vary amin'ny sivana, mba tsa hilatsahan'ny vato kely amin'ny tany. 10 Ny mpanota aby hatagny amin'ny vahoakako de ho faty amin'ny sabatsa, reo zay milaza hoe: 'Tsa hahatratsa na hanatona antsika ny loza.' 11 Amin'izay andro zay de hanangana ny trano lain'i Davida zay nigebona Aho, ary hanampina reo bangany. Hatsangako reo faharavany, ary hamboariko ho sahala ny tamin'ny andro fahiny zay. 12 Mba hanandreo ny sisa tavela an'i Edoma, ary ny firenena aby zay nokehina tamin'ny agnarako_zay ro fanambaran'i Yaveh_nanao zay I. 13 Indro, ho avy ilay andro_zay ro fanambaran'i Yaveh_ sý mahatratsa ny fijinjana ny mpiasa-tany, ary reo mpioty voaloboka de hahatratsa anazy zay namboly ny voany. Reo tendrombohitsa de hampiboiboika divay mamy, ary reo havoana aby de hikoriana miaraka amin'izay. 14 Ho feriko mipody hatagny amin'ny fahababoana ny vahoakako Iasraely. hanangana reo tanàna rava reo ary hitoatsa amin'izay, hamboly tanim-boaloboka reo ary hisotro ny divain'izay, ary hanao zaridaina reo ary hihinana ny vokats'izay. 15 Hamboly zay eo amin'ny tanindreo Aho, ary tsa hihozongozona eo amin'ny tany zay nomeko andreo koa mihitsy reo," hoy i Yaveh Andriamagnitsareo.