Toko faha 3

1 Fa fantaro izao: ame andro farany da hisy gne fotoan-sarotry. 2 Satria gn'olo ho tia tegna, tia vola, ho mpirehareha, ho mpandoka tegna, ho mpanevateva an'Andriamanitry, tsy magnaraky zakan'e ray aman-dreny, tsy misaotry, da tsy masigny. 3 Tsy hanamp-pitiavagny e fianakaviany indreo, mpanohitohitry, mpagnendrikendriky, tsy hahafehy tegna, hahery setra, tsy ho tia gne tsara. 4 Ho mpamadiky indreo, tsy misy mieritreritry, mpagnambony tegna, tia fahafinaretagny mihoatry gne tia an'Andriamanitry. 5 Hanagny gne toetry ako an'Andriamanitry indreo, kanefa da handà gne heriny. Mialà ame olo akoizany. 6 Satria gne sasany tamindreo da gne lelà izay miditry an-tokantrano sady mambabo gne viavy adala. Gne viavy izay tsy afaky ame fahotagny sady voatariky ame filàgny samby hafa. 7 Io viavy io da mianatry fezay, kanefa tsy ho avy ame fahafantaragny gne fahamarinagny mihintsy. 8 Akoizany avakoa i Jana izy am'i Jambra nitsangagny nanohitry an'i Mosesy. Tamin'izany da nitsangagny avakoa gne mpampianatry sandoky hanohitry gne marina. Indreo da lelà simba fiainagny, tsy nankasitrahagny tame finoagny. 9 Fa tsy handroso lavitry indreo. satria gne hadalany da ho hita mazava ame olo agnaby, ako e an'io lelà aby io. 10 Fa raha anareo, da efa nagnaraky gne fampianarako, gne fitondragny, gne fikasagny, gne finoagny, gne faharetam-po, gne fitiavagny, gne faharetagny, 11 gne fagnenjehagny, gne fijaliagny, da izay nitranga taminà tagny Antiokia, tagny Ikonioma da tagny Lystra. Niharitry gne fagnenjehagny iao. Avy amin'io aby, da namonjy anà gne Tompo. 12 Izay te-hiaigny arak'e fomban'Andriamanitry ao amin'i Kristy Jesosy aby da ho enjehigny. 13 Gne olon-dratsy izy ame mpisandoky da ho agny ame ratsy kokoa fezay. Indreo da hitariky gne olon-kafa ho agny ame lalan-diso. Sady indreo tegnany da ho voatariky amin'izany. 14 Fa raha anareo, mipetraha ame raha izay efa niaignanareo izy amin'izay efa ninoanareo mafy hoe avy amin'ia e efa niaignanareo. 15 Fantatrareo fa nanomboky tame fahazazagny da efa nahalala gne asa soratry masigny anareo. Izany da hahavita hampahendry anareo ho ame famonjegny ame alalan'e finoagny an'i Jesosy Kristy. 16 Gne Soratry Masigny agnaby da avy ame tsindrimandrin'Andriamanitry. Izany da tombony ho an'e fotoam-pampianaragny, ho an'e fanondroagny gne diso, ho an'e fagnitsiagny, sady ho an'e fampiofanagny ame fahamarinagny. 17 Izany da mba hahalasa gne lelan'Andriamanitry hahay tsara, sady ho voaomagny tanteraky ame asa tsara rehetra.