Toko faha 5

1 Avy tan-tondako tao iaho,ry longoko, ry asondrotsiko; fa namory gny miorako mbaminy gny raha magnitsiko iaho. Fa nihina gny rononoko iaho. Hoy gny nama misafa ami-gny reo malala Mihinana; ry nama, minoma voho ao ho mamony gny hatea. Hoy gny Somonjara misafa ami-gny vatany. 2 Nandry iaho, nefa gny foko la nifoha tagnainy nofy tao.Kay gny feoni-gny malalako mandondo voho nanao hoe: "vahao iaho, ry longoko, ry pizoko, ry malioko, fa hotsaky gny ando gny lohako, antsiky andoni-gny haly gny voloko." 3 "Fa namotaky gny akanjolavako iaho; la tsy maintsy hanao gnany zay indraiky va? Fa nisinasko gny tomboko; la tsy maintsy ho lotoako va? 4 Nampilitsy gny tagnany tami-gny fisokafany gny hilim-baravara eo gny malalako, voho nientanenta ho gn'azy gny foko. 5 Nitsanga iaho mba hamoha gny varavara ho gnany gny malalako; nitete miora gny tagnako, nisy ranony miora gny ratsan-tagnako, tami-gny famoham-baravara eo. 6 Nanokatsy gny varavara ho gnany malalako iaho, nefa nihodiky gny malalako ka nandeha.Tofotsy gny foko; nanjary kivy iaho. Nila gn'azy iaho, nefa tsy jeriko ie; nikaiky gn'azy iaho, nefa tsy namaly gn'ahy ie. 7 Gny mpiamby nandeha tami-gny tana nahita gn'ahy; nivinangon-drozy iaho voho nifineriny; gny mpiamby tami-gny manda tegny nangalaky gny sikiko tagnamiko. Hoy gnasany somonjara nisafa tami-gn'ampela tan-tana tao 8 Teako hampagnantegna nareo, ry gnanak'ampelan'i Jerosalema, fa laha jerinareo gny malalako, la volagno gn'azy fa marary nohony gny hateako gn'azy iaho.Hoy gn'ampela tan-tana tao niresaky tami-gny somonjara 9 Nagnino gny malalanao ro soa tozay gny malalany hafa, ro la mangataky gnanay hanao hajohajo manahaky gnany zao iha? Hoy gny somonjara nisafa tami-gn'ampelany gny tana. 10 Gny malalako la mamiratsy sady mena, tsy manam-paharoa ami-gny reo agn'aliny. 11 Gny lohany la volamena soa mare, gny volony la olioly sady mainty manahaky gny gagnaky. 12 Gny masony la manahaky gny pizo agnilany gny rian-drano, nisinasa tami-gny ronono, nitinohitohy manahaky gny ravaky. 13 Gny fifiny la manahaky gny fandrian-draha magnitsy, mamokatsy hagnitsy mamerover. Gny sogniny la lilia, mitete miora. 14 Gny sandriny la voahodidy volamena natao ravaky, gny sarotrony la ivory voasaro safira. 15 Gny tombony la andry vita ami-gny marba, mifototsy ami-gny volamena tsy miharo; gny endrikiny la manahaky gnan'i Libanona, tsiriry manahaky gny sedera. 16 Gny vavany la mamy mare; maha te ho tea fatratry ie.Zay gny malalako, voho zay gny sakaizako, ry anak'ampelan'i Jerosalema.