Toko faha 2

1 Noho izany anao sa zanako, mahereza ao ame fahasoavagny izay ao am'i Jesosy Kristy. 2 Gne raha renareo tamina teo ankatrefan'e vavolombelo maro, da hankino ame olo atokisagny izay afaky hampianatry gne sasany koa. 3 Mihareta raha sarotry miaraky aminà, ako e miaramila tsaran'i Jesosy Kristy. 4 Tsy misy miaramila manompo raha mbola voafandrik'e raharahan'izao fiainagny izao, mba ahafahany mampifaly gne lehibeny. 5 Da raha misy olo mifaninagny ako gne atleta, da tsy mandray gne satro-boninahitry izy raha tsy mifanagny ame alalan'e fitsipiky. 6 Ilaigny gne fandraisan'e mpamboly izay miasa mafy gne anjara vokatry voalohany. 7 Saigno gne momba izay zakaiko, fa gne Tompo gne hagnome anareo gne fahatakaragny ame raha agnaby. 8 Tsarovy Jesosy Kristy, avy ame taranak'i Davida, izay natsangagny tamin'e maty. Izany da arak'e hafatr'e filazantsarako, 9 izay mampijaly anà gne ame famiezagny ako gne mpamono olo. Fa gne zakan'Andriamanitry da tsy voafehy. 10 Noho izany hiaretako gne raha aby ho an'e voaafidy, mba ho afaky handray gne fagnavotagny izay ao am'i Kristy Jesosy avakoa indreo, miaraky ame voninahitry mandrakizay. 11 Ity zaka ity da mendri-pitokisagny: "Raha maty niaraky tamin'azy itsika, da ho velogny hiaraky amin'azy avakoa. 12 Raha miaritry itsika, da hanjaka hiaraky amin'azy avakoa. Raha handa an'Azy itsika, da handa antsika avakoa Izy. 13 Raha tsy matoky itsika, da hahatoky avao Izy, satria tsy afaky manda gne tegnany Izy." 14 Ampahatsiahivo andreo avao io raha io. Ampitandremo eo ankatrefan'Andriamanitry indreo mba tsy hifamaly mikasiky gne zaka. Noho io da tsy misy raha ilaigny. Noho io da misy fahasimbagny ho an'izay miteno. [Fagnamarihagny : gne dikan-teny sasany da magnano hoe: "Ampitandremo eo ankatrefan'Andriamanitry indreo."] 15 Omeo gne tsara lat'aminao mba hanoloranao tegna ho an'Andriamanitry ako gne ekegny, mpiasa izay tsy managny antony hahamegnaragny, izay mpampianatry gne zakan'e fahamarinagny ame tokony ho izy. 16 Hialay gne zaka fanevatevagny, izay mitondra tsikidikidy agny ame faharatsiam-pagnahy. 17 Gne resakindreo da hiely ako gne fery mandoaky. Eo ategnategnan'e Hymenreo izy ame Fileto. 18 Indreo gne lelà tsy mba nahalala gne marigny. Mizaka indreo fa e fitsanganagny ame maty da efa nitranga. Simbaindreo gne finoan'e sasany. 19 Ndre da izany, gne fototry mafy orin'Andriamanitry da mijoro. Managny ity soratry ity: "Gne Tompo da mahafantary izay an'azy" sady " Izay manogno e agnaran'e tompo da tsy maintsy miala ame tsy fahamarinagny." 20 Ao ame tragnon'e mpanan-draha, da tsy gne tragnon'e volamena izy ame volafotsy avao gn'ao. Misy avakoa gne fipetrahan'e hazo izy ame tanimanga. Gne sasany amindreo da ho ampiasaigny amim-boninahitry, da gne sasany ho ame fangalà baraka. 21 Raha misy olo magnadio gne tegnany ho afaky ame fahafaham-baraka, da fipetrahagny manan-kaja izy. Izy da voatokagny, ilain'e Tompony, sady voaomagny ame asa tsara agnaby. 22 Milefasa gne filan'e tanora. Mitadiava fahamarinagny. finoagny, fitiavagny, da fihavanagny miaraky amin'izay mangaiky gne Tompo ame fo madio. 23 F'izy, mandàva gne fagnontanitagny adala sady tsy misy fotony. Fantatrareo fa miteraky ady izany. 24 Gne mpanompon'e Tompo da tsy tokony mifamaly. F'izy tsy maintsy malemy fagnahy ame raha agnaby izy, mahay mampianatry, sady maharitry. 25 Tsy maintsy ao ame fahalemem-pagnahy e ampianaragny izay manohitry an'azy. Fa Andriamanitry angamba gne mety hagnome an'azy gne fibebahagny ho an'e fahalalagny gne marina. 26 Mety hody indraiky e fisaignandreo da hiala gne frandrik'e devoly, refa avy nosamboriny tame sitrapony.