Toko faha 3

1 Amin'ny gny haly am-pandreako eo la nigniry gny raiky zay teako aho; nila azy aho, fe tsy hitako ie. 2 Hoy aho tamin'ny gny vatako hoe: "Hitsanga aho ka handeha an-tana agny, amin'ireo lala voho kianja; hila gny malalako aho."Nila azy aho, fe tsy nahajery azy. 3 Hitan'ny mpiamby reo aho laha nihodidy gny tana rozy. Nagnontany androzy aho hoe: "Jerinareo va gny malalako?" 4 Fotoa kelikely avao tafaran'ny gny nandalovako tamindrozy teo ro nahitako raiky tean'ny gny fagnahiko. Nitanjaky azy aho ka tsy nagnenga azy handeha hatrami'ny gny hagnandesako azy an-tragnon-dreniko agny, amin'ny gn'efitragno fandrean'ny gny raiky niteraky ahy ao.Gn'ampela mirehaky amin'ny gn'ampela hafa. 5 Teako hifanenkegna nareo, ry anak'ampelany gny joharin'i Jerosalema, amin'ireo gazela voho gny reo vokatsy saha reo, mba tsy ho tampahanareo gny fiarahanay mandry laha mbo tsy vita zay. Gn'ampela mirehaky amin'ny gny vatany. 6 Ino rey miakatsy bakaan-diomonto agny manahaky gny tsanga-tsetroky, magnim-pofo miora voho ditin-kazo magnitsy, miaraky amin'ireo lemboky reo iaby avilin'ny mpamarotsy reo? 7 Ingo, gny fandrean'i Solomona; mpialy enimpolo ro magnodidy azy; la gny miaramila enimpolon'Israely. 8 Manan-traikefa amin'ny gny sabatsy rozy ka mahay mialy. Mana gny sabatsy ambaniany egny gn'olo iaby, mitam-pialia hanohitsy gny fampihorohorohan'ny gny haly. 9 Nanao sezy filanja vita tamin'ny gny hazo baka a Libanona agny Solomona mpanjaka ho azy. 10 Gny tsangatsangan'izay la vita tamin'ny gny volafoty; gny lambosiny la vita tamin'ny gny volamena, voho gny fipetrahany tamin'ny gny siky volomparasy. Gny tagnainy ao la nihaimgoan'ireo anak'ampelann'ny gny joharin'i Jerosalema am-pitiava. Gn'ampela mirehaky amin'ny gny ampelan'i Jerosalema reo. 11 Miboaha, ry anak'ampelan'ny gny joharin'i Ziona, ka mandiniha an'i Solomona mpanjaka, manday gny satro-boninahitsy nampisatrohany gny reniny azy tamin'ny gn'andron'ny gny fanambaliany, tamin'ny gn'androm-pifaleany gny fiaignany io.