Toko faha 4

1 Ingo soa tarehy iha, ry malalako; soa tarehy iha. Gny masonao la voromahilala ambohon'ny gny voalinao. Gny volonao la manahaky gn'andian'aosy mijotso bakegny an-tendrombohits'i Gileada. 2 Gny hinao la manahaky gn'aondrivavy vaohinaratsy, miakatsy bakagny amin'ny gny toera fandroa. Mirafisy soa reo, ka tsy misy banga. 3 Gny sogninao la manahaky gny foly jaky; maha taho-tea gny vavanao. Manahaky gny hasin'ampongabendagnitsy gny fignafignanao ambalikiny gny voalinao ao. 4 Gny vozonao la manahaky gny tilikambon'i Davida voaory egny amin'ny gny filaharam-bato, miaraky amin'ny gn'ampinga arivo mihanto eo amin'izay, la gn'ampingan'ny gny miaramila reo iaby. 5 Gny nononao roe la manahaky gny diera roe, gazela hamba, mihinagn'akata egny amin'ny gny lilia. 6 Ambara-paha avin'ny gny mangoatignana ka mandositsy lavitsy gn'aloky, la handeha agmy antendrom-bohitsin'ny gny miora voho agny amin'ny gny vohitsin'ny gny ditin-kazo magnim-pofo aho. 7 Soa tarehy amin'ny gny lafiny iaby iha , ry malalako voho tsy misy sampo gn'aminao. 8 Miaraha amiko baka a Libanona agny, ry zay hovalieko. Miaraha amiko baka a Libanona agny; miavia baka an-tampon'i Amania agny, bakagny an-tampon'i Senira voho Hermona, bakagny an-davaky gny liona, bakagny an-tendrombohitsy lavaky gny leoparda. 9 Lasanao gny foko, ry havako, ry zay ho valieko; lasanao gny foko, tamin'ny gny fijery raiky tamiko atoy, tamin'ny gny ravaky raiky tam-bozonao egny. 10 Ingo, gny hasoan'ny gny hateanao, ry havako, ry zay ho valieko! Ingo gny hasoan'ny gny hateanao mihoatsy gny divay, voho gny fameroveron'ny gny ragnomagnitsao mihoatsy nohon'ny gny raha magnitsy iaby. 11 Gny sogninao, ry zay ho valieko, la mitete tantely; voho ronono gn'ambanin'ny gny lelanao ao; gny fameroveron'ny gn'akanjonao la manahaky gny fameroveron'i Libanona. 12 Ry havako, baibo voahily zay ho valieko, eka baibo voahily, loharano voatombo-kase. 13 Gny sampanao la ala kelin'ny gn'ampongabendagnitsy misy voakazo voatingy, ka moina voho Narda, 14 Narda voho Safrona, veromagnitsy voho kanely miaraky amin'ny gny reo karazan-kagnitsy iaby, la miora voho havozo mbamin'ireo raha magnitsy soa mare iaby. 15 Tondan-doharano iha, fantsakan-drano malio, rian-drano mandeha baka Libanona agny. Somonjara misafa ami-gny malalany hoe: 16 Mifohava, ry tsioky baka avaratsy agny; avia, ry tsioky an-timo agny; tsofy gny tondako mba hampiely hagnikagnitsy gny fofony magnitsy. Lonoky ka ho avy ami-gny sakany gny malalako ao ka ihina gny sasany ami-gny voankazo voafanty.