Toko faha 4

1 Iao da magnome ity didy hentitry ity eo ankatrefan'Andriamanitry izy am'i Jesosy Kristy, izay hitsara gne velogny izy ame maty, sady nohon'e fiboahany izy ame fanjakany: 2 Mitoria gne Zaka. Mivognona na ame fotoagny na tsy ame fotoagny. Magnanara, mizaka mafy, mandrisiha, amim-paharetagny sady gne fampianaragny rehetra. 3 Satria ho avy gne fotoagny izay tsy hazakan'olo gne feon'e fampianaragny. F'izy, indreo da hifidy mpampianatry ho andreo arak'e fagniriany manokagny. Izany da hagnitikitiky gne sofindreo. 4 Hangala gne fitenomandreo gname fahamarinagny izany, da hivily ho agny ame tafasiry. 5 Kanefa anareo, eritrereto tsara gne raha agnaby. Hiareto gne raha sarotry; amboaro gn'asan'e evanjelista; tanteray gne fanompoanareo. 6 Satria efa hatolotry sahady iao. Efa avy gne fotoagny hialako. 7 Iao da efa nahavita gn'ady tsara; efa nahavita gne hazakazaky iao; efa notanako gne finoagny. 8 Gne satro-boninahitr'e fahamarinagny da efa voatokagny ho anà, izay homen'e Tompo, gne mpitsara marina, ho anà amin'izany andro izany, sady tsy ho anà raiky avao, fa ho an'izay efa nitia gne fiboahany avakoa. 9 Omeo aby izay tsara avy aminao mba handianagny aty aminà malaky. 10 Satria i Demasy efa niala anà. Tiany izao tontolo izao sady efa nandeha tagny Tesalonika izy. Kreska da nandea tagny Galatia, da i Titosy nandea agny Dalmatia 11 Lioka raiky avao gne miaraky amina. Alay i Marka da ento miaraky aminao satria ilaiko ame asa izy. 12 Tykiko da nalefako tagny Efesosy. 13 Gne lamba izay napetrako tao Troasy miaraky ame Karpo, ento igny refa avy anao, da gne boky, indrindra gne mifogno hoditry. 14 Aleksandro, gne mpanefy varahigny igny, da nampiharihary asa ratsy maro taminà. Gne Tompo da hamaly an'azy arak'e asany. 15 Anao avakoa da tokony hitandrigny gne tegnanao amin'azy, satria izy fa manohitry mafy gne zakanay. 16 Tame fiarovan-tegnako voalohany, tsy nisy nanohagny anà. Nefa, gn'olo agnaby da niala anà. Aoka mba tsy ho voaheloky amin'izany indreo. 17 Fa gne Tompo da nitsangagny teo agnilako sady nankahery anà mba gne fagnambaragny da afaky tanterahigny tanteraky ame alalako, sady mba afaky haharegny gne Jentilisa agnaby. Iao da avotry tame vavan'e liona. 18 Gne Tompo da hagnavotry anà ame asa ratsy agnaby sady hamonjy ana ame fanjakany agny an-dagnitry. Ho an'azy anie gne voninahitry mandrakizay doria. Amena. 19 Anio veloma i Prisila, da gne ankohonan'i Onesiforosy. 20 Erasto da nipetraky tao Korinto, fa i Trofimo da nialako fa narary i Mileto. 21 Omeo izay tsara indrindra avy aminao mba hiaviagny alohan'e rirignigny. Magnano veloma anao i Eolobolo, da i Poda avakoa, Lino, Klaodio, da gne rahalà agnaby. 22 Hiaraky ame fagnahinao anie gne Tompo. Ho aminareo anie gne fahasoavagny.