Toko faha 2

1 Zaho la folera amin'ny gny lemaky egny avao, lilia amin'ny gny lohasaha egny avao. Gny johary mirehaky aminy. 2 Manahaky gny lilia am-patiky eo, la manahaky an'io iha, ry teako, eo amin'ireo anak'ampelan'ireo olon'ny gny tanako. Gn'ampela mirehaky amin'ny gny vatany. 3 Manahaky gny hazo paiso zay eo amin'ireo hazon'ny gn'ala, la manahaky an'izay koa gn'olon-teako amin'ireo johary. Mipetraky eo ambanin'ny gn'alony amin'ny gny hafaleam-be aho, ka gny voany la mamy am-bavako ao. 4 Manday ahy agny amin'ny gny tragno amin'ny gny fanasam-be agny ie, ka gny fagnevany amiko la gny hatea. Gn'ampela mirehaky amin'ny gny teany. 5 Velomo amin'ny gny mofomamy misy voaloboky aho ka velombelomo amin'ny gny paiso, fa mararin-katea. Gn'ampela mirehaky amin'ny gny vatany. 6 Gny tagnany havia la ambanin'ny gny lohako eo, ka gny tagnany havana la mandrakoky ahy. Gn'ampela io la mirehaky amin'ny gn'ampela hafa. 7 Teako mba hampitama nareo, ry anak'ampelan'i jerosalema, amin'ny gn'alalany gny gazela voho ireo serfa vavy an-tsaha agny, fa nareo la tsy hagnapaky gny firahanay madre nareo laha tsy tampitsy zay. Gn'ampela ro mirehake amin'ny gny vatany. 8 Nay gny feon'ny gny teako!, ingy ie bakao ingy, mandikalika tendrom-vohitsy reo, mitsanboko amin'ny vohitsy reo. 9 Gny malalako la manahaky gny gazela na diera la mbo tanora; ingo, ie la mitsanga ambohon'ny gny rindrinay ao, manangiriky an-dafonety eo, mipoitsy eo amin'ny gny makarakara. 10 Mirehak'amiko gny malalako manao hoe: "Mitsangana, ry teako; Ry gny soa tarehiko, andao hisondry amiko. 11 Ingo, fa nandeha gn'asotry; fa nijano gn'ora ka fa lasa. 12 Fa tomiry an-tany gny folera; fa avy gny fotoa anampagnany voho gny feom-boro, ka gny feon'ny voromailala reo la janjy amin-tsika etoy. 13 Mahamasaky gn'aviavy maitsony hazon'aviavy reo, voho mamogny gny voaloboky; mamoaky gny hagniny rozy. Mitsangana, ry teako, soa tarehiko, ka andao. 14 Ry voromailalako, an-tsefatsefaky gny vatolampy eo, eo an-tsefatsefaky mietaky gny tendrom-bohitsy harambato, la engao aho hahajery gny endrikao. Engao hahajanjy gny feoanao aho, fa malefaky gny feonao, ka la maha taho-tea gn'endrikao."Gn'ampela ro mirehaky amin'ny gny vatany. 15 Samboro ho antsika gn'alika kapike, la mbo gn'alika maliniky zay manimba gny tanim-boalobotsika reo, fotony mamoa voalobotsika reo. 16 Gn'ahy gny malalako, voho gn'azy aho; homa egny amin'ireo lilia amin-kafalea ie. Gn'ampela ro mirehaky amin'ny gny teany. 17 Mandena, ry malalako, alohan'ny gny tsioky malefaky amin'ny gny mangoan-tignana voho reo aloky mandalo. Mandena, ao mba hanahaky gny gazela na diera mbo tanora eo amin'ireo tendrom-bohitsy mikitoantoa iha.